Fiangonana Tany Laôdikea

Ny Fiangonana tany Laôdikea na Eglizin' i Laôdisea na Laôdikia dia iray amin' ireo fiangonana resahina ao amin' ny Apôkalipsin' i Joany (Apô 2.1 – 3.13) fa nandefasana taratasy.

Fiangonana Tany Laôdikea
Ireo tanàna nisy ny fiangonan' ny Apôkalipsy

Toerana nisy azy

I Laôdikea na Laôdikia na Laôdisea dia tanàna renivohitr' i Frigia na Frizia any Azia Minora. Mbola hita ny sisam-paharavan' io tanàna io eo anelanelan' ny tanàna ambanivohitr' i Goncali sy ny vakin-tanàn' i Eskihisar, 6 km miala ny ivon' i Denizli ao Torkia. Nandroso kokoa noho i Kôlôsia (na Kôlôsy) tanàna akaiky azy i Laôdikea tamin' ny fotoan' androny.

Filazana momba azy ao amin' ny Baiboly

14 Manorata koa ho an'ny anjelin'ny Eglizin' i Laodisea: Izao no lazain'ny Amena, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Fototry ny zava-boarin'Andriamanitra.

15 Fantatro ny asanao: tsy mangatsiaka na mafana hianao: nefa aleo mangatsiaka na mafana hianao; 16 fa noho hianao matimaty, na hoe tsy mangatsiaka tsy mafana, dia efa haloan'ny vavako hianao. 17 Hianao mihambo hoe: mpanan-karena aho, nahazo fananam-be, tsy manan-java-mahory aho; kanjo tsy fantatrao, fa hianao dia olona ory, fadiranovana, mahantra, jamba, ary mitanjaka aza. 18 Koa manoro hevitra anao aho mba hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, dia hanan-karena hianao; sy fitafiana fotsy hitafianao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahanao; ary ody maso hahosotrao ny masonao, dia hahiratra hianao. 19 Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka mibebaha. 20 Indro, mitsangana eo am-baravarana aho, sady mandondòna; ka raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.

21 Izay handresy dia hasaiko miara-mipetraka amiko eo amin'ny seza fiandrianako; toa ahy nandresy koa, ka miara-mipetraka amin'ny Raiko, eo amin'ny seza fiandrianany. 22 Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain'ny Fanahy amin'ny Eglizy. (Apô 3.14-22, Ny Baiboly Masina)

Jereo koa

Tags:

Apôkalipsin' i JoanyFiangonana fiton' ny Apôkalipsy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fanahy MasinaMenalambaRepoblika Fahefatra (Madagasikara)Fiteny tsy fantatraParagoayFotoanaSikidy malagasyVondrona EorôpeanaHopitalyTwitterTantaran' i MadagasikaraFangitra ara-jeografiaMpilalao baolina kitraKônsily fahatelo tao KônstantinôpôlyAurangzebMarovatanaBlaogyJoany Mpanao BatisaAsaGeorges AndriamanantenaKaody baraFanabeazanaMahafalyMpanampy (fitsipiteny)29 AprilyKilamba-KiaxiAndrianaAndriamasinavalona (foko)AntankaranaDidy FoloDemôkrityAlahamadyPrôtestantisma eto MadagasikaraFamadihanaAndriamanalina IPôlitikaAka Adek MbaFahavaratraHantayKiantenyHenri RatsimbazafyBatisaAlakaraboAlakaosyAnaranaAsabotsyTaonaAnjara asa (fitsipiteny)MerinaEpistemôlôjiaFaritra Atsimo-Andrefana1891StôikianaWordPressGoogleDemôkrasiaRay aman-drenyRavinalaJorge Luis BorgesFilazantsara araka an' i MarkaAdaoroMaritranoZava-manitra1983Faingo mihantonaNosy KokyMaorisyBill PaxtonFoko eto MadagasikaraFararanoPraiminisitra malagasy🡆 More