Evanjelin' I Gamaliela

Ny Evanjelin' i Gamaliela na Filazantsaran' i Gamaliela dia evanjely apôkrifa izay ahitana ny mpitantara izay miantso ny tenany hoe Gamaliela, ilay mpampianatra an' i Paoly avy any Tarsôsy.

Ity fitantarana ity dia hita ao amin' ny ampahan-dahatsoratra misisika ao amin' ny toritenin' ny eveka Heriagôsy, dia ny Fitomanian' i Maria. Io lahatsoratra io dia fandikana amin' ny teny etiôpiana (teny gezy) ny lahatsoratra amin' ny teny arabo, izay mety avy tamin' ny lahatsoratra amin' ny teny kôpta.

Ny lahatsoratra ao amin' ny Fiangonana kristiana kôpta, izay manao an' i Pontio Pilato, ilay nanameloka an' i Jesoa, ho olo-masina niova finoana ho kristiana, dia maneho azy amin' ny fomba fijery tsara. Naka aingam-panahy amin' ny dikan-teny A an' ny Asan' i Pilato (izay atao hoe Evanjelin' i Nikôdemo), ary mety azo lazaina fa tamin' ny tenantenan' ny taonjato faha-5 no nanoratana azy. Natovana io ampahan-dahatsoratra io ny resaka an-taratasy nataon' i Pilato sy i Herôda Antipasy, izay misy fahasamihafana be amin' ireo dikan-teny hafan' izany resaka izany.

Ny andalana sasany dia mety nampifandraisina amin' ny sombin-dahatsoratra amin' ny teny kôpta, izay nomena ny anarana hoe Evanjelin' ny Apôstôly roa ambin' ny folo.

Ny fitantarana ny fijaliana niaretan' i Kristy ao amin' ny Evanjelin' i Gamaliela dia narafitra araka ny teny frantsay taloha, izay dikan-teny misy amin' ny soratanana miisa any amin' ny dimy ambin' ny folo any ho any voasotatra tamin' ny taonjato faha-14 sy faha-15.

Jereo koa

Tags:

Apôkrifan' ny Testamenta VaovaoFilazantsaraFiteny araboFiteny etiôsemitikaFiteny gezyFiteny kôptaPaoly (apostoly)Tarsa

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Tantaran' i EtazoniaLiberia1900Mpisolo manondroMahafalyBanto (vahoaka)Fifandraisan-davitraFanjakana MitambatraWikibolanaAndron'ny TanyFanekem-pinoanaPôlitika eto MadagasikaraAfrika AndrefanaRanavalona IIIEorôpa AtsinananaFiteny kantôneyFilazam-potoana hoavyPio VNekô IISonismaAbidy latinaFanekem-pinoana apôstôlikaAljeriaNy valanaretin'ny coronavirus eto MadagasikaraAlakaraboRepoblika Demôkratikan' i KôngôToetanin-jana-pehin-tanySakalavaAngovo azo havaozinaAlarobiaKristianinaFivavahana eto MadagasikaraSaolyFiteny kazàkaSihanakaBaraVolana (fotoana)Tobim-pifohazanaFrantsaySômaliaTorkmenistànaOmbyFoko eto MadagasikaraTestamenta TalohaZafisoroAndrianampoinimerinaElamaFitampohaFanahyAdy an-tranoFikambanana Iraisam-Pirenen' ny Frankôfônia17 Desambra11 AprilyTanyVoanihoPentekôstaAlahamadyRianaratraFiteny soedoàFiangonana Pentekotista Mitambatra (Madagasikara)Sôdôma sy GômôraKalandrie sinoaLoteranismaLouis XVIZanahary (finoan-drazana malagasy)Wiki CommonsFanafodyFilazantsara araka an' i MatioAzôtaFokom-pirenen' i RobenaIslandyZon' olombelonaGanà🡆 More