Panenteisma

Ny panenteisma dia fampianarana ara-pilôzôfia sy ara-pivavahana izay ilazana an' Andriamanitra ho sady maninteraka ny faritry ny natiora rehetra no sady mihoatra azy na ara-potoana na ara-toerana.

Ny panenteisma dia mihevitra an' izao tontolo izao sy Andriamanitra ho zavatra mitovy raha eo amin' ny lafiny fisiana. Tsy mpamorona na demiorga Andriamanitra fa hery mandrakizay manetsika an' izao tontolo izao endrik' Andriamanitra hita maso. Ao anatin' Andriamanitra izao rehetra izao ary Andriamanitra dia miely eran' ny faritra tsirairay amin' izao rehetra izao. Lehibe noho izao tontolo izao Andriamanitra ary izao tonto izao dia ao anatiny. Andriamanitra dia sady hery manetsika an' izao tontolo izao no vokatr' izany koa.

Fiforonan-teny

Ny teny hoe penenteisma dia fanagasiana ny teny vahiny vokatry ny fanambarana ny teny grika hoe πᾶν / pân "manontolo, tontolo" sy ἐν /en "anaty" ary θεός / theós "andriamanitra". Ara-bakiteny dia midika hoe "ao amin' Andriamanitra ny zava-drehetra". Ilay filôzôfa alemàna Karl Christian Friedrich Krause no namorona izany teny izany tamin' ny taona 1828 nanoratany ny boky mitondra ny lohateny hoe Vorlesungen über das System der Philosophie. Fiheverana eo anelanelan' ny panteisma sy ny teisma ny panenteisma.

Fifangaroan' ny panenteisma sy ny panteisma

Sarotra avahana amin' ny panenteisma ny panteisma izay fiheverana fa ao amin' izao tontolo izao manontolo Andriamanitra fa tsy any ivelany na mihoatra azy . Ka noho izany dia heverina ho manana endrika panenteista sy/na panteista ny fivavahana sy ny filôzôfia hindoa sy ny fiheveran'ny filôzôfa sy ny teôlôjiana sasany an' Andriamanitra toa an' i Plôtino sy Giordano Bruno sy i Spinoza.

Jereo koa

Loharano

Tags:

Panenteisma Fiforonan-tenyPanenteisma Fifangaroan ny panenteisma sy ny panteismaPanenteisma Jereo koaPanenteisma LoharanoPanenteismaAndriamanitra (anarana iombonana)Andriamanitra mpamoronaDemiorgaFilôzôfiaFivavahanaMihoa-drahaZavaboary

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Horatio Herbert KitchenerJerosalemaTetiandroMpandrindra milinaFiteny kirondyIsaia (mpaminany)Distrikan'i MaintiranoTestamenta TalohaFifohazana FarihimenaLambo diaConstantin StanislavskiAntanosyWilliam III an'i AngleteraFanekem-pinoana apôstôlikaAntambahoakaSanta-Vinsanta-sy-GrenadinaMahavelona (Toamasina)Hypertext Markup Language2001Adizaoza2012Antenimieram-pirenenaPetra-kevitraOraSolombavambahoakaFototenyZahaKongonaZambiaISO 4217JapànaFifohazana (kristianisma malagasy)Vondrona EorôpeanaSabata (jiosy)Tantaran' ny kristianismaFitampohaMpampiankinaMark JerrumHarin-karena faobeAlahamadyIndiaAngatra (aretina)Fiteny kasmiryQIT Madagascar MineralsFiteny hindỳKiantenyTorkmenistànaSilamoMontanaGoaikaPablo PicassoFaritra MelakyLitorjiaAmpongaTenerifeGovernemantaAnaranaVintana (finoan-drazana malagasy)Fampianaran-diso (fivavahana)Les PaulFiangonana Adventista Mitandrina ny Andro FahafitoPoaceaeBetsileoAostraliaAlakaosyAlemainaEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Kilamba-KiaxiDmitri MedvedevFahasalamanaMpampitohy tenyRy Tanindrazanay malala ôTsirinteny sara-droaTambinteny🡆 More