Vahoaka Toà

Ny Toà dia vahoaka monina ao amin' ny faritry ny Farihy Lehibe ao Afrika, anisan' ny atao hoe Pigmea, izay fantatra amin' ny hakely sy ny hafohin' ny tenany.

Izy ireo no heverina fa mponina tranainy indrindra ao amin' io faritra io. Ankehitriny dia ao Roanda, ao Borondy, ao Oganda ary amin' ny faritra atsinanana amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô no ahitana azy ireo betsaka. Ahitana olona mitovitovy amin' ny Toà koa ny ao amin' ny alan' ny Lemak' i Congo (ny Môngô sy ny Mboty), toy izany koa ny any Angôla, Namibia, Zambia, Malaoy, ary Bôtsoana.

Vahoaka Toà
Toà ao Oganda
Vahoaka Toà
Ny faritra ao Afrika misy ny Toà (miloko maitso)

Tamin' ny taona 2000 dia tombanana eo anelanelan' ny 70 000 sy 87 000 ny isan' ny Toà, izay miparitaka amin' ny velaran-tany mirefy 100 000 km² any ho any. Vitsy anisa ny Toà raha mitaha amin' ny mponina hafa amin' ny firenena rehetra misy azy ireo (eo anelanelan' ny 0,02 sy 0,7 %). Iharan' ny fanilihana izy ireo na amin' ny lafiny ara-pôlitika na ara-toekarena, ary tsy afaka manohitra firy ny fanavakavahana mahazo azy ireo.

Jereo koa

Tags:

AfrikaAngôlaBorondyBôtsoanaFarihy Lehibe (Afrika)MalaoyNamibiaOgandaPigmeaRepoblika Demôkratikan' i KôngôRoandaZambia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Christopher McQuarrie854KharkivFBokin' i Isaia3741Kalandrie persanaZAntesakaJohn Fitzgerald KennedyBangladesyGuiyangAnjara (finoana)VintanaNadia ComăneciTarika matoantenyFilazantsara araka an' i Joany1942MiosJodaismaMarsa (fajiry)17 Febroary192860Christopher NolanSakalava51P1892LuccianaPapa16501990MRaipur, ChhattisgarhAlbania1949197288GujaratRaGazy karbonikaFebroaryRepoblika Demôkratikan' i KôngôWikiRôma1992Liste des indicatifs téléphoniques internationaux par paysMary Cassatt1981Jules VerneDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)BaibolyLoveland, ColoradoDidy FoloFivavahan-drazana malagasyJaisalmerAndrianampoinimerinaPhiladelphiaZafisoroRastafarismaRanomasin'i LigoriaKôrea AtsimoFiteny kikôngô1953William Rowan HamiltonLee Daniel CrockerTempoly FaharoaLansing, MichiganGottfried Wilhelm LeibnizAleksandra Lehibe62KolikolyFanavakavahanaMerneptà🡆 More