Ny angôvon'ny masoandro dia angôvo avy amin'ny tanamasoandro tonga eto an-tany.
Ny angôvon'ny masoandro eto an-tany dia mampisy ny fihodinan'ny rano, ny rivotra ary ny fôtôsentezy ataon'ireo zavamaniry mba hahafahan'ny biby miaina. Ny angôvon'ny masoandro izany dia fototry ny angôvo rehetra misy eto an-tany afatsy ny angôvo niokleary, ny jeôtermia, ary ny angôvo ara-pamonta.
Ny olombelona dia mampiasa ny angôvon'ny masoandro mba hamadika azy ho lasa karazan'angôvo hafa : angôvo ara-tskafo, angôvo sinetika, angôvo termika, aratra na biômasy. Ny angôvon'ny masoandro dia matetika ampiasaina mba hanonona ny aratra na ny angôvo termika azo avy aminy.
Eny amin'ny habakabaka, azo ampiasaina ny angôvon'ny voankazavana, amin'ny alàlan'ny lay ohatra.
Ny angôvon'ny masoandro dia avy amin'ny fiempo niokleary mitranga ao anatiny. Miparitaka manerana ny tontolo izy amin'ny alàlan'ny fipariahana elektrômanetika – voankazavana
Ny angôvon'ny masoandro azo eo amin'ny faritry ny bolantany dia miankina amin'ny
Amin'ny ankapobeny, ny tany dia mahazo hery 170 tapitrisa GW, 122 amin'ireo no lasany ary averiny any amin'ny habakabaka ny ambony. Noho izany, ny angôvo lanin'ny tan dia 3 850 zettajoule (1 ZJ = 1021 J) ; raha oharina amin'ny angôvo vokatra amin'ny sasany 3 ZJ no alain'ny fôtôsentezy, 2,2 ZJ no alain'ny rivotra, 0,5 ZJ no vokatry ny olombelona ary 0,06 amin'io no anjaran'ny aratra.
Ny toerana misy tanimaty, tsy dia be rahona ary eo amin'ny faritra anelanelan-trôpika, dia tsara toerana ho an'ny fakàna angôvon'ny masoandro. Ny ankabeazan'ny tanimaty dia akaikin'ny toerana mandroso mihinana angôvo ary manana ny teknika fangalana ny angôvon'ny masoandro ; noho izany any amin'ny faritra maro dia misy tetikasa mihalehibe momban'ny fanaovana aratra amin'ny alàlan'ny angôvon'ny masoandro. Ny tena lehibe amin'ireo dia bny any amin'ny tanimatin'i Mojave (Kalifôrnia), mamoaka hery 354 MW.
Efa misy ny fomba fakana ny singan'ny angôvon'ny masoandro ary manatsara azy foana ny orinasa ankehitriny. Amin'ny fomba fakana ny angôvon'ny masoandro, azo avahana ny masoandro pasiva, ny masoandro fôtôvôltaika ary ny masoandro termika.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Angôvon'ny masoandro, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.