Anjelin' Ny Tompo

Ny anjelin' ny Tompo na anjelin' i Iahveh na anjelin' i Jehovah dia zava-manana aina avy any an-danitra miseho matetika ao amin' ny Baiboly hebreo (Tanakh) amin' ny anaran' Andriamanitra.

Amin' ny teny hebreo dia atao hoe מַלְאַךְ יְהוָה / malakh YHWH (na malakh IHVH) izy. Ao amin' ny Baiboly katolika amin' ny teny malagasy dia adika hoe "anjelin' ny Tompo" io andian-teny io, fa ao amin' ny Baiboly protestanta amin' ny teny malagasy dia matetika mandika azy amin' ny hoe "anjelin' i Jehovah".

Anjelin' Ny Tompo
Miseho amin'i Hagara ao an-tany efitra ny Anjelin'ny Tompo, sary nataon'i Nicolas Colombel (1644-1717).

Ao amin' ny Testamenta Taloha

Ny andian-teny hoe malakh YHWH izay miseho in-65 ao amin' ny Baiboly hebreo. Ny Septoajinta (Baiboly jiosy amin' ny teny grika) dia mandika azy matetika amin' ny hoe ἄγγελος Κυρίου / angelos Kurίou ("anjelin' ny Tompo"), ary indraindray amin' ny hoe ὁ ἄγγελος Κυρίου / o angelos Kuriou ("ny anjelin' ny Tompo"): ao amin' ny Genesisy 16.7-11 izay isehoan' io andian-teny io voalohany dia tsy ahitana mpanoritra grika, avy eo amin' ny fisehoany manaraka rehetra dia miaraka amin'ny mpanoritra hatrany izy. Ny andian-teny mifadray akaiky amin' ny hoe "anjelin'Andriamanitra" (hebreo: malakh 'Elohim) dia miseho in-12 ka ny roa amin'ny filaza maro (hebreo: melakhim 'Elohim). Misy koa ilay fitenenana hoe "anjelin'ny Fanatrehany" izay hita ao amin'ny Isaia 63.9.

Anjelin' ny Tompo na Anjelin' i Jehovah na Anjelin' i Iahve

Ireto misy ohatra ao amin' ny Testamenta Taloha ahitana ny hoe "Anjelin' ny Tompo" na "Anjelin' i Jehovah":

Ao amin'ny Penteteoka

  • Genesisy/Jenezy 16:7–14. Niseho tamin'i Hagara na Agara ny anjelin'ny Tompo. Niteny tahaka an'Andriamanitra tamin'ny fampiasana entimilaza mifandraika amin'ny mpisolo tena volalohany ilay anjely, ary ao amin'ny andininy faha-13 dia nampitovy "ny Tompo izay niteny taminy" amin'ny "ilay Andriamanitra izay nahita ahy".
  • Genesisy/Jenezy 22:11–15. Niseho tamin'i Abrahama ny anjelin'ny Tompo ary manondro an'Andriamanitra amin'ny fampiasana entimilaza sy lazaina mifandraika amin'ny mpisolo tena voalohany.
  • Eksodosy/Eksaody 3:2–4. Niseho tamin'i Mosesy ny anjelin'ny Tompo tao amin'ny afo araka ny andininy faha-2, ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy avy ao anaty afo ao amin'ny andininy faha-4.
  • Nomery/Fanisana 22:22–38. Nifanena tamin'ny mpaminany Balaama teny an-dalana ny anjelin'ny Tompo. Ao amin'ny andininy faha-38 dia ampitovizin'i Balaama amin'ny mpitatitra ny tenin'Andriamanitra ilay anjely niteny taminy.

Ao amin' ireo "boky ara-tantara"

  • Mpitsara 2:1–3. Niseho tamin'i Israely ny anjelin'ny Tompo.
  • Mpitsara 6:11–23. Niseho tamin'i Gideona ny anjelin'ny Tompo, ary ao amin'ny andininy faha-22 dia natahotra ny ainy i Gideona satria nifahatri-tava amin'ny anjelin'Andriamanitra.
  • Mpitsara 13:3–22. Niseho tamin'i Manoa sy ny vadiny ny anjelin'ny Tompo ary, ao amin'ny andininy faha-16, niteny tamin'izy ireo mba ho amin'ny Tompo no hanonorany fanatitra ("Ary ny anjelin'ny Tompo niteny tamin'i Manoa [...] raha te hanolotra fanatitra dorana ianareo dia tsy maintsy manolotra izany amin'ny Tompo. Fa i Manoa kosa tsy nahalala hoe anjelin'ny Tompo izy"). Taty aoriana dia nihevitra i Manoa sy ny vadiny fa ho faty satria "nahita an'Andriamanitra" .

Ao amin' ny bokin' ny mpaminany

  • Zakaria 1:12. Ny anjelin'ny Tompo nangataka mba hamindra fo amin' i Jerosalema sy amin'ny tanàna tao Jodà tamin'ny Tompo .
  • Zakaria 3:4. Nanaisotra ny fahotan'ny mpisorombe Josoa ny abjelin'ny Tompo .

