Tempolin' I Ezekiela

Ny Tempolin' i Ezekiela dia rafitry ny tempoly tsy mbola voaorina voalaza ao amin' ny Bokin' i Ezekiela ao amin' ny Baiboly.

Io no heverina fa ho endriky ny tempoly fahatelon' i Jerosalema izay famerenana amin' ny laoniny ny tempoly, araka ny fahitan' i Ezekiela mpaminany (Ezek. 40-47). Voalaza fa nahazo io fahitana io i Ezekiela, tokony ho efatra ambin' ny folo taona taorian' ny nandravan' i Nebokadnezara II ny Tempoly voalohany.

Antsipiriany

Voalazalaza amin' ny an-tsipiriany ao amin' ny Bokin' i Ezekiela ny lafiny mampiavaka ilay tempoly, amin' ny fahitana nomena ny mpaminany Ezekiela. Voaresaka ny firafitry ny tempoly vita amin' ny hazo maromaro, toy ny vavahady, ny kianja ivelany sy anatiny, ny efitra sy ny lalantsara, ny andohalambo, ny varavarana, ny varavarankely, ny fitoerana masina ary ny alitara. Voaresaka koa ny fanaka sasany. Hita ao ny antsipiriany momba ny haingon-trano, ohatra, ny kerobima sy ny hazo rofia voasokitra eo amin' ny varavarana sy ny rindrina. Ny tanjon' ny efi-trano anilany dia omena, ohatra, hiakanjoan' ny mpisorona, hihinanana ny henan' ny mpisorona, ary efitrano ho an' ny mpihira. Ny refy dia mifototra amin' ny "hakiho".

Heviteny

Ny fanomezan-danja ny tsipiriany momba ny tempoly ao anatin' ny tontolon' ny fahitana ara-paminaniana dia miteraka famakafakana sy adihevitra momba ny heviny sy ny dikany ary ny tanjona amin' ny hanamboarana ny tempoly.

Heviteny ao amin' ny jodaisma

Antsoin' i Maimônida hoe "tempoly haorina" izy io, ary nilaza izy fa sarotra ho an' ny mpamaky tsotra, eny fa na dia ho an' ny manam-pahaizana za-draharaha, ireo toko ao amin' ny Bokin' i Ezekiela ireo. Ny mpanao heviteny amin' ny Baiboly izay sahy nanazava mivantana ny tsipiriany momba ny famolavolana avy ao amin' ny lahatsoratry ny Baiboly hebreo dia ahitana an' i Rashi, i David Kimhi, i Yom-Tov Lipmann Heller, ary i Meir Leibush ben Yehiel Michal, izay samy nanolotra sarisary misy fahasamihafana kely momba ny tempoly hitan' i Ezekiela.

Heviteny kristiana

Ny fivoasana kristiana sasany momba ny tempolin' i Ezekiela dia izao: io no tempoly tokony ho naorin' i Zerobabela; tempoly ara-bakiteny tokony haorina indray mandritra ny fanjakan' i Kristy arivo taona, tempoly izay tandindon' ny fanompoam-pivavahana amin' Andriamanitra ataon' ny fiangonana kristiana ankehitriny, na tandindon' ny fanjakan' Andriamanitra ho avy sy mandrakizay.

Maro koa ny mpandinika kristiana mino fa io tempoly io dia ho ilay Tempoly Fahefatra ara-bakiteny, izay hisy mandritra ny Fanjakana Arivo Taona, aorian' ny faharavan' ny tempoly iray ho avy (tempoly fahatelo) izay holotoin' ny Antikristy.

Jereo koa

Tags:

Tempolin' I Ezekiela AntsipirianyTempolin' I Ezekiela HevitenyTempolin' I Ezekiela Jereo koaTempolin' I EzekielaBaibolyBokin' i EzekielaEzekielaFahitana (finoana)JerosalemaTempolin' i SôlômônaTempoly

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Firenena MikambanaFiteny kirondySampan-tenyFivavahana abrahamikaAlarobiaKazakstànaMerinaSakramentaEpistily ho an' ny RômanaRaki-pahalalanaLalitraTetiandro malagasyVoronaBiôgrafiaKristianisma eto MadagasikaraTsirinteny sara-droa2012TenerifeAndrianaJôbaAziaAsabotsyRoandaHelsinkiIràkaLisitry ny filohan' i MadagasikaraArmenia1989Fifohazana (kristianisma malagasy)Faritany eto MadagasikaraAlakaraboSolombavambahoakaLahatra (finoana malagasy)Fiangonana Loterana Malagasy NohavaozinaFiteny taỳFijyAmerikaTontolo iainanaOkrainaFitaovam-piadianaMpandrindra milinaSinaMatoantenyTantaran'i MadagasikaraBaiboly katôlikaBokin' ny OhabolanaSadoseo1925FanatontoloanaHasina (hery tsy hita maso)FihavananaFiangonana Loterana MalagasyNikôtininaFoko eto MadagasikaraFitenim-paritra malagasyMikeaAlahasatyBorondyVictoire RasoamanarivoBokin' ny SalamoDmitri MedvedevFisoronana sy fanalana vintanaAdaloFokom-pirenen' i IsraelyKabary am-panambadianaFivavahana eto MadagasikaraJerosalemaMponina eto MadagasikaraTarehin-tsoratra araboLanitra (finoana)Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina1910AviavyFiteny tatara🡆 More