Kanà

I Kanà any Galilea na Kana any Galilia no toerana nanaovana ny fampakaram-bady tao Kanà, izay nisehoan’ ny fahagagana nanova ny rano ho divay araka ny Filazantsaran’ i Joany.

Atao hoe Κανὰ τῆς Γαλιλαίας / Kanà tês Galilaisas ity toerana ity amin' ny teny grika fa قانا الجليل / Qana al-Jalil kosa amin' ny teny arabo.

Kanà
Ny "Fiangonan' ny Fampakaram-bady" ao Kafr Kanna, any Israely, dia iray amin' ireo toerana heverina ho nisy an' i Kanà resahina ao amin' ny Baiboly.

Ny toerana misy azy any Galilea dia iadian-kevitra, ka ny toerana efatra voalohany dia i Kafr Kanna, i Khirbet Qana sy i Reineh (any Galilea Ambany) ary i Qana (any Galilea Ambony). Ny anarana arabo hoe "Qana al-Jalil" dia voalaza fa manondro toerana manan-tantara maromaro, saingy mampisalasala ny maha-azo itokiana azy. Mety ho avy amin’ ny teny hebreo na arameana midika hoe "bararata" ilay anarana.

Io fitantarana io dia raisina ho porofon’ ny faneken’ i Jesoa ny fanambadiana sy ny fankalazana eto an-tany atao amin' izany, ary nampiasaina koa ho fanoherana ny fifadiana zava-pisotro misy alikaola na ny alikaola.

Filazana ao amin' ny Baiboly

Teo amin’ ny Kristianina sy mpianatra ny Testamenta Vaovao, i Kanà dia fantatra indrindra amin’ ny maha toerana nisehoan' “ny voalohany amin’ ny famantarana” nataon' i Jesoa, araka ny filazan' ny evanjely fahefatra, dia ny fahagagana ampahibemaso voalohany nataony, ny fanovana ny rano ho divay nandritra ny fampakaram-bady (Joany 2:1–11) rehefa lany ny divay nomen’ ny mpampakatra. Na dia tsy misy na dia iray aza amin' ny filazantsara sinôptika mirakitra izany zavatra izany, ny lovam-pampianarana kristiana mahazatra dia milaza fa io no fahagagana ampahibemaso voalohany nataon' i Jesoa.

Ao amin’ ny Filazantsaran' i Joany koa ahitana firesahana hafa momba an’ i Kanà:

  • ny Joany 4:46, izay milaza fa nitsidika an’ i Kanà i Jesoa rehefa nasaina nanasitrana ny zanakalahin’ ny tandapa iray tao Kafarnahoma;
  • ny Joany 21:2, izay ilazana fa avy any Kanà i Natanaela (indraindray antsoina hoe Bartôlômeo na Bartelemy tafiditra ao amin’ ny lisitr' ireo apôstôly ao amin’ ny filazantsara sinôptika).

Ny Bokin' i Jôsoa dia miresaka tanàna iray (Jôs 19:28) sy renirano iray (Jôs 16:8; 17:9) antsoina hoe Kana - ary tsy azo inoana ho ilay Kanà any Galilea.

Tags:

Fampakaram-bady tao KanàFilazantsara araka an' i JoanyFiteny araboFiteny grika

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

U21995CherKolontsaina malagasyZhiyunKômonismaForyRazana (finoana malagasy)Fiteny eto Madagasikara26 Oktobra10GNosy Europa1902SaryTetiandro malagasyFiteny idisy1952Jenna Haze7Ranavalona IAnaranaBakteria1969Osama Bin LadenKurt AlandTeôlôjia katôlikaFahalavoan' ny Olombelona1933Mozika malagasySantosPôlitika eto MadagasikaraTetiandro hebreo2005Tolom-bahoaka tamin' ny 1947RGoianaWang Leehom1998AntanosyFiteny islandey60Niels BohrSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlika81PentekôstaMasikoroKabary famangianaEugen Johann Christoph EsperAndro farany50Jesoa1878BaibolyKônkôrdismaAbdellatif FellainiMMasoandroConstantin von TischendorfRatefy TolotraBareinaNikola TeslaVanoatoRalamboMadridRaRanavalona II57AndriantsolyOlombelona80🡆 More