Siansa Kristiana

Ny Siansa Kristiana (na Christian Science amin' ny teny anglisy) dia fitambarana finoana sy fanao hita ao amin' ny Fiangonan' i Kristy, Siantista, izay mamaritra ny tenany ho Siansan' i Kristy.

Ny mpanorina azy, ilay amerikana teôlôjiana nampiana-tena atao hoe Mary Baker Eddy, dia mino fa hitanny indray tamin' ny taona 1866 ny lalàna nampiharin' i Jesoa na Jesosy tamin' ny fanasitranana ny marary sy ny famahana ny fikorontanan' ny fiainana, ireo lalàna heverina ho azo porofoina ankehitriny. Ny fandinihany ny fanasitranana sy famahana olana isan-karazany azo avy amin' ny teôriany dia manaporofo, araka ny filazany, ny fahamarinany. Noho izany, ny Siansa Kristiana dia "kristiana" amin' ny heviny hoe mifototra amin' ny fampianaran' i Jesoa araka ny hazavaina ao amin' ny Testamenta Vaovao. Ny Siansa Kristiana dia mikendry ny maha fivavahana azo ampiharina mamela ny fampiharana ny lalàn' Andriamanitra azo tsapain-tanana.

Siansa Kristiana
Fiangonan' ny Siansa Kristiana ao Boston

Mba hiantohana ny fampielezana an' io siansa io dia nanangana fiangonana tsy misy fanekem-pinoana i Mary Baker Eddy tamin' ny taona 1879, antsoina hoe "Fiangonan' i Kristy, Siantista" (amin' ny teny anglisy Church of Christ, Scientist) izay any Boston ny foibeny, izay fitambaran' ny fiangonana miisa 1 800 tamin' ny taona 2008, miorina any amin' ny firenena miisa 82, sy misy mpino an-ketsiny vitsivitsy, indrindra any Etazonia.

Ny tena anakianana ny Siansa Kristiana dia noho izy safidy hafa fa tsy mifameno amin' ny fitsaboana môderna. Noho izany, ny fahasitranana lazaina fa azo amn' ny alalany dia azo ivelan' ny fanaraha-maso ara-pitsaboana. Ny fanasitranany ny aretina dia heverin' ny mpitsikera ny Siansa Kristiana ho anisan' ny vokatry ny placebo (izay tsy mifanohitra tanteraka amin' ny Siansa Kristiana, izay mihevitra ny aretina ho vokatry ny finoana diso fotsiny, izay tokony hahitsy mba hahazoana ny fahasalamana). Ny tena fiarovan-tenan' ny Siansa Kristiana dia ny fahafahan' ny tsirairay misafidy ny fomba fanasitranana izay heveriny fa mahomby indrindra ary tsy misy teritery momba izany. Asongadin' ny mpanohana ny fanasitranana lazainy fa azony ary mitsipaka ny hevitra rehetra mandà ny fanafody mahazatra.

Tags:

Andriamanitra (tokana)Fahasitranana mahagagaFiangonan' i Kristy, SiantistaFiteny anglisyFivavahanaJesoaTestamenta VaovaoTeôlôjia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Sampan-tenyFaritanin' Antananarivo2001SakramentaAmpiposahana (faritra)AntananarivoTendryHarin-karena faobeMark JerrumBetsimisarakaFirenenaAntankaranaAndriamasinavalonaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlikaAmerikaFady (malagasy)Ferenc AndrásOhabolanaTolom-bahoaka tamin' ny 1947QIT Madagascar MineralsLisitry ny filohan' i MadagasikaraFiteny hindỳTsinyFiteny kirondy2012w97csRaki-pahalalanaAmpongaTontolo iainanaAdizaozaMalakiaSoratra2022TerakaAntemoroAterinetoAsaPaositra MalagasyAviavyRoandaVezoKor'anyHolatraBokin' ny SalamoJirofoTobim-pifohazanaBokin' i EzekielaSiansaDistrikan'i MaintiranoWilliam III an'i AngleteraMponina eto MadagasikaraTsindrimandry (fivavahana)Asa AkiraFamonjenaFiarakodiaKristianinaSydneyEpistily ho an' ny RômanaSaint-Clément, AisneFrantsaKolontsainaJôbaMpampiankina fehezankevitraHavatsa-UPEMDokuWikiAlakaraboHypertext Markup LanguageFifohazana Ankaramalaza2020Repoblika Entim-Bahoakan' i SinaFanandroana malagasy🡆 More