Ny Bokin’ny Tantara dia horonam-boky na boky ao amin’ny Baiboly jiosy (Tanakh), ka ny fizaràna azy ho roa no niavian’ny Boky voalohan'ny Tantara sy ny Boky faharoan'ny Tantara ao amin’ny Baiboly kristiana ankehitriny.
Io boky io dia manazava ny antony nizaràn'ny firenen'i Israely ho roa ka niteraka ny Fanjakan’i Isiraely any avaratra sy ny Fanjakan’i Jodà any atsimo, ka atombony hatramin’ny famoronana an’i Adama izany ka mifarana amin'ny fahababoan'ny Jiosy sy ny fivereneny indray an-tanindrazana.
Ny anaran’io boky tokana io amin’ny fiteny hebreo dia דִּבְרֵי־הַיָּמִים, / Divrei ha-Yamim, izay midika hoe "ireo teny (na asa) niseho tao amin’ireo andro". Ny mpisorona hebreo tao Jerosalema no heverin’ny mpandinika fa nanoratra ny Bokin'ny Tantara tany amin’ny taonjato faha-4 tal. J.K.
Ny anaran’io boky io ao amin’ny Septanta na Septoaginta (Baiboly tranainy amin’ny teny grika) dia hoe Παραλειπομένων / Paraleipomenon, izay midika hoe "zavatra navela". Nihevitra ireo mpandika teny tamin’izany fa nisy ny zavatra navela ka tsy voatantaran’ny Boky voalohany sy faharoan’i Samoela ary ny Boky voalohany sy faharoan’ny Mpanjaka izay hita ao amin’ny Bokin'ny Tantara.
Ny anarana hoe Tantara dia fandikana ny teny anglisy hoe chronicles na ny teny frantsay hoe chroniques izay avy amin’ny teny latina hoe cronicon. Ao amin’ny heviteny amin’ny teny latina nataon’i Hieronimo (na Jerôma) avy any Stridona, ny lohaten’io boky io dia Cronicon totius divinae historiae, izany no nipoiran’ny anaran’io boky io amin’ny fiteny maro ao Eoropa (ohantra : lat.: Libri Chronicorum; fr. Livres des Chroniques; ang. : Books of Chronicles sns.). Ny teny grika hoe khronikon izay nahazoana ilay teny latina dia midika hoe "fanangonan-java-nitranga tantaraina araka ny fifanarakarahany ara-potoana nisehoany”.
Mizara roa ny boky araka ny hita amin’ny fisian’ny boky roa ao amin’ny Baiboly, dia ny Boky voalohany sy ny Boky faharoan’ny Tantara. Azo zaraina roa ny tsirairay amin’ireo fizaràna roa lehibe ireo.
Ity fizaràna voalohany ity dia manazava ny ny tantaran’ny Fanjakan’i Isiraely sy ny Fanjakan’i Jodà hatramin’ny famoronana an’i Adama. Ny mpanjaka Davida no olona resahina indrindra ao, izay nanao an’i Jerosalema ho ivontoeran’ny fivavahana amin’Andriamanitra.
Ity fizaràna faharoa ity dia manomboka amin’ny tantaranan’ny fanjakan’i Solomona na Salômôna. Avy eo mitantara ny nivakisan’ny fanjankana ho roa. I Hezekia (na Ezekiasa) sy i Josia (na Josiasa) no mpanjaka nalaza indrindra tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra sady nanao izay hanajana ny Lalàn’Andriamanitra.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Bokin' ny Tantara, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.