Pigmea

Ny Pigmea dia vahoaka ahitana foko maro samihafa ao amin' ny alam-pehiben-tany ao Afrika.

Ny teny hoe pigmea dia fanagasiana ny teny grika hoe pugmaîos, izay midka hoe "mirefy iray hakiho". Ny salan-kalavan' ny lehilahy pigmea tokoa dia 1,52 m.

Pigmea

Ny fiaviany sy ny faritra ahitana azy

Ny fiavian' ny Pigmea

Mivelona amin' ny fihazana sy ny fakana taovan-javamaniry anaty ala ny Pigmea izay nonina tao amn' ireo faritra be ala talohan' ny fahatongavan' ny Banto mpamboly tamin' ny fiantombohan' ny taonjato voalohany.

Faritra misy azy ao Afrika

Ankehitriny dia miisa eo anelanelan’ny 100 000 sy 200 000 ny Pigmea, ka ao amin' ny Repoblikan' i Afrika Afovoany, ao Gabôna, ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô (Zaira taloha) ary ao Roanda no firenena ahitana azy ireo. Monina ao amin' ny ala manakaiky ireo tanàna madinika onenan' ny mpamboly izy ireo ary manao fifanakalozana amin' ny mponina hafa (biby haza na voankazo sy fakan-javamaniry fihinana atakalo fitaovana ilaina amin' ny fiainana andavanandro, sns).

Ny fiarahamonina pigmea

Ny fiarahamonin' ny samy Pigmea

Tsy manana fiteny azy manokana ny Pigmea fa miteny amin' ny fitenin' ny mponina mifanolo-bodirindrina aminy. Manana ny anaram-pokony manokana anefa izy ireo isam-paritra, ka ny Aka (Akka) sy ny Mboty (Mbuti) no ao amin' ny alan' i Ituri ao Zaira, ny Toà (Twa) ny ao Roanda. Mitsitokotoko ho olona telopolo any ho any izy ireo ary manambady tokana fa tsy mampirafy. Miara-mihaza ny olona maromaro miaraka ka ny mpihaza mahay indrindra no mitarika.

Ny fiaraha-miaina amin' ny mponina hafa

Ny fahapotehan' ny ala sy ny fanosehan' ny mponina hafa azy ireo dia mahatonga ny Pigmea lasa miara-belona amin' ny mpamboly, izay manao tsinontsinona sady mampanompo azy ireo. Ny sasany, ohatra, dia manao taozavatra amin' ny tanimanga, ny sasany mpandihy, ny sasany mpampihomehy. Ireo Pigmea ao Roanda (ny Toà) dia noheverin' ny Hoto sy ny Totsy ho ambany firazanana.

Mihena isa ny Pigmea

Mihena isa ny Pigmea noho ny aretina (indrindra ny aretin' ny avokavoka) sy ny tsy fahafaha-mifindrafindra monina intsony ary ny fanambadian' ny vehivavy pigmea amin' ny lehilahy banto.

Jereo koa

Tags:

Pigmea Ny fiaviany sy ny faritra ahitana azyPigmea Ny fiarahamonina pigmeaPigmea Jereo koaPigmeaAfrikaFiteny grika

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

LalànaPakistànaTendryToekaren' i MadagasikaraPeteraSakramentan' ny filaharanaFanalana faditraFiteny soedoàTsirintenyAndriamaneloGanàFiangonana Pentekotista Mitambatra (Madagasikara)VyAntankarana1700Fiteny kazàkaATenim-pinoanaMeksikaRepoblika Malagasy1971Filazantsara araka an' i MatioFaritra AnosyFokom-pirenen' i Robena2 DesambraJean-Joseph RabeariveloFanafody2020Fokom-pirenen' i AseraSôdôma sy GômôraBetsimisarakaEpistily ho an' ny RômanaAdaoroSambatraVanin-tenyBibilavaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Liste des indicatifs téléphoniques internationaux par paysVy Vato SakelikaTorkiaPapaAljeriaFiteny antandroyPaiso (voany)Alan TuringBootzheimAmbaliha (Ambanja)DrônaMetodismaKônfirmasiônaSandam-bolaPio XRadama IIFaritra Atsimo-AndrefanaFanahy MasinaTanyZafimaniryFanekem-pinoana atanaziana1862AntemoroRafi-pitantanam-piangonanaDidy FoloApôstôly roa ambin' ny foloWikipedia23 AprilyJiosyHasinaJohann Balthasar NeumannSoavalyAkohoMounir Aziz Daoud🡆 More