Maily

Ny maily iraisam-pirenena, antsoina koa hoe maily (avy amin'ny teny anglisy mile) dia halava iray izay mirefy 1 609,344 m.

io refy io dia ampiasaina any Etazonia, any amin'ny Fanjakana Mitambatra ary any amin'ny firenena hafa maro ao amin'i Commonwealth. Anisan'ny refy imperialy ny maily.

Sary:A87-Takelaka nosin'i Kyle.jpg
Takelaka izay manoro ny tanàna ary ny halavirany amin'ny alalan'ny maily

Ny maily iraisam-pirenena dia samihafa amin'ny maily amerikanina. Ny maily amerikanina dia mirefy 1 609,347 metatra.

Fihavian'ny anarana

Ny teny maily dia avy amin'ny fiteny anglisy taloha mil izay avy amin'ny teny latina millia midika arivo. Ny teny anglisy mile dia avy amin'ny teny latina mille passuum (dingana arivo), anefa any amin'ny faritra hafa an'i Eoropa, ny teny mile (meile amin'ny fiteny alemana, mijl amin'ny fiteny neerlandey), dia avy amin'ny teny latian miliarium spatium (elanelana arivo).

Maily 
Ireo maily sy ligy ara-tantara avy amina boky alemana tamin'ny 1848

Maily romana

Ny romana dia ny voalohany indrindra ny mampiasa ny refy handrefesana ny halavana lehibe izay nantsoiny hoe mille passuum (ara-tsratra dingana arivo amin'ny fiteny latina. Ny maily romana dia mirefy dingana arivo na tongotra (feet) dimy arivo, izany hoe eo amin'ny 1 479 metatra eo ho eo. Io refy io, izay antsoina ankehitriny hoe Maily romana dia nihatra eraky ny Fanjakambe Romana, miampy fanovana madinika mba hampiady azy amin'ny refy miasa eo amin'ny an-toerana.

Maily ara-tantara tao amin'ny tontolo arabo ary tao Eoropa

  • Ny refin'ny maily arabo dia nampaisain'ny jeografa mozilmana ary mirefy eo amin'ny 1 925 metatra eo ho eo.
  • Ny maily danisy dia mirefy tongotra danisy 24 000 na 7 532 metatra. Tsindraindray atao ho fito faingo dimy kilometatra ny refiny ; izany hoe mitovy amin'ny Meile alemana.
  • Ny Meile alemana dia mirefy tongotra alemana efatra arivo sy roa alina ; izany hoe enina ambin'ny valopolo sy dimanjato sy fito arivo (7 586) metatra any Aotrisy na 7532 metatra any Alemaina avaratra. Misy koa ny antsoina hoe geographische Meile izay mirefy iray ampan'ny dimy ambin'ny folo (1/15) degren-daharam-pehintany.
  • Ny milha portogey dia refy nampaiasaina tany Portogaly ary Brazila talohan'ny fampiasana ny metatra. Ny halavany dia 2 087,3 metatra.
  • Ny milja rosiana dia mirefy 7,468 km.

Jereo koa

Tsiahy

Maily 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

Maily Fihavianny anaranaMaily romanaMaily ara-tantara tao aminny tontolo arabo ary tao EoropaMaily Jereo koaMailyMetatra

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Tongolo gasyPaskaMasoandroSambatraAbrahama (patriarka)1940Liga araboBielôrosiaJiosyFikambanana Iraisam-pirenena ny FrankôfôniaKolontsaina malagasySinemaFokom-pirenen' i AseraAngatra (aretina)BetsileoZafisoroRanavalona IIIFilazam-potoana hoavyKalandrie GregorianaSamsônaGovernemantaNizeriàLionaAndriamanitra (tokana)IslandyLisitry ny teny ampiasaina amin' ny haitenyRonald ReaganBetsimisarakaSalamo faha-42IsmaelaRanavalona IIToyotaEjiptaVoatabiaGanàFokom-pirenen' i LevyTetiandro litorjikan'ny Eglizy katôlikaZanahary (finoan-drazana malagasy)Fanabeazana aizana1188VyParisyAntemoroGoogleMôsikaoJean-Joseph RabeariveloFaritra Atsimo-AtsinananaFiteny kazàkaFahaleovantenaJeôlôjiaPio XHolger StanislawskiAviavyFilazam-potoana (fitsipiteny)Current eventsFahafatesanaHiram-pirenenaJobilyMpisolo manontanyFameno (fitsipiteny)AljeriaFokom-pirenen' i IsraelyMpisolo manondroFiteny espaniôlaAndron'ny TanyArintany🡆 More