Sorona Masina

Ny sorona masina na lamesa dia fotoam-pivavahana kristiana izay anatanterahan' ny pretra ny fankalazana ny soron' ny eokaristia izay famerenana indray ny sorom-panavotana nataon' i Jesoa Kristy.

Io no vovonana fara tampon' ny litorjia kristiana, indrindra ao amin' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa.

Sorona Masina
Ny apa Paoly VI manao lamesa

Ny lamesa katôlika

Ny Boky fanaovan-damesa

Ho fantarintsika izao ny tantaran' ny boky fanaovan-damesa (Missel) sy fanompoam-pivavahana katôlika.

Tany am-piandohan' ny Eglizy

Noho ny tsy mbola nitovizan' ny fombam-pivavahana, noho ny antony maro sy ny toa samy fahaleovantenan' ny Eglizy eo ambany fitarihan' ny eveka tsirairay dia tsy mbola nisy ny boky iraisana, mitarika ny litorjia iombonana. Samy nanana ny vavaka fampiasany ny eveka, eny fa na ny vavaka eokaristika aza. Nanana ny azy ohatra i Md Ambroazy tany Milano. Nisy koa ny fomba fivavaka latinina notahafina tamin' ny fanao bizanitinina, sns.

Tamin' ny Andro Antenatenany

Mbola boky maro no indray ampiasaina rehefa manatontosa fanopoam-pivavahana ny Eglizy. Tsy mbola mitambatra anaty boky tokana, tahaka ny ananantsika ankehitriny io "Missale plenum" io, ny karazam-bavaka samihafa. Efatra ny boky indray ampiasaina:

  • Sakramantera: misy ny vavaka samihafa (fangatahana, fanolorana, komonio) ary ny Canon (vavaka eokaristika).
  • Evanjeliera: boky mirakitra ny Evanjely famaky amin' ny litorjia.
  • Epistôliera: boky misy ireo vakiteny nalaina tamin' ny Testamenta Vaovao.
  • Gradoaly: boky mirakitra ireo valin-kira asetrin' ny mpiangona ny mpitarika, misy hira koa io ka antsoina hoe "antiphonaire".

Tapany voalohany tamin' ny Taonjato faha-12

Ry zareo relijiozy fransiskanina dia efa namboatra missel mitambatra fa natao hampiasain' izy ireo ihany. Fantatry ny Papa io ary niaiky ny hatsarany ny Papa Gregoara IX. Naniry ny hampiasan' ny Eglizy rehetra eran-tany ilay Missel namboarin' ny Fransiskanina ny Papa. Hany ka tamin' ny taona 1227 dia naeilin' ny Papa Nikôlà III ny fampiasana io Missel miray vitan' ny Fransiskanina io. Ny Diôsezin' i Rôma manontolo aloha no nampiharana ny fampielezana.

Andron' ny fanontana printy

Sorona Masina 

Hatramin' ny nahavitan' i Gutenberg ny soratra lohavy afaka ovaovaina voalohany tamin' ny taona 1439 dia mora ny fanaovana dikamitovy ny boky tiana havoaka maro. Natonta printy io Missel miray vitan' ny Fransiskanina io ka nivoaka ny boky vita printy ny taona 1690. Mbola nandray ampahany fotsiny tamin' io aloha ny maro fa mbola te-hitazona ny fomba fivavaka mahazatra isaky ny diôseziny.

Fanapahankevitra tany Trente

Tamin' ny Kônsily tao Trente ny papa Pio IV no nanambara ny hanaovana Missel iraisan' ny Eglizy latinina. Miainga avy amin4 ny Foibe Apôstôlika ny hevitra ny ny famolavolana io Missel io. Tsapa mantsy ny fahombiazan' ilay boky tokana efa nataon' ny Fransiskanina. Handray andraikitra hanatsara ny Eglizy foibe. Hevitra ihany ny an' i Pio IV fa ny dimbiny Pio V no tena nanao ny asa. Araka izany dia vita ny Missel hampiasain' ny Eglizy latinina rehetra, navoaka tamin' ilay bulle Quo Primum, tamin' ny 14 Jolay 1570.

Taonjato faha-17 hatramin' ny 1960

Tamin' ny 7 Jolay 1604 dia namoaka Missel vaovao koa ny papa Clément VIII. Ny Missel tamin' ny Kônsily tao Trente ihany no nohatsaraina sy nampiana. Nivoaka ho boky lasitra halain-tahaka io tamin’ny 2 Septambra 1634.

