Taona
Ny taona dia fotoana aharetan'ny tsingerim-pihodin'ny Tany amin'ny Masoandro na tsingerim-potoana mifandraika amin'ny fitsingerenan'ny fizaran-taona iray ka manodidina ny 12 tsingerim-bolana eo ho eo izany.
Ny taona dia fotoana aharetan'ny tsingerim-pihodin'ny Tany amin'ny Masoandro na tsingerim-potoana mifandraika amin'ny fitsingerenan'ny fizaran-taona iray ka manodidina ny 12 tsingerim-bolana eo ho eo izany. Miankina amin'ny zavatra eny amin'ny lanitra atao fiaingana ny refin'io faharetana io, ka maro noho izany ny famaritana ny atao hoe "taona".
Taon-tetiandro
Araka ny tetiandro ampiasaina dia misy 12 volana amin'ny ankapobeny ny ao anaty taona iray nefa misy tsindraindray taona ahitana 13 volana. Noho ny fahatsapana ny fahataran'ny tetiandro miohatra amin'ny zava-miseho eo amin'ny natiora (fizaran-taona, tsingerim-bolana, fanirin'ny zava-maniry, sns) no antony anampiana volana iray faha-13 ny taona sasany. Izany, ohatra, no mitranga amin'ny tetiandro hebreo izay tsy toy ny tetiandro miozolmana.
Ny ao anatin'ny iray taona, arakaraka ny tetiandro ampiasaina, dia ahitana andro izay matetika miisa mihoatra ny 300 ka ny farany ambony mety hihoatra ny 370 andro. Ny tsy fitovizan'ny iasan'ny andro anatin'ny volana iray arakaraka ny tetiandro arahina no mahatonga izany. Nisy ihany ny taona nahitana andro miisa latsaky ny 300 toy ny tetiandro romana.
Ny taon-tetiandro manara-masoandro
Ny taona ao amin'ny tetiandro joliana
Misy 365,25 andro ny salam-paharetan'ny iray taona ao amin'ny tetiandro joliana nefa nihoatra 3 andro izany isaky ny taonjato 4 raha ampitahaina amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro, ka nahatonga ny fihoarana 10 andro eo ho eo tamin'ny taonjato faha-16 izay nitarika ho amin'ny fampiasana ny tetiandro gregoriana tamin'ny fanitsiana azy tamin'ny taona 1582 faha-Papa Gregorio XIII.
Ny taona ao amin'ny tetiandro gregoriana
Ny taona iray ao amin'ny tetiandro gregoriana, ilay ampiasain'ny ankamaroan'ny olona amin'izao fotoana izao, dia misy 365 andro amin'ny telo taona mifanarakaraka ka misy 28 andro ny volana Febroary, fa 366 andro kosa isaky ny efa-taona izay mampisy 29 andro ny volana Febroary. Izany dia atao mba hahatonga ny efa-taona hisy 1461 andro. Ny anaran'ny taona iray, amin'ny maha daty azy, dia ny laharany nifanarahana ihany. Ny ankamaroan'ny firenena eto an-tany, izay mampiasa ny tetiandro gregoriana, dia efa samy nanitsaka ny taona faha-2017 tamin'ny taona 2017.
Ny taon-tetiandro manara-bolana
Maharitra 354,3670584 andro ny salam-paharetan'ny taona iray ao amin'ny tetiandro manara-bolana, nefa noho ny taona tsirairay izay tokony hisy andro feno dia maharitra 354 na 355 andro izany, izany hoe latsaka 10 na 11 andro raha mitaha amin'ny taona amin'ny tetiandro gregoriana.
Taona ao amin'ny tetiandro miozolmana
Ny tetiandro silamo anefa dia teo amin'ny taona faha-1438 tamin'io taona 2017 gregoriana io. Manampy izany tsy fifanadrifiana izany koa ny tsy fitovizan'ny isan'ny andro ao amin'ny taonan'ny tetiandro tsirairay. Ohatra, ny taona miozolmana iray dia misy 354 na 355 andro nefa ny taona gregoriana misy 365 na 366 andro.
Taona ao amin'ny tetiandro malagasy manara-bolana
Ao amin'ny tetiandro malagasy manara-bolana dia misy 354 na 355 andro ny taona malagasy manara-bolana, ka latsaka 11 na 12 andro izany raha mitaha amin'ny taona ao amin'ny tetiandro gregoriana. Izany hoe ny iray taona gregoriana dia misy 12 volana malagasy miampy 10 na 11 na 12 andro..
