I Damaskiôsy Diadôkôsy dia filôzôfa neôplatônisiana, teraka tany Damaskôsy tamin' ny taona 458 tal.
J.K. ary maty tamkn' ny taona 533 tal. J.K., mety tao Siria. Mpianatr' i Isidôrôsy avy any Gaza sy i Marinôsy avy any Neapôlisy, mpampianatra an' i Simplikiôsy avy any Kilikia sy Ôlimpiôdôrôsy zandriny, anisan' ny mpiaro farany ny paganisma tamin' ny faramparan' ny Andro Taloha izy. Ny anarany dia manondro ny fiaviany: ny tanàn' i Damaskôsy, tsy fantatra na anarana nahaterahany na anaram-bosotra nomena azy rehefa lehibe izany. Izy no diadôka farany (διάδοχος, mpandimby [an' i Platôna]) na skôlarka (rektora) tao amin' ny Akademian' i Atena, naorin' i Platôna tamin' ny taona 387 tal. J.K., na ny sekoly neôplatônika any Atena, naorin' i Plotarkôsy avy any Atena manodidina ny taona 400, izay namiratra noho ny asan' i Prôklôsy tamin' ny taona 438 tal. J.K. Nakatona ilay sekoly filôzôfika tao Atena noho ny baikon' i Jostiniano I tamin' ny taona 529 tal. J.K. I Δαμάσκιος / Damaskios no anarany amin' ny teny grika fa Damascius kosa amin' ny teny latina.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Damaskiôsy, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.