Anjelin' Andriamanitra

Ny teny hoe "anjelin'Andriamanitra" dia miseho in-12 ao amin'ny Testameta Taloha. Ireto misy ohatra:

Ao amin' ny Penteteoka

  • Genesisy/Jenezy 31:11. Niantso an'i Jakoba tamin'ny nofy ny anjelin'Andriamanitra ka niteny aminy hoe: "Izaho no Andriamanitr'i Betela".
  • Eksodosy/Eksaody 14:19. Nitarika an'i Israely ny abjelin'Andriamanitra, ary koa nialoha lalana, niaraka tamin'ny andry afo.

Ao amin'ny "boky ara-tantara"

  • Mpitsara 13:9. Nanakaiky ny vadin'i Manoa tao aorian'ny nandrenesan'ny Tompo an'i Manoa.

Anjely alefan' ny Tompo

Ireto koa misy ohatra iresahana ny Tompo "nandefa anjely":

Ao amin' ny Pentateoka

  • Eksodosy/Eksaody 23:20-21. Niteny ny Tompo fa handefa Anjely eo alohan'ny Israelilta, ary nampitandrina azy ireo mba hankato ny feon'ny Anjely, ary fa tsy handefitra ny tsy fanajana izany" satria miaraka aminy ny anaran'ny Tompo.
  • Eksodosy/Eksaody 33:2. Nilaza Andriamanitra fa handefa anjely hialoha an'i Israely, ary hitarika ny Kanaanita, ny Amorita, ny Hitita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita any ivelany.
  • Nomery/Fanisana 20:16. Nandefa anjely ny Tompo ka nitondra ny vahoakan'i Israely avy ao Ejipta.
Anjelin' Ny Tompo 
Miteny amin'Andriamanitra amin'ny anaran'ny vahoaka i Davida mba hampitsahatra ny vay (1Tantara 21), sary sokitra nataon'i Julius Schnorr von Karolsfeld, 1860.

Ao amin' ny boky ara-tantara

  • 1Tantara 21:15. Nandefa anjely Andriamanitra handrava an'i Jerosalema, nefa nanenina sady nilaza tamin'ilay anjely mba hihazona ny tanany .
  • 2Tantara 32:21. Nandefa anjely ny Tompo, izay nanapaka ny lehilahy mahery rehetra sy ny mpitarika ary ny kapiteny tao amin'ny lasin'ny mpanjakan'i Asiria.

Ao amin' ny Testamenta Vaovao

Ao amin'ny Testamenta Vaovao dia miseho matetika ny hoe "anjelin'ny Tompo" (grika: ἄγγελος Κυρίου / angelos Kuriou), indray mandeha monja ao amin'ny Evanjelin'i Lioka (Lioka 1.11-19) izay manondro ny anjely Gabriela.

Anjelin' ny Tompo

Ao amin' ny Filazantsdara

Matio 1:20

Matio 1:24

Matio 2:13

Matio 2:19

Matio 28:2;

Lioka 1:11 (jereo Lioka 1:19)

Lioka 2:9

Joany 5:4

Ao amin'ny Asan'ny Apostoly

Asa 5:19

Asa 8:26

Asa 12:7

Asa 12:23

Anjeliny

Asa 12:11

Apôkalipsy 22:6

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Anjelin' Ny Tompo Ao amin ny Testamenta TalohaAnjelin' Ny Tompo Ao amin ny Testamenta VaovaoAnjelin' Ny Tompo Jereo koaAnjelin' Ny Tompo Loharano sy fanamarihanaAnjelin' Ny TompoBaiboly hebreoBaiboly katolika amin'ny teny malagasyBaiboly protestanta amin'ny teny malagasyTeny hebreo

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

11Salamo faha-22SihanakaPaska jiosyFanagasianaAdijadyPôliteismaBangladesy68TFanandroana malagasyFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraLee Daniel CrockerPôlineziaNadia ComăneciGeorge Seaton25Christopher WrenFromazyRanomasin'i ArabiaAustin, TexasMadagasikaraGetsemaneSanandajJunqanSSantiagoGabriel García Márquez17 FebroaryMisiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraTendrombohitra GarizimaFiteny hongariana7AndrianampoinimerinaAndriamisaraRepoblika Demôkratikan' i KôngôTsỳSora-tsikidy malagasyTambajotra sôsialyMasqatAdrian WinterFampakaram-badyElefanta afrikaninaLahatraRy Tanindrazanay malala ôFatranaÔksizeninaGMatoantenyLuccianaMakoa (malagasy)19571918Seha-pihariana voalohanyKapila matezaFanjakan' ImerinaJapànaFiolonanaAntankaranaJoseph LecornuKataraParisy21Mary CassattFiarakaretsakaFirenena an-dalam-pandrosoana19889812007180076Fiteny araboLambres-lez-DouaiJonathan Frakes🡆 More