Taon-tetiandro manara-bolana sy masoandro
Misy 12 volana ny iray taona nefa indraindray dia mitombo 13. Mba hanakekezana kokoa ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro, izay tsapa amin'ny alalan'ny zava-mitranga (eo amin'ny zava-manana aina na ny toetrandro) miankina amin'ny tsingerin'ny fizaran-taona sy ny toeran'ny kintana sy ny antokon-kintana eny amin'ny lanitra, dia anatsofohana iray volana fanampiny (volana faha-13) isaky ny telo taona eo ny tetiandro manara-bolana sy masoandro. Noho izany misy ireo tetiandro ampiasana ny fifandraisan'ny telo taona amin'ny 37 volana na ny 19 taona amin'ny 235 volana (ity no atao hoe "Tsingerin'i Metona").
Taona ao amin'ny tetiandro malagasy manara-bolana sy masoadro
Misy ny tetiandro malagasy tsy tena manara-bolana fa manara-bolana sy masoandro izay mampifanandrify ny volana Alahamady amin'ny fari-potoana ao amin'ny volana Marsa sy Avrily. Misy 354 na 355 ny iray taona nefa mety ho lasa 383 na 384 na 385 izany vokatry ny fampifanandrifiana ny fiantombohan'ny volana Alahamady amin'ny tsinam-bolana akaiky ny 21 Marsa.
Jereo koa:
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Taona, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply. (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 3.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
#Wikipedia® is a registered trademark of the Wikimedia Foundation, Inc. Wiki (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wikimedia Foundation.
In other languages:
- Abkhaze: Ашықәс - Wiki аԥсшәа
- Afrikaans: Jaar - Wiki Afrikaans
- Suisse allemand: Jahr - Wiki Alemannisch
- Amharika: አመት - Wiki አማርኛ
- Aragonais: Anyo - Wiki Aragonés
- Ancien anglais: Gēar - Wiki Ænglisc
- Arabo: سنة - Wiki العربية
- Araméen: ܫܢܬܐ (ܙܒܢܐ) - Wiki ܐܪܡܝܐ
- Arabe marocain: عام - Wiki الدارجة
- Arabe égyptien: سنه - Wiki مصرى
- Assamais: বছৰ - Wiki অসমীয়া
- Asturien: Añu - Wiki Asturianu
- Avar: ЛъагӀел - Wiki авар
- Aymara: Mara - Wiki Aymar aru
- Azerbaïdjanais: İl - Wiki Azərbaycanca
- South Azerbaijani: ایل - Wiki تۆرکجه
- Bachkir: Йыл - Wiki башҡортса
- Balinais: Warsa - Wiki Basa Bali
- Bavarois: Joar - Wiki Boarisch
- Samogitien: Metā - Wiki žemaitėška
- Central Bikol: Taon - Wiki Bikol Central
- Bielorosy: Год - Wiki беларуская
- Belarusian (Taraškievica orthography): Год - Wiki беларуская (тарашкевіца)
- Biolgara: Година - Wiki български
- Bhojpuri: साल - Wiki भोजपुरी
- Banjar: Tahun - Wiki Banjar
- Bengali: বছর - Wiki বাংলা
- Tibétain: ལོ་ - Wiki བོད་ཡིག
- Breton: Bloaz - Wiki Brezhoneg
- Bosniaque: Godina - Wiki Bosanski
- Russia Buriat: Жэл - Wiki буряад
- Catalan: Any - Wiki Català
- Chavacano: Año - Wiki Chavacano de Zamboanga
- Min Dong Chinese: Nièng - Wiki 閩東語 / Mìng-dĕ̤ng-ngṳ̄
- Tchétchène: Шо - Wiki нохчийн
- Cebuano: Tuig - Wiki Cebuano
- Chamorro: Såkkan - Wiki Chamoru
- Sorani: ساڵ - Wiki کوردی
- Tseky: Rok - Wiki čeština
- Kachoube: Rok - Wiki Kaszëbsczi
- Slavon d’église: Лѣто - Wiki словѣньскъ / ⰔⰎⰑⰂⰡⰐⰠⰔⰍⰟ
