Mpaminany Jeremia

I Jeremia dia mpaminany tao amin'ny Fanjakan'i Joda izay heverina araka ny lovantsofina fa nanoratra ny Bokin'i Jeremia ao amin'ny Tanakh na ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly.

Teraka tokony ho tamin’ny taona 650 tal. J.K. tao akaikin’i Jerosalema i Jeremia. Mbola tanora izy no nantsoin’Andriamanitra hitondra ny teniny, mety mbola tsy ampy 20 taona, tamin’ny andron’i mpanjaka Josia. Fotoan’ady teo amin’ireo firenena maro ny andro niainan’i Jeremia satria ireo fanjakan-dehibe vaovao dia niezaka nandresy ireo taloha.

Mpaminany Jeremia
Manoratra eo amin'ny sisam-pirodanan'i Jerosalema i Jeremia, nataon'i Horace Vernet, taona 1844.

Nampitandrina ireo mpanjakan’i.Jodà i Jeremia talohan’ny fandravana an'i Jodà sy ny fahalavoan'i Jerosalema nefa nolazain'ny olona fa mpamadika. Noho izany dia nisy fotoana nanaovana azy an-tranomaizina. Niaritra fahoriana i Jeremia nefa nanamafy ny fifaneraserany tamin’Andriamanitra izany. Nitaraina amin’Andriamanitra ny amin’izany fahasahiranany izany i Jeremia ka izany no nivoahan’ilay atao hoe "Fanekem-pinoan'i Jeremia".

Nanatrika ny faharavan’ny Fanjakan’i Jodà sy ny fandoroana ny Tempoly ary ny fanaovana sesitany ny ampahany amin'ny mponin’i Jerosalema koa izy. Tapitra tamin’izany ny maha firenena afaka an’i Jodà satria azon’i Babilonia.

Nisafidy ny hitoetra tao Palestina i Jeremia fa tsy tany Babilona nandritra ny fotoan’ny Fahababoana nefa noho ilay Kaldeana solontenan’ny fanjakana babiloniana nisy namono tao Jerosalema dia niaraka tamin’ireo izay nandositra tany Egipta izy ka tany no nanohizany ny asany ary tany koa no mety nahafatesany.

Ny anarany

Atao hoe יִרְמְיָהוּ / Yirmeyāhū i Jeremia amin'ny teny hebreo; izany anarana izany dia midika hoe "Manandratra i Yahu (i Iahveh)".

Ny nanoratra ny boky, araka ny lovantsofina

Araka ny lovantsofina jiosy dia nanoratra boky ny mpaminany Jeremia, dia ny Bokin'i Jeremia, ireo Bokin'ny Mpanjaka ary ny Bokin'ny Fitomaniana, ka i Baroka zanak'i Nerià, izay mpanoratra no mpianany, no nanampy azy tamin'ny fanoratana.

Jereo koa

Mpaminany lehibe:

Mpaminany madinika

Tags:

BaibolyBokin'i JeremiaFanjakan'i JodàJerosalema (Andro Taloha)Josia (mpanjakan'i Jodà)TanakhTestamenta Taloha

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

ArgetTeny malagasy ôfisialyAnarana1810Posanges19Manhasset Hills, New YorkFifohazana (kristianisma malagasy)Afrika Atsimo70Geparda1972OgandaFiteny malagasy28 AprilyZômbyMofo atodyFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraKristianismaFady (malagasy).etSam MalinAndriamanitra (tokana)Gabriel García MárquezSokajin-tenyWiki CommonsWashingtonKerala1958SolifaraSambatra1913Jodie Foster1939MinnesotaAfrikaBourgogne, Marne1974D59KolikolyDanemarka5AterinetoKôrea AtsimoParisyTaonjatoFitsanganan' i Jesoa ho velonaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)TanyPaska jiosyGinea BisaoYahoo!Alemaina6Tetiandro miozolmanaHaintanyAvelo1893.lbNaperville, IllinoisHans Christian ØrstedMiosMerinaOlombelonaFamoranaJoliet, Illinois6018Taom-baovao malagasyKambana (fanandroana)Hubert TardieuSekolyZava-mahadomelina20201975🡆 More