Lakandranon' I Panama

Ny Lakandranon' i Panamá dia lakandrano namboarin' olombelona, izay miampita ny andilan-tanin' i Panamá any Amerika Afovoany.

Ny Lakandranon' i Panamá dia lakandrano namboarina eo anelanelan' ny Ranomasimbe Pasifika sy ny Ranomasimbe Atlantika, ao Panamá no misy azy. Ny fanamboarana azy dia anisan' ny tetikasa ho an' ny injenieria anisan' ny sarotra indrindra natao. Ny vokany teo amin' ny varotra miampita ranomasina dia goavana be, satria tsy mila miampita ny lalana makany amin' ny Tanjona Horn intsony ny sambo; ny Tanjona Horn dia tanjona any amin' ny farany atsimon' i Amerika Atsimo. Ny sambo avy ao New York makany San Francisco noho ilay lakandrano, dia manao 9 500 km monja kanefa 22 500 km no tokony hataony reha tsy manaraka an' ilay lakandrano.

Lakandranon' I Panama
Sarintgany maneho ny Lakandrann' i Panama

Ny fomba nanamboarana ny Lakandranon' i Panamá dia efa noeritreretina tamin' ny taonjato faha-16, fa tamin' ny taona 1880 ilay lakandrano vao nanomboka namboarina, ambanin' ny fambosian' ny Fantsay. Rehefa tsy nahomby ny Frantsay dia i Etazonia no namita ilay lakandrano ary i G. W. Goethals no nitondra ilay tetikasa. Nisokatra tamin' ny taona 1914 ilay lakandrano. Ny fanamboarana ny 77 km amin' ilay lakandrano dia nisy olana isan-karazany: aretina, fihotsahan-tany sns. Misy 27 500 any ho any ny isan' ny olona matin' ny aretina sy matin' ny loza isan-karazany nandritra ny fanamboarana ilay lakandrano.

Hatry ny fanokafana azy tamin' ny taona 1914 dia betsaka ny tombontsoa azo amin' ilay lakandrano ary matetika andalovan' ny sambo mavesatra izy. Isan-taona dia sambo 14 000 mahery no mandalo amin' io lakandrano io, ary 203 tapitrisa taonina ny tontalin' ny entana entin' ireo sambo ireo. Hatry ny fanokafana azy hatramin' ny taona 2002 dia sambo valo hetsy mahery no efa nandalo tamin' io lakandrano io. Ny asa momba ny fanitarana ilay lakandrano dia natomboka tamin' ny taona 2007 ary mety ho vita amin' ny 2014, mba hahafahan' ny sambo mavesatra handalo ao.

Fanoritana

Lakandranon' I Panama 
Mpitari-tsambo makany avaratra

Ny Lakandranon' i Panamá dia lakandrano eo anelanelan' ny Hoalan' i Panamá ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika, sy ny Ranomasina Karaiba, eo amin' ny Ranomasibe Atlantika. Ny endriky ny Andilan-tanin' i Panamá, mivilavila, dia mampikoriana ny lakandrano avy any avaratra-andrefana makany atsimo-atsinanana. Mba tsy hifangaro, ny fahefana momba ilay lakandrano dia nanasokajy ny fiampitana anaty sokajy roa: ny makany avaratra (Pasifika makany Atlantika) ary ny makany atsimo (Atlantika makany Pasifika).

Jereo koa

Rohy ivelany

Lakandranon' I Panama 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

Amerika AfovoanyAmerika AtsimoNew YorkPanamàRanomasimbe AtlantikaRanomasimbe PasifikaSan Francisco

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

VintanaYahoo!8725Taompolo60Christopher Nolan621938William Rowan Hamilton19 Aprily18341992King Diamond15AlakaosyRepoblikan' i Kôngô96GuerreroSakalava18GetsemaneMJules VerneKannapolis, North CarolinaUtahSikkimArabia SaoditaFihafanan'ny tanyDistrika eto Madagasikara1951Fitodika mpamari-toe-javatraChris EvansFajiryManhasset Hills, New York55Fitodika fitaovanaFady (malagasy)D191413 Desambra1942Italia1976Amerika LatinaRiyadh1922AntalaotraFebroary42NoidanAlahasaty241978Didy FoloSilamoKilometatraMatoantenyChristian HuygensMadagasikara zanatany frantsayAdy MangatsiakaElefanta afrikaninaHaikintana.idFanandroana malagasyOmby1958Repoblika Demôkratikan' i KôngôAnjara (finoana)70MiosAfrika AtsimoAlika39🡆 More