- Tchouvache: Çулталăк - Wiki чӑвашла
- Gallois: Blwyddyn - Wiki Cymraeg
- Danois: År - Wiki Dansk
- Alemanina: Jahr - Wiki Deutsch
- Bas-sorabe: Lěto - Wiki Dolnoserbski
- Doteli: वर्ष - Wiki डोटेली
- Grika: Έτος - Wiki Ελληνικά
- Emiliano-Romagnolo: An - Wiki Emiliàn e rumagnòl
- Anglisy: Year - Wiki English
- Espéranto: Jaro - Wiki Esperanto
- Espaniola: Año - Wiki Español
- Estonien: Aasta - Wiki Eesti
- Basque: Urte - Wiki Euskara
- Estrémègne: Añu - Wiki Estremeñu
- Persa: سال - Wiki فارسی
- Finnois: Vuosi - Wiki Suomi
- Võro: Aastak - Wiki Võro
- Fidjien: Yabaki - Wiki Na Vosa Vakaviti
- Féroïen: Ár - Wiki Føroyskt
- Frantsay: Année (calendrier) - Wiki Français
- Francoprovençal: An - Wiki Arpetan
- Frison septentrional: Juar - Wiki Nordfriisk
- Frioulan: An - Wiki Furlan
- Frison occidental: Jier - Wiki Frysk
- Irlandais: Bliain - Wiki Gaeilge
- Gan: 年 - Wiki 贛語
- Créole guyanais: Lannen - Wiki Kriyòl gwiyannen
- Gaélique écossais: Bliadhna - Wiki Gàidhlig
- Galicien: Ano (astronomía) - Wiki Galego
- Guarani: Ary - Wiki Avañe'ẽ
- Gotique: 𐌾𐌴𐍂 - Wiki 𐌲𐌿𐍄𐌹𐍃𐌺
- Goudjarati: વર્ષ - Wiki ગુજરાતી
- Mannois: Blein - Wiki Gaelg
- Haoussa: Shekara - Wiki Hausa
- Hakka: Ngièn - Wiki 客家語/Hak-kâ-ngî
- Hawaïen: Makahiki - Wiki Hawaiʻi
- Hébreu: שנה - Wiki עברית
- Hindi: वर्ष - Wiki हिन्दी
- Hindi fidjien: Saal - Wiki Fiji Hindi
- Croate: Godina - Wiki Hrvatski
- Haut-sorabe: Lěto - Wiki Hornjoserbsce
- Créole haïtien: Lane - Wiki Kreyòl ayisyen
- Hongroà: Év - Wiki Magyar
- Arménien: Տարի - Wiki հայերեն
- Interlingua: Anno - Wiki Interlingua
- Indonezianina: Tahun - Wiki Bahasa Indonesia
- Interlingue: Annu - Wiki Interlingue
- Igbo: Year - Wiki Igbo
- Ilocano: Tawen - Wiki Ilokano
- Ingouche: Шу - Wiki гӀалгӀай
- Ido: Yaro - Wiki Ido
- Islandais: Ár - Wiki íslenska
- Italianina: Anno - Wiki Italiano
- Inuktitut: ᐅᑭᐅᖅ - Wiki ᐃᓄᒃᑎᑐᑦ / inuktitut
- Japoney: 年 - Wiki 日本語
- Créole jamaïcain: Ier - Wiki Patois
- Lojban: nanca - Wiki La .lojban.
- Javaney: Taun - Wiki Jawa
- Géorgien: წელი - Wiki ქართული
- Kabyle: Aseggas - Wiki Taqbaylit
- Kabiye: Pɩnaɣ - Wiki Kabɩyɛ
- Kazakh: Жыл - Wiki қазақша
- Kannada: ವರ್ಷ - Wiki ಕನ್ನಡ
- Koreanina: 년 - Wiki 한국어
- Karatchaï balkar: Джыл - Wiki къарачай-малкъар
- Kurde: Sal - Wiki Kurdî
- Cornique: Bledhen - Wiki Kernowek
- Kirghize: Жыл - Wiki кыргызча
- Latin: Annus - Wiki Latina
- Ladino: Anyo - Wiki Ladino
- Luxembourgeois: Joer - Wiki Lëtzebuergesch
- Lezghien: Йис - Wiki лезги
- Limbourgeois: Jaor - Wiki Limburgs
- Ligure: Ànno - Wiki Ligure
- Ladin: Ann - Wiki Ladin
- Lombard: Ann - Wiki Lombard
- Lao: ປີ - Wiki ລາວ
- Lituanien: Metai - Wiki Lietuvių
- Letton: Gads - Wiki Latviešu
- Maïthili: साल - Wiki मैथिली
- Basa Banyumasan: Taun - Wiki Basa Banyumasan
- Mokcha: Киза - Wiki мокшень
- Eastern Mari: Идалык - Wiki олык марий
- Maori: Tau - Wiki Māori
- Minangkabau: Tahun - Wiki Minangkabau
- Macédonien: Година - Wiki македонски
- Malayalam: വർഷം - Wiki മലയാളം
