Amin'ny fizika molakiolary sy amin'ny simia, tenenina hoe miratoerana (amin'ny teny anglisy sy frantsay: isotope) ny atoma rehefa mitovy ny isan'ny prôtôna fa tsy ny isan'ny netirôna.
Voatondro amin'ny isa atomika Z ny isan'ny prôtôna anatina vaonina. Mitovy isa Z ny miratoerana roa, fa samihafa ny lanjany A. Ny lanja dia tontalin' isan'ny prôtôna sy ny tontalin'ny isan'ny netirôna. Ny mahasamihafa ny lanjan'ny miratoerana dia ny isan'ny netirôna N.
Ny mahasamihafa ny atôma miratoerana dia ny isan'ny netirônany, afatsy rehefa misy ionisation (miova ny isan'ny elektirona)
Tononina amin'ny eva ara-tsimiany ny miratoerana, fenoina :
Ny karbônina 14; soratana sy ny karbônina 12, soratana dia miratoeran'ny singa karbonina. Esorina ny isa atômika, satria miverina miaraka amin'ny eva simika.
Ny miratoerana misy matetika dia ny miratoeran'ny hidirôzenina, soratana tahak'io fomba io : 2H ho an'ny deuterium ary 3H ho an'ny tritium ; azo ampiasaina koa ny eva D sy T araka ny lazain'ny UICPA, fa tsara ampiasaina ihany 2H na 3H satria samy miratoeran'ny hidirozenina izy ireo.
Mitovy ny toetra alain'ny miratoerana satria mitovy ny isan'ny elektirôna sy ny prôtôna.
Saingy izy tsy mitovy lanja (betsaka nohon'ny tokony misy ny isan'ny netirôna), samihafa ny lanja. Azo sarahina ny atôma tsotra sy ny atôma miratoerana amin'ny alalan'ny centrifugation.
Mety lasa radiôaktiva ny atôma noho ny isan'ny netirôna ao am-baoniny.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Miratoerana, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.