Lôndôna (avy amin' ny fiteny anglisy London - ), any atsimo-atsinanan' ny Fanjakana Mitambatra, dia renivohitra ary tanàna ngeza indrindra any amin' ny Fanjakana Mitambatra.
Mandritry ny taonjato maro, io ny renivohitry ny Empira Britanika, empira ngeza indrindra nisy teto an-tany. Efa nisy roa arivo taona mahery izay io tanàna io no noforonin' ny Rômana. Amin' ny lafiny isam-pinina, efa betsaka ny isan' ny tanàna lehibe ngeza noho izy. Amin' ny maha ivo ara-pôlitika azy dia renivohitry ny Commonwealth ny tanànan' i Lôndôna, hery ara-piharian-karena lehibe, noho ny maha ivontoerana ara-bola voalohany azy.
Ny Lôndôna Lehibe (Greater London) dia manana mponina miisa 7 512 400, ny olona mipetraka ao Lôndôna dia atao oe Lôndônianina. Ilay tanàn-dehibe manotolo dia misy 8 278 251 mponina. Araka ny fepetra isan-karazany, mety eo anelanbelan' ny 12 sy 14 tapitrisa any ho any isan' ny mponina iharan'ny fomba fiainana ao Lôndôna. Any Eorôpa, ny tanànan' i Môskva, Paris sy Istanbul ihany no manana lanja ara-demôgrafia mitovy aminy.
Ny tanànan' i Lôndôna dia mihetsiketsika ary maro anisa amin' ny lafiny kolontsaina. Manana anjara lehibe izy ao amin' ny taozavatra sy ny lamaody. Tanàna be mpizaha tany koa izy. 27 tapitrisa ny isan' ny mpizaha tany mandalo ao isan-taona, ary misy toerana efatra voasokajy anatin' ny haren-tsaina maneran-tany ary misy zava-boaorina mijialajoala maromaro malaza eran-tany, toy ny lapan' i Westminster, ny Tower Bridge, ny Tower of London, ny Westminster Abbey, ny Lapan' i Buckingham, ny fikambanana toy ny British Museum na ny National Gallery.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Lôndôna, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.