Ny mônisma dia fomba fijery filôzôfika izay manamafy ny maha iray tsy azo zaraina ny zavatra rehetra.
Amin' ny fomba firesahana azy ankehitriny dia manohana ny maha tokana ny zavatra mandrafitra izao rehetra izao ny mônisma. Ny firaisana fototra misy ao amin ny Kôsmôsy na izao rehetra izao dia mahatonga ny zavatra sy ny fanahy tsy ho afa-misaraka. Noho izany, ny mônisma dia manohitra ny hevitra doalista, izay manavaka ny tontolo ara-materialy sy ny tontolo ara-panahy, ary manohitra ihany koa ny hevitra filôzôfika ploralista izay mihevitra ny zavatra tsirairay hanana ny fombany na natiorany manokana tsirairay.
Eo amin' ny sehatry ny fahalalana, ny mônisma dia mandrara ny fanavahana ny siansan' ny natiora sy ny siansan' ny fanahy. Ny siansa manontolo avy eo dia aseho ho toy ny tranobe iray. Ny mônisma koa dia mametraka fifandraisana akaiky eo amin' ny filôzôfia sy ny siansa.
Ny mônisma dia manondro ny maha iray na maha tokana ny fato-kevitra iray, toy ny fisiana. Karazana mônisma maro no azo avahana:
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Mônisma, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.