Ny Faribolan-tendron-tany Antarktika na Faribolana Antarktika dia faribolana any amin' ny faritra manodidina sy mahafaoka ny tendron-tany atsimo izay mampisy ny fotoana tsy mampiposaka ny masoandro amin' ny ririnina sy tsy mampilentika ny masoandro amin' ny fahavaratra any amin' ny faritry ny tendron-tany atsimo.
Ny zorom-pehin-tany mifanindry amin' io faribolana io dia mitovy amin' ny zorom-pitongilanan' ny tezam-pihodinan' ny Tany amin' ny tenany raha mitaha amin' ny tezan-danitra. Ny elanelana ara-joron' ny Faribolana Antarktika amin' ny tendron-tany atsimo dia 23° 26' 10,3'' (tamin' ny volana Janoary 2020). Noho izany, ny zorom-pehin-taniny dia 66° 33' 49,7".
Saika hita manontolo ao amin' ny Ranomasimbe Antarktika ny Faribolana Antarktika sady mamaritra amin' ny ambangovangony ny endriky ny kôntinenta Antarktika. Manapaka an' ity kôntinenta ity amin' ny toerana maro anefa ilay faribolana:
Mamakivaky ireo nosy Balleny sady mandalo akaikin' ny nosy Borradaile eo anelanelan' ireo nosy Young sy Buckle koa ilay faribolana.
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Faribolana Antarktika, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.