British East India Company

Ny British East India Company (taloha: East India Company) dia orinasam-barotra anglisy, avy eo britanika, niorina tamin' ny taona 1600 ary rava tamin' ny taona 1874, niforona mba hisahana raharaham-barotra aty amin' ny faritry ny Ranomasimbe Indiana, tamin' ny voalohany tamin' i India Atsinanana (ny Zana-Kôntinenta Indiana sy i Azia Atsimo Atsinanana), ary taty aoriana tamin' i Azia Atsinanana.

Ity orinasa ity dia niorina tamin' ny 31 Desambra 1600 araka ny didin' ny mpanjakavavy Elizabeth I any Angletera izay nanome azy ny fanaovana ampihimamba ny varotra aty amin' ny Ranomasimbe Indianina nandritra ny 20 taona.

British East India Company
Mariky ny East India Company tany amin' ny taona 1700 any ho any.

Ity orionasa ity dia laharana voalohany tamin' ny orinasa eorôpeana niorina tamin' ny taonjato faha-17 mba hanafihana sy hakana an' i India Atsinanana sy hanjakazaka amin' ny fanaovana raharaham-barotra amin' i Azia, izay nifaninana tamin' ny Vereenigde Oostindische Compagnie ("Orinasa Hôlandein' i India Atsinanana"), ary nisongona ny Compagnie française des Indes orientales ("Orinasa Frantsain' i India Atsinanana") izay rava tamin' ny fakàny ny fananan' ity orinasa ity any India, sady tafavoaka tamin' ny fahasahiranana ara-bola lehibe. Nandray anjara betsaka tamin' ny fitsanganan' ny Empira Britanika izy.

Lasa orinasa ara-barotra matanjaka indrindra tamin' ny androny ny British East India Company ary nahazo ny fahefana ara-miaramila sy ara-pitantanan-draharaha amin' ny fitantanana ny fari-tany indiana midadasika. Voadona mafy tamin' ny fivoarana ara-toekarena sy ara-pôlitika tamin' ny taonjato faha-19 izy ka nihena tsikelikely ny tanjany ary rava tamin' ny taona 1858 taorian' ny fikomian' ny sepôy (miaramila indiana niasa tao amin' ny tafiky ny firenena tandrefa).

Avy any amin' ny foibeny any Lôndra, dia nipaka hatrany amin' ny kôntinenta rehetra ny heriny: izy dia nitarika ny famoronana an' i India Britanika (Brtish Indies) sy ny Raj Britanika, nanorina an' i Hong Kong sy i Singaporo, nampiely ny fambolena dite tany India sy ny fampiasana ny rongony opium tany Sina, nitazona an' i Napoléon ho babo tao Saint Helena, ary nandray anjara mivantana tamin' ny Boston Tea Party izay nanombohan' ny ady ho an' ny fahaleovantenan' i Etazonia.

Fanamarihana

Tags:

Azia Atsimo-AtsinananaAzia AtsinananaElizabeth I an'i AngleteraRanomasimbe IndianaZana-Kôntinenta Indiana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Mpisolo manontanyEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Zanahary (finoan-drazana malagasy)Afrika AfovoanyZanatanin' i Madagasikara sy ny tany miankinaHavatsa-UPEM28 DesambraFokom-pirenen' i SimeônaFokom-pirenen' i AseraFanahy23 AprilyASalamo faha-42SihanakaVintana (finoan-drazana malagasy)TsinyTorkmenistànaMpampiankinaOram-panalaFanekem-pinoana atanazianaEpistily ho an' ny RômanaFrank ZappaTetiandro gregôrianaFiteny espaniôlaBokin' ny GenesisyThomas LamSôdômaHolger StanislawskiIsmaelaFiangonana Ara-Pilazantsara eto MadagasikaraStridônaElefantaDavida (mpanjaka)Ambrôsio avy any MilanoAndry RajoelinaHaifisaina sy hetsi-poWikipediaBôtsoanaVelirano1900Mickey MouseAmbohimangaMelody Time1860Gregor MendelFaritany eto MadagasikaraPôlitika eto MadagasikaraTantaran' i MadagasikaraAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaLahatra (finoana malagasy)Toetanin-jana-pehin-tanyISO 3166-1Anjara (finoana)JAsa AkiraFiteny frantsayAviavyRepoblika Demôkratikan' i KôngôHans Holbein le JeuneAogostino avy any HipônaFiteny maanianyFiteny indônezianaZivaMpisolo tena (fitsipiteny)BaibolyHasinaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)IslandyLaharam-pehintanyFahavaratraVoanihoHiragasyRepoblika Fahefatra (Madagasikara)🡆 More