Pretra

Ny pretra na mpisorona dia lehilahy na vehivavy manao asa fanompoana masina ao amin'ny fivavahana iray sady manatanteraka asa litorjika no mitarika ny lanonana sy fotoam-pivavahana ao amin'ny fanompoam-pivavahana sasany.

Avy amin'ny teny grika hoe πρεσβύτερος / presbýteros izay midika hoe "loholona" ny teny hoe pretra. Ny tena asan'ny pretra dia manatanteraka ny asam-pisoronana. Miandraikitra ny fifandraisan'ny mpino sy ny andriamanitra ivavahany ny pretra, indrindra amin'ny fanatontosana fanompoam-pivavahana sy vavaka sy fisoronana ary zavatra hafa koa ho an'ilay na ireo andriamanitra, ka izany dia atao hahazoan'ny mpivavaka famelan-keloka sy fitahiana ary fanafahana. Ny pretra dia tomponandraikitra miantoka ny fanajana sy ny fitahirizana antsakany sy andavany ny fomba amam-panao ao amin'ny fivavahana.

Pretra
Pretra katolika

Ny mpisorona na pretra tamin'ny Andro Taloha

Pretra 
Sary mivohitra maneho an'i Shedsunefertum, mpisoron-dehiben'i Ptah tao Egipta tamin'ny Andro Taloha.

Ao amin'ireo fivavahana tamin'ny Andro Taloha dia nisy pretra (na mpisorona) ny fivavahan'ny Selta, izay atao hoe droida (frantsay: druide); tany Egipta dia mpisorona eo amin'ny fireneny ny farao (na faraona); tany Grisia dia nisahana asam-paminaniana ny pretra; ary tao Roma dia heverina fa vadin'ny andriamanibavy Vesta ny mpisorona fara tampony (latina: pontifex maximus) misahana ny fahatomombanan'ny fanompoam-pivavahana.

Ny mpisorona ao amin'ny jodaisma

Ao amin'ny lalàna jiosy dia atokana amin'ny asa fanompoana ao amin'ny Tempoly sy amin'ny alitara ny pretra (na mpisorona) izay taranak'i Aarona (ireo mpisorona be) sy avy amin'ny taranak'i Levy (ireo mpisorona madinika). Miandraikitra ny fanaovana sorona sy ny fampianarana ny Lalan'i Mosesy (na Moizy) ary ny fandaminana ny fanompoam-pivavahana ao amin'ny Tempoly (izay ivon'ny fivavahana jiosy) izy ireo. Rehefa rava ny Tempolin'i Jerosalema tamin'ny taona 70 taor. J.K. dia tsy nisy intsony ny mpisorona ao amin'ny jodaisma.

Ny pretra ao amin'ny kristianisma

Ao amin'ny fivavahana kristiana, araka ny Epistily ho an'ny Hebreo, dia i Jesosy no tena mpisorona izay nanatanteraka ny fanelanelanana an' Andriamanitra amin'ny olombelona sady nitondra ny famonjena ho an'ny olombelona.

Pretra 
Pretra katolika amerikana mankalaza ny eokaristia

Ao amin'ny fiangonana katolika sy ny fiangonana ortodoksa ary ny fiangonana anglikana dia misahana ny fisoloan-tena an'i Jesosy Kristy ny pretra, amin'ny alalan'ny fankalazana ny sakramenta, indrindra ny batemy (na batisa) sy ny eokaristia (na fanasana'ny Tompo) ary amin'ny alalan'ny fitondrana ny vahoaka kristiana. Ny ordinasiona (fanokanana) ataon'ny eveka no mametraka ny olona iray eo amin'ny asan'ny pretra. Isan'ny sakramenta izany ordinasiona izany ao amin'ny fiangonana katolika sy ny fiangonana ortodoksa.

Ny teolojia katolika momba ny asam-pisoronana dia nivoatra teo anelanelan'ny Konsily tao Tridentio, izay iheverana fa ny pretra dia manana fahefana hankalaza ny sorona masina (na lamesa), sy ny Konsily Vatikàna II, izay niaiky ny maha mpisorona ny mpino rehetra sady nametraka ny pretra amin'ny asa fanompoana ho an'ny vahoaka kristiana.

Pretra 
Pretra anglikana

Ny fiangonana protestanta dia tsy misy pretra na mpisorona manokana. Mino izy ireo fa ny mpino rehetra dia mpisorona sady tsy mila ny fanelanelanan'ny mpisorona ny fifandraisan'ny mpino amin' Andriamanitra.

Araka ny fomba amam-panao mahazatra hatramin'izay dia natokana ho sahanin'ny lehilahy ny asam-pisoronana, nefa tato ho ato dia maro ireo vehivavy atokana ho pretra ao amin'ny fiangonana anglikana.

Ny pretra ao amin'ny fivavahana hafa

Ny fivavahana silamo dia tsy azo lazaina ho misy asam-pisoronana. Ao amin'ny hindoisma dia misahana fanaterana sorona ny brahmana sady miandraikitra ny fampitana ny foto-pampianarana.

Jereo koa

Tags:

Pretra Ny mpisorona na pretra taminny Andro TalohaPretra Ny mpisorona ao aminny jodaismaPretra Ny pretra ao aminny kristianismaPretra Ny pretra ao aminny fivavahana hafaPretra Jereo koaPretraAndriamanitra (anarana iombonana)Asam-pisoronanaFiteny grikaFivavahanaLitorjia

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

MellacHerinandro MasinaVohitr' andrianaTsiefaSektaGottesheimFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraSafodranoKapreôloZanak' i IsraelyEvekaIsmaelaJari LitmanenDiônisôsyBokin' i JôsoaIndia3 JonaVanimpotoana Fiavian'ny Tompo (katolika)Samuel RatanyFisoronana sy fanalana vintanaSokajin-tenyAfrikana-AmerikanaBaibolyTestamenta VaovaoTovo J'HayEorôpaMadagasikaraAlahasatyFilazantsara araka an' i LiokaSaint-Laurent-la-ConcheJulius ErvingKôlôidaRavalomanana MarcAurangzebAndriamasinavalonaHasinaAsaramanitra (volana malagasy)FamakyWikibolanaUsclas-d'Hérault17 MartsaTantaran' i MadagasikaraAndriamasinavalona (foko)Kabary tera-baoAlakaosyRatsiraka DidierMagic JohnsonZanahary (finoan-drazana malagasy)Tantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôRy Tanindrazanay malala ôAndron'ny Fetin'i PatrisyAnaranaKalandrie litorjika katôlika rômaninaWikipediaZanak' Andriamanitra (maro)AndriantsolyAdriamandazoalaZôdiakaKabary famangianaFrederick BrooksTsirinteny sara-droaFirenena MikambanaLeBron JamesSampan-tenySiméon RajaonaFanjanahantanyAlahamadyAndriamandazoalaTaquara🡆 More