Arakaraky ny fahatsapana ny vokatra ara-panahy eo amin' ny mpino (sensus fidei) moa dia mandanjalanja ny Eglizy. Nohatsarain' ny Papa Léon XIII sy nampiany indray io Missel teo aloha io tamin' ny 1884. Ity nasiam-panitsiana sy fanavaozana ity dia navoaka ho boky halain-tahaka indray manerana ny Eglizy latinina.

Fony ny Papa Pio X no nitondra ny Eglizy dia nanao fanamboarana sy fanitsiana koa izy mba hahalavorary kokoa ny Missel, mba hifanentana amin' ny tontolom-piainan' ny olona ara-batana sy ara-panahy tamin' izany andro izany. Mbola tsy vita ny asa no nodimandry izy ka notohizan' ny Papa Benoà XV ny asa efa natomboka. Vita ny fanitsiana sy ny fanavaozana. Ny tanjon' ny Papa Pio X dia mba hesorina izay tsy mifanaraka amin' ny vanimpotoana intsony, ary hampiana sy hotovanana zava-baovao kosa ny boky manaraka. Vita ny asa ka navoaka tamin' ny 25 Jolay 1920.

Tamin' ny andron' ny Papa Pio XII, dia nisy koa ny fiverenana nandinika ity Missel navelan' ny Papa Benoà XV ity. Nanao fanitsiana ny Papa Pio XII tamin' ny taona 1955. Ny nokitihina indrindra dia ny momba ny Herinandro Masina. Novaina kely. Ny Ora anaovana ny Sabotsy Masina dia novaina ho hariva (alina) fa tsy maraina tahaka ny hatramin' izay intsony. Hatreo no nahazoantsika ny fiaretantory amin'ny Alin' ny Paka. Na tsy mbola vita ny boky dia efa nampiharina ny fanavaozana. Mbola mitohy ny fanavaozana ary taoriana kelin' io vao tena nivoaka ny Boky.

Ny fanovana nentin' ny Papa Joany 23

Tamin' ny taona 1960, nofoanana tamin' ny litorjian' ny Zoma Masina ny "Aoka isika hivavaka" amin' ny vavaka fangatahana. Nofoanana koa ilay fomba fanao ela fanevatevana ny Jody (pro perfidis Judaeis).

Tamin' ny taona 1962, navoakan' ny Papa Joany XXIII ny boky  ôfisialy natao halain-tahaka, dia ilay boky araka ny fikasam-panavaozan' i Pio XII. Natao ho boky lasitra halain-tahaka eran' ny Eglizy latinina io Missel io. Fa iray taona talohan' io, ny 1961 dia efa nivoaka sahady ny Breviera nohavaozina, mifandray amin' ny fanovana ny Missel. Tamin' ny 13 Nôvambra 1962 koa no nampidirin' ny Papa Joany XXIII tao amin' ny Kanôna Rômanina ny anaran' i Md Jôsefa, tamin' ny didy Novis hisce temporibus.

Fanavaozana nentin' ny Kônsily Vatikanina II (1962-1954).

Sorona Masina 
Fivoriam-be nandritra ny Kôsily Vatikàna II

Nanana faniriana sy hetaheta hanavao ny litorjia latinina ireo eveka tafavory tao amin' ny Kônsily, miray fo amin' ny Papa Joany XXIII. Nivoaka ny Lalampanorenana Sacrosanctum Concilium. Izao ny anisan' ny tena manan-daja: ovaina izay tokony hovaina amin' ny Missel; esorina izay miverimberina nafe tsy ilaina loatra; tazonina ho teny ampiasaina amin' ny litorjia ny teny latinina kanefa raha mahasoa kokoa dia ampiasaina ny tenin-drazana eo an-toerana; ampandraisana anjara bebe kokoa ny mpino mba tsy ho mpijery fampisehona fotsiny; tsorina ny fankalazana (tsy hoe hamaivanina). (Jr. SC 34; 36; 48).

Taona 1965

7 Marsa 1965

Nivoaka ny "Missel Romain" izay sady amin' ny teny frantsay no amin' ny teny latinina. Tsy mbola boky tokana anefa fa misy andiany 3. Nofoanana tao amin' ny Missel ilay Salamo faha-42 fanao amin' ny fidiran' ny pretra eo amin' ny Ôtely. Tapaka koa fa hiraina ny Pater ("Rainay any an-danitra"), "Vatan' i Kristy" fotsiny no tononin' ny pretra rehefa miazara komonio fa tsy ny fomba lava taloha. Tsy atao intsony manomboka hatreo ny famakiana ny Evanjely farany isaky ny lamesa: Joany 1:1-14.

Papa Paoly VI, Lalàm-panorenana Apôstôlika

Tamin' ny 3 Avrily 1969 no namoahan' ny Papa Paoly VI ny Lalam-panorenana Apôstôlika Missale Romanum amoahana ny Boky Romanina fanaovana Sorona Masina.

Sorona Masina 
Missale Romanum

Fanitsiana matetika taty aoriana

  • 1970: nivoaka ny boky voalohany natao halain-tahaka. (Missale Romanum).
  • 1975: nisy fanitsiana ka Nivoaka ny boky faharoa natao halain-tahaka. (Missale Romanum).
  • 2000: nisy fanitsiana nataon’ny Papa Joany Paoly II ka nivoaka indray ny boky fahatelo natao halain-tahaka (Missale Romanum).
  • 20 Marsa 2001: Didy nalefa amin' ny Fivondronamben' ny Eveka eran-tany mba samy hanitsy ny dikanteny amin' ny Missel teo aloha amin' ny tenindrazana efa any amin' ny fireneny avy. Ny dikanteny amin' ny boky halain-tahaka amin' ny teny latinina mihitsy (2000) no hitarafana ny dikanteny vaovao, mba hitovy amin' ny ambaran' ity boky vaovao ity amin' ny teny latinina ny dikateny miasa.
  • 2002: Nivoaka koa ny boky fahaefatra halain-tahaka.
  • 2007: Ny Papa Benoà XVI, tamin' ny Muto Proprio Summorum Pontificum, milaza fa samy azo ampiasaina ara-dalàna indray hatreto na ny Missel nahitsin' ny Papa Joany Paoly II na ny MIssel navoakan' ny Papa Joany XXIII tamin' ny 1962 vokatry ny fanitsiana nataon' ny Papa Pio XII. Ny tena tsinjovin' ny Papa Benoà XVI dia ny kristinina mbola miraiki-po amin' ny lamesa talohan' ny Vatikanina Faharoa. Manaraka ity Missel ity ry zareo Fraternité Sacerdotale Saint Pierre (FSSP)

Tamin' ny 25 mars 2004 dia nisy ny tahirin-kevitra navoakan' ny Congrégation pour le culte divin et la discipline des sacrements, ao Rôma: Instruction Redemptionis Sacramentum, mikasika ireo zavatra tsy maintsy tandremana sy sorohina momba ny fanaovana lamesa sy ny Eokaristia masina. Be hono no mihoa-pefy manao "abus" na eveka, na pretra, na diakra, na lahika. Voaresaka ao daholo ka enga anie mba samy handinika io isika rehetra.

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Sorona Masina Ny lamesa katôlikaSorona Masina Loharano sy fanamarihanaSorona MasinaEokaristiaJesoa KristyKatôlisismaKristianisma ôrtôdôksaLitorjiaPretra

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

23 Aprily1860LahatraRainisoalamboVondrom-poko1700ElamaMarovatoMpandrindra milinaFrank ZappaFokom-pirenen' i EfraimaJobilySandam-bolaSômaliaGidroKônfirmasiôna11 AprilySaonjoFiangonana Pentekotista Mitambatra (Madagasikara)Anarana1940TanyToyotaAndron'ny TanyFaditraMickey MouseEpifaniaPressyFaritanin' AntananarivoAdolf HitlerKalandrie sinoaZafimaniryFanandroana malagasyTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôVolafotsyEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)BolokyFilôzôfiaMpisolo manondroMalagasy (vahoaka)TalataLouis XVIAmbaliha (Ambanja)Mpampiankina fehezankevitraLibànaFilazam-potoana (fitsipiteny)Vintana (finoan-drazana malagasy)Marc RavalomananaFiangonana zandrinyMohamadyAndry RajoelinaFiteny antandroyRepoblika Demokratika MalagasyPio VFanasan' ny TompoFahafatesanaEmperora CixiSakalavaFitiavan-tanindrazanaNekao IIFokom-pirenen' i IsraelyFiteny pôlôneyPaiso (voany)Baiboly amin' ny teny malagasyVaryLiga araboAdnanitaAdy Lehibe FaharoaSiméon RajaonaSoavaly🡆 More