Ny fiteny polaara dia karazana ao amin' ny fiteny folany, ampiasain' ny vahoaka Folany, indrindra any Senegaly, any Ginea, any Ginea-Bisao, any Gambia, any Maly ary any Maoritania.
Ny fiteny polaara dia tenenin' ny sokajin-taona rehetra, amin' ny ankamaroan' ny sehatra. Miteny frantsay sy diôla-fôny ihany koa ny sasany amin' ireo mpiteny polaara ireo. Io fiteny io koa dia ampiasain' ny mpiteny gosilay, mlômpo, saafy, soninke ary kôniagy ho fiteny faharoa.
Fiteny voalohan' ny vahoaka Folany sy Tokolera ao amin' ny lohasahan' ny ony Sénégal, izay fantatra amin' ny anarana hoe Futa Tooro, ary any atsimo sy atsinanana, ny fiteny polaara. Mipetraka any Senegaly, any Maoritania, any Gambia, ary any amin' ny tapany andrefan' i Maly ny mpiteny polaara. Ny mpiteny polaara roa lehibe dia ny vahoaka Tokolera sy Folany.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Polaara (fiteny), which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.