Kristianisma Fahateraham-Baovao

Ny fahateraham-baovao (misy koa ny manoratra hoe fahaterahana indray) dia zavatra tsapan' ny olona iray izay milaza fa niaina fiterahana ara-panahy noho ny asan' ny Fanahy Masina taorian' ny fibebahany amin' ny fahotany ka nahatonga azy hihavana indray amin' Andriamanitra.

Aorian' ny fahateraham-baovaon' ny fanahiny dia atsoina hoe "zanak' Andriamanitra" io olona io. Izany fahatsapana momba ny fiovam-po izany dia singa iray lehibe ao amin' ny kristianisma evanjelika

Ny fahateraham-baovao ao amin' ny Evanjelisma

Miaiky ny asam-panavotana nataon' i Kristy amin' ny alalan' ny fieken-keloka sady misafidy manokana ny hanolotra ny fiainany amin' i Jesoa mba hahazo ny fonomezam-pahasoavan' ny famonjena izay mifandray amin' ny fahateraham-baovao ny Kristiana evanjelika. Ny batisan' ny olon-dehibe anabatista dia matetika manambara izany fanapahan-kevitra izany.

Ny fahateraham-baovao ao amin' ny Pentekôtisma

Araka ny finoan’ ny Pentekôtista dia hitoetra ao amin’ ny olon-drehetra voavonjy marina ny Fanahy Masina sady miasa amin’ ny alalan’ izy ireo. Ny olona avy novonjena tamin’ ny alalan’ ny fahateraham-baovao mitohy dia miova tsikelikely ka amin’ ny farany dia hiray amin’ ny Tenan' i Kristy amin’ ny alalan' ny fiombonany amin’ ny Fiangonana. Mahatonga ny Kristiana ho vaovao sy hohamarinina ny fahateraham-baovao ary manomboka amin’izay. Ny lalan’ ny famonjena (latina: ordo saluto) (dingana mankany amin’ny famonjena) dia mitarika amin' ny famonjena ny fanahy ny asa fanamasinana ataon’ ny Fanahy Masina.

Jereo koa

Tags:

Fanahy MasinaKristianisma evanjelikaZanak'Andriamanitra (kristianisma)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

KiboboSaonjoFifanakalozan-kevitry ny MpