Gehena

Ny Gehena dia lohasaha tery sady lalina eo akaiky atsimo sy atsimo andrefan' i Jerosalema izay nanamboaran' i Sôlômôna (na Salômôna) toerana avo hivavahana amin' ny andriamanitra Kemôsy sy Môlôka, araka ny Boky voalohan' ny Mpanjaka (1Mpanj.

11.7). Tao no nanaovan' ny Israelita sorona ny zazakely tamin' i Môlôka araka ny Boky faharoan' ny Mpanjaka (2Mpanj. 23.10) ka noheverina ho toeran'ny fahavetavetana io toerana io. Taty aoriana dia lasa toerana fanariana ny loto rehetra ny ao Gehena sady nisy afo nirehitra tsy an-kijanona mba hisorohana ny aretina pesta. Izany no nahatonga ny mpanoratra ny Testamenta Vaovao nampitovy ny "gehena" amin' ny "fiainan-tsy hita".

Gehena
Fasana ao amin' ny Lohasahan' i Hinôma

Fiforonan-teny

Gehena 
Lohasahan' i Hinôma

Avy amin' ny teny hebreo hoe גיא הנום / Gei Hinom ("Lohasahan' i Hinôma) na גיא בן הנום / Gei ben Hinom ("Lohasahan' ny zanak' i Hinôma") ny Gehena. Ny fandikana amin' ny teny grika ny Baiboly hebreo dia nanoratra hoe Γέεννα / Géenna ka avy amin' io no nanakaran' ny mpandika ny Baiboly amin' ny teny malagasy ny anarana hoe Gehena.

Jereo koa

Tags:

Andriamanitra (anarana iombonana)Boky faharoan'ny MpanjakaBoky voalohan'ny MpanjakaFiainan-tsy hitaIsraelitaJerosalemaSôlômônaTestamenta Vaovao

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fitsarana faranyJean-Joseph RabeariveloFifohazana (kristianisma malagasy)GoogleFiteny hindỳKolontsainaDarryl StarbirdMediaWikiQIT Madagascar MineralsIndôneziaEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Faritanin' AntananarivoIngosetiaCurrent eventsRajoelina AndryAntemoroDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)SakramentaFanalana faditraVorombolaFanavakavahanaAnatôliaMpampitohy tenyRichard I an'i AngleteraVoronaMeyFirenenaIsraelyWikiGaliaZanatsoratraArmeniaBlaogySoisaBokin' i EzekielaMeivazyAnthiyurDokuWikiVatosoaTobilehibeAsombolaAmerika14 FebroaryTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôFiraisana ara-nofoTsinyMpandrindra milinaKristianinaFrantsaMikeaFiteny tamilyFanandroana malagasyRazana (finoana malagasy)Roman PolanskiKanaana (faritra)Main PageBetlehemaAndrianampoinimerinaZambiaOraFivavahanaDmitri MedvedevLes PaulTantaran'i MadagasikaraAmontanaTsimihety31 MartsaRenivintana🡆 More