I Batseba na Betsabe, araka ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly dia ilay vehivavy, notsiriritin'ny mpanjaka Davida, nefa vadin'ny miaramila mahatokiny atao hoe Oria Hitita, izay tantaraina ao amin'ny Boky faharoan'i Samoela (2Sam.
11.2-26).
Araka ny fitantarana ao amin'ny Baiboly, raha nandray anjara tamin'ny ady i Oria dia voasinton'ny hatsaran-tarehin'i Batseba vadin'i Oria ny mpanjaka Davida ka nila azy dia nahabevohoka azy. Mba hanaovan'i Davida an'i Oria ho rain'ilay zaza dia nampodiny tany amin'ny vadiny ilay miaramilany nefa tsy nahomby izany tetika izany. Nalefan'i Davida teny am-bava ady eny alohan'ny miaramila rehetra i Oria ka maty tao. Nanambady an'i Batseba amin'izay ny mpanjaka, nefa maty teo am-pahaterahany ny zanak'izy ireo. Niteraka fanindroany tamin'i Batseba i Davida ka nahazo an'i Solomona (na Salômôna) izay lasa mpanjaka nandimby an'i Davida taty aoriana.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Batseba, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.