Ny Asan' ny Apôstôly dia boky fahadimy ao amin' ny Testamenta Vaovao, izay mitantara ny fiainan' ny fiangonana kristiana tany am-piandohana.
Tohin' ny Filazantsara araka an' i Lioka ity boky ity. Mitantara ny fanatanterahan' ny Apôstôly ny iraka nampanaovin' i Jesoa (na Jesoa) azy ireo hitory ny Vaovao mahafaly ao amin' ny Jiosy (na Jody) sy amin' ny firenena jentilisa na jentily (Asa 1.8) ho lasa zanak' Andriamanitra io boky io. Mitantara koa ny fifandirana nisy teo amin' ny Jiosy tsy kristiana sy ireo Kristiana ny amin' i Jesoa ny Asan' ny Apôstôly (Asa 4.1-31; 7.1-59). Ny Fanahin' Andriamanitra no hitarika azy ireo hitory ny Vaovao mahafalin' i Jesoa amin' ny firenena rehetra. I Paoly, izay tsy isan' ireo Apôstôly roa ambin' ny folo, no tantaraina ao amin' ny Asan' ny Apôstôly fa nafana fo indrindra tamin' ny fitoriana ny Vaovao mahafaly taorian' ny niovany fo avy amin' ny fivavahana jiosy ho amin' ny fanarahana an' i Kristy. Misy toko 28 ity boky ity.
Πράξεις των Αποστόλων / Prakseis tôn Apostolôn ny anaran' ny Asan' ny Apôstôly amin' ny teny grika, fa Actus Apostolorum kosa amin' ny teny latina.
Teo anelanelan' ny taona 60 sy 100 no nanoratana azy. Eo anelanelan' ireo Filazantsara sy ireo Epistily no misy azy. Ny nanoratra ny Filazantsara araka an' i Lioka ihany no nanoratra ny Asan' ny Apôstôly.
Azo zaraina fatra ny Asan' ny Apôstôly:
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Asan' ny Apôstôly, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.