- Mongol: Жил - Wiki монгол
- Manipuri: ꯆꯩꯍꯤ - Wiki ꯃꯤꯇꯩ ꯂꯣꯟ
- Marathi: वर्ष - Wiki मराठी
- Mari occidental: И - Wiki кырык мары
- Malay: Tahun - Wiki Bahasa Melayu
- Birmana: သက္ကရာဇ် - Wiki မြန်မာဘာသာ
- Erzya: Ие - Wiki эрзянь
- Nāhuatl: Xihuitl (cahuitl) - Wiki Nāhuatl
- Napolitain: Anno - Wiki Napulitano
- Bas-allemand: Johr - Wiki Plattdüütsch
- Nepale: वर्ष - Wiki नेपाली
- Newari: दँ - Wiki नेपाल भाषा
- Holandey: Jaar - Wiki Nederlands
- Norvégien nynorsk: År - Wiki Norsk nynorsk
- Norvégien bokmål: År - Wiki Norsk bokmål
- Norman: Aun - Wiki Nouormand
- Sotho du Nord: Ngwaga - Wiki Sesotho sa Leboa
- Occitan: Annada - Wiki Occitan
- Livvi-Karelian: Vuozi - Wiki Livvinkarjala
- Ossète: Аз - Wiki ирон
- Penjabi: ਸਾਲ - Wiki ਪੰਜਾਬੀ
- Picard: Ainnèe - Wiki Picard
- Poloney: Rok - Wiki Polski
- Western Punjabi: ورھا - Wiki پنجابی
- Pachto: کال - Wiki پښتو
- Portiogey: Ano - Wiki Português
- Quechua: Wata - Wiki Runa Simi
- Vlax Romani: Bersh - Wiki Romani čhib
- Romanianina: An - Wiki Română
- Aroumain: Anu - Wiki Armãneashti
- Rosianina: Год - Wiki русский
- Ruthène: Рік - Wiki русиньскый
- Roande: Umwaka - Wiki Ikinyarwanda
- Sanskrit: वर्षः - Wiki संस्कृतम्
- Iakoute: Сыл - Wiki саха тыла
- Sarde: Annu - Wiki Sardu
- Sicilien: Annu - Wiki Sicilianu
- écossais: Year - Wiki Scots
- Sindhi: سال - Wiki سنڌي
- Same du Nord: Jahki - Wiki Davvisámegiella
- Serbo-croate: Godina - Wiki Srpskohrvatski / српскохрватски
- Cingalais: වර්ෂය - Wiki සිංහල
- Simple English: Year - Wiki Simple English
- Slovaque: Rok - Wiki Slovenčina
- Slovène: Leto - Wiki Slovenščina
- Same d’Inari: Ihe - Wiki Anarâškielâ
- Shona: Gore - Wiki ChiShona
- Somalianina: Sanad - Wiki Soomaaliga
- Albanais: Viti - Wiki Shqip
- Serbe: Година - Wiki српски / srpski
- Sranan tongo: Yari - Wiki Sranantongo
- Soundanais: Taun - Wiki Sunda
- Soisa: År - Wiki Svenska
- Swahili: Mwaka - Wiki Kiswahili
- Silésien: Rok (czas) - Wiki ślůnski
- Sakizaya: mihcaan - Wiki Sakizaya
- Tamoila: ஆண்டு - Wiki தமிழ்
- Télougou: సంవత్సరం - Wiki తెలుగు
- Tadjik: Солҳо - Wiki тоҷикӣ
- Taioaney: ปี - Wiki ไทย
- Tagalog: Taon - Wiki Tagalog
- Tok pisin: Yia - Wiki Tok Pisin
- Tiorka: Yıl - Wiki Türkçe
- Tsonga: Lembe - Wiki Xitsonga
- Tatar: Ел - Wiki татарча / tatarça
- Oudmourte: Ар - Wiki удмурт
- Ouïghour: يىل - Wiki ئۇيغۇرچە / Uyghurche
- Okrainianina: Рік - Wiki українська
- Ordò: سال - Wiki اردو
- Ouzbek: Yil - Wiki Oʻzbekcha / ўзбекча
- Vénitien: An - Wiki Vèneto
- Vepse: Voz' - Wiki Vepsän kel’
- Vietnamianina: Năm - Wiki Tiếng Việt
- Flamand occidental: Joar - Wiki West-Vlams
- Wallon: Anêye - Wiki Walon
- Waray: Tuig - Wiki Winaray
- Wolof: At - Wiki Wolof
- Wu: 年 - Wiki 吴语
- Mingrélien: წანა - Wiki მარგალური
- Yiddish: יאר - Wiki ייִדיש
- Yôrobà: Ọdún - Wiki Yorùbá
- Zhuang: Bi - Wiki Vahcuengh
- Zélandais: Jaer - Wiki Zeêuws
- Sinoa, Mandarin: 年 - Wiki 中文
- Chinois littéraire: 年 - Wiki 文言
- Minnan: Nî - Wiki Bân-lâm-gú
- Cantonais: 年 - Wiki 粵語