Ny Sôngay dia vahoaka amin' ny sahan' ny ony Niger mivelona indrindra amin' ny asa tany sy ny asa tanana.
Izy ireo dia vondrom-poko lehibe ao Maly sy ao Nizera ary any amin' ny tapany avaratr' i Benîno. Ahitana azy ireo ihany koa ny ao Nizerià sy ao Borkina Fasô. Vahoaka vokatry ny fifangaroam-poko ny Sôngay: Malinke, Folany, Toarega ary Gormantse, fifangaroana nitranga nandritra ny taonjato maro. Ara-kolontsaina dia tena akaiky ny Toarega izy ireo fa indrindra ny Zarma sy Dendy izay mitovy fiteny aminy. Ny fiteny sôngay (ao amin' ny fianakaviam-piteny nilô-sahariana) no fiteniny.
Miisa any amin' ny 9 452 000 izy ireo ka toy izao ny fitsinjarany isam-pirenena: any Maly misy 1 940 000, any Benîno misy 406 000, any Nizera misy 5 106 000, any Nizerià misy 1 200 000, any Borkina Fasô misy 300 000, ary any Ganà misy 8 500.
Atao hoe Sôngay, Songôy, Sôngôy, Sôngray, na Sônray koa izy ireo.
Ny Sôngay dia mponina tranainy tany Afrika Andrefana. Nanana ny lazany tamin' ny faran' ny taonjato faha-15 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-16 ny Empira Sôngay.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Sôngay (vahoaka), which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.