Fivondronan' Ny Fiangonana Batista Biblika Eto Madagasikara

Ny Fivondronan' ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara, izay hafohezina amin' ny hoe FFBBM, dia fiombonan' ireo endriky ny fiangonana batista miorina eto Madagasikara izay isan' ny atao hoe fiangonana protestanta sady ara-pilazantsara.

Na dia efa tonga teto Madagasikara tamin' ny taona 1935 aza ny finoana batista dia tamin' ny taona 1997 no nananganana ny FFBBM ka ny tanjona tamin' izany dia ny hanorenana sy hampandrosoana fiangonana izay sady ara-pilazantsara no mpitahiry ny rakitry ny ela. Tamin' ny taona 2005 dia efatra ireo fiangonana batista mpikambana ao amin' ny FFBBM. Ao Ankadivato Antananarivo ny foibeny.

Tantaran' ny batisma eto Madagasikara

Tonga teto amin' ny Nosy tamin' ny alalan' ny Misiona Biblikan' i Madagasikara tamin' ny taona 1932 ny finoana batista. Ny Misiona Biblikan' i Madagaskara dia nipoitra avy tamin' ny London Missionary Society (LMS). Ilay misiônera anglisy, atao hoe Brinley Evans, sy ny vadiny no nirahina tamin' izany. Ny trano fiangonana batista voaorina voalohany dia ny ao Ankadivato tamin' ny taona 1935, taona izay nanombohan' ny fampielezana ny finoana batista eto Madagasikara. Nody tamin' ny taona 1944 i Brinley Evans mivady. Novana anarana ka natao hoe "Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara" tamin' ny taona 1963 ny fiangonanana najoron' ny Misiona Biblikan' i Madagasikara .

Tamin' ny taona 2006 dia efa nanana fiangonana miisa 55 sy mpino miisa 3 000 izy. Tamin' ny taona 2016 dia nitombo izany ka nahatratra 327 ny isan' ny fiangonana ary 8 902 ny isan' ny mpino. Tamin' ny taona 2020 dia nitombo izany ka nahatratra 421 ny isan' ny fiangonana ary 9 996 ny isan' ny mpino.

Fandaminana

Mahaleo tena amin' ny lafiny rehetra (fitantanana sy fombam-pivavahana) ny fiangonana batista biblika tsirairay isan-toerana, nefa izy rehetra dia miombona ao amin' ny Fivondronan' ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara (FFBBM) tarihin' ny Filan-kevi-pitantanan' ny FFBBM izay miara-mivory in-droa isan-taona miaraka amin' ny solon-tena isam-piangonana. Fidin' ny mpikambana ao amin' ny fiangonana tsirairay ny olona hatao mpitandrina ao amin' ny fiangonany. Nankalaza ny faha-80 taonany ny FFBBM tamin' ny taona 2013. Misy 65 ny fiangonana mikambana ao amin' ny FFBBM. Ny fitambaran' ny mpino rehetra no tompon' ny fahefana amin' ny fampandehanana ny fiangonana ka tsy miavaka loatra ny sokajin' olona atao hoe "mpitondra fiangonana". Izany no atao hoe "kôngregasiônalisma".

Finoany

Ny foto-pinoan' ny batisma eto Madagasikara dia ny fanambarana miorina amin' ny Soratra Masina (Baiboly); ka ny lehibe amin' izany dia amin' ny Trinite (Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina); ny maha olombelona an' i Jesosy Kristy, ny maha Andriamanitra azy, ny fiteraham-birijiny azy, ny fahafatesany, ny fitsanganany amin' ny maty sy ny fiaviany fanindroany; ny fahalavoan' ny olombelona; ny famonjena amin' ny alalan' ny fibebahana sy ny finoana, ny amin' ny fahaleovan-tenan' ny fiangonana mizaka tena, ny ordinansa na sakramenta roa (batisa anaty rano sy ny fanasan'ny Tompo), ary ny fitsanganan' ny tena amin' ny maty.

Manome anjara toerana lehibe ny Baiboly ny Fingonana batista. Omeny lanja koa ny fahateraham-baovao, ny batisan'ny olon-dehibe, ny famitana iraka amin' ny fitoriana ny Filazantsara, ny fanoloran-tena ara-pitondrantena amin' ny fiainana.

Sekoly

Mpiara-miombon' antoka amin' ny Seminera Baptista Biblikan' i Madagasikara ao Antsirabe sy ny Fakiolten' ny Teôlôjia Batista eto Madagasikara ao Antananarivo ny FFBBM.

Toeram-pitsaboana

Mpiara-miombona antoka amin' ny hôpitaly Vaovao Mahafaly ao Mandritsara, any amin' ny Faritra Sofia, ny FFBBM.

Vondrona batista hafa

Tsy ny FFBBM ihany no vondrom-piangonana batista misy eto Madagasikara fa ao koa ny Fiangonana Batista Finoana, ny Fiangonana Batista ara-Pilazantsara, sy ny maro hafa.

Jereo koa

Rohy ivelany

Loharano

Tags:

Fivondronan' Ny Fiangonana Batista Biblika Eto Madagasikara Tantaran ny batisma eto MadagasikaraFivondronan' Ny Fiangonana Batista Biblika Eto Madagasikara FandaminanaFivondronan' Ny Fiangonana Batista Biblika Eto Madagasikara FinoanyFivondronan' Ny Fiangonana Batista Biblika Eto Madagasikara SekolyFivondronan' Ny Fiangonana Batista Biblika Eto Madagasikara Toeram-pitsaboanaFivondronan' Ny Fiangonana Batista Biblika Eto Madagasikara Vondrona batista hafaFivondronan' Ny Fiangonana Batista Biblika Eto Madagasikara Jereo koaFivondronan' Ny Fiangonana Batista Biblika Eto Madagasikara Rohy ivelanyFivondronan' Ny Fiangonana Batista Biblika Eto Madagasikara LoharanoFivondronan' Ny Fiangonana Batista Biblika Eto MadagasikaraBatismaEvanjelismaMadagasikaraProtestantisma

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Empira PartianaVelarantanyRanavalona IIIBokin' i IsaiaAhmed YassinZanahary (finoan-drazana malagasy)Wiki1791LitorjiaJames H. ClarkMontréalSampan-tenySeranam-piaramanidin'i London HeathrowSteven BerghuisAnjara asa (fitsipiteny)Ry Tanindrazanay malala ôKapveraAndry sy Rihana Enti-Manavotra an' i Madagasikara533KambôdiaApôstôly roa ambin' ny foloRainay any an-danitra19711874EtazoniaMponina ao GabônaHasinaTalatamatyTorimasoAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaAndriamanitra ambanin' ny tany1949AotrisyAntsoDidy FoloIndôneziaFanandroana malagasyBaraKristianismaKalandrie litorjika katôlika rômaninaKazakstàna19 MartsaZambia801KômonismaFiteny malayPaoly (apôstôly)Vondrona EorôpeanaFerber EnterprisesZivaOkrainaVolanaFahagagana nataon' i JesoaAshley ColeCuritibaLaôsyFahagaganaAndron' ny AsaMaleziaRova ManjakamiadanaAsaIsraelitaWordPressEritreaIlayBolgariaFamadihanaApôkrifan' i JoanyFilazantsaran' i MariaPatrick KluivertZavakantoThe CarpentersSiansa ara-tsôsialyBaiboly amin' ny teny malagasy🡆 More