Fouta-Djalon

I Fouta-Djalon dia tangoron-tendrombohitra any Ginea, any Afrika Andrefana, onenan' ny Folany na Peola indrindra.

Nisy fanjakana teôkratika miozolmana matanjaka niorina tao tamin’ ny taonjato faha-18, dia ny Imamatan’ i Fouta-Djalon.

Ny anarany

Ny Folany dia miantso io tangorom-bohitra io amin' ny fiteny polara (kraza'n' ny fiteny folany) hoe Fuuta-Jaloo. Ny niavian' ilay anarana dia ny teny fola ilazana ny faritra onenan' ny Folbe na Jalônke na Fola na Folany.

Jeôgrafia

Fouta-Djalon 
Sarin-tany maneho ny lembalemba avo maro any Ginea sy i Fouta-Djalon any Ginea.

Ny faritra rakofan' i Fouta-Djalon dia ahitana hivoka misy ala sy ala mivelatra, ala galeria ary lemaka midadasika, iampitan' ny renirano maro izay niandohan' ny hantsana lehibe sy riandrano maro noho ny asan' izy ireo nandritra ny arivo taona.

Fouta-Djalon 

Antsoina hoe "siniben-dranon' i Afrika Andrefana" i Fouta-Djalon, satria mipoitra avy ao ny loharanon' ny renirano lehibe any Afrika Andrefana. Ireto ireo loharano ireo; i Tinkisso (sakelidranon' ny ony Niger), ny ony Sénégal, ny ony Gambia, i Koliba, ary i Kogon.

Manana velarana 81 952 km2 sy haavo 1 000 m eo ho eo i Fouta-Djalon. Ity faritry ny lemaka sy ny havoana ity dia miakatra ka miafara amin' ny tendrombohitra Loura (1 515 m). Nihady hantsana lalina sy lohasaha ao anatin' ny sosona vato fasika matevina manarona ny vatolampy granita ny fikaohan-tany.

Miovaova be ny maripana arakaraka ny toerana sy ny fotoana:

  • Desambra -- Janoary (vanim-potoana maina): 05°C -- 30°C. 05°C;
  • Febroary -- Mey (vanim-potoana maina): 36°C -- 20°C;
  • Jona -- Ôktôbra (vanim-potoanan' ny orana): 16°C -- max. 32°C;
  • Ôktôbra -- Nôvambra (faran' ny orana): 18°C -- max. 32°C.

Ity faritra ity dia tena tsara ho an' ny famokarana voankazo (manga, voasary, papay, zavôkà, akondro, goavy) sy ho an' ny famokarana anana maro hafa. Amin’ ny tany azo volena rehetra dia volena ny fôniô, ny vary, ny ovy, ny tongolo ary ny voanjo.

I Labé no tanàna lehibe indrindra ao amin' ilay faritra, ny tanàna hafa dia i Pita, i Mamou, i Dalaba, i Tougué, i Koubia, i Lélouma, i Mali, i Télimélé, i Koundara ary i Gaoual.

Tags:

Afrika AndrefanaFolany (vahoaka)GineaPeola (vahoaka)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiangonana Protestanta Vaovao eto MadagasikaraTuriúba1937Andrea FrezzaMagiara (vahoaka)Bengkulu17 MartsaAlahasatyAraripeAziaDiana, Andriambavin'i ValesaHenryk KasperczakHaditaNeptonaIbn Hajar al-AsqalaniLionel MessiTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôSahih al-TirmidhiTaom-baovao sinoaFandroahana fanahy ratsyRazana (finoana malagasy)Joko WidodoKatowiceEvekaKolontsaina malagasyAsombolaMcCall, IdahoMadonnaBiôgrafiaFampakaram-badyFaritra eto MadagasikaraHaranita-tsaina voatrolombelonaAterinetoHoratio NelsonHermann LeyMiaramilaFivarotana andevoAlahadin' ny Sampan-kazoSogny-aux-MoulinsMassimo DallamanoJa'far al-SâdiqEmpira Mpanjanaka FrantsayForyKor'anyFampielezan-kevitraAirbus A380AmbositraAuburn, AlabamaLa Tour-Saint-GelinMananasy (kaominina)Faritra AnalanjirofoMinneapolisOlombelonaPierre-Emerick AubameyangSiansaHernán CrespoKatsakaJona (volana)Joshua SchachterFanasan-tongotra (fivavahana)Wayback MachineDurrësEpistily voalohany ho an' ny KôrintianaEzequiel LavezziLuca ToniBezanozano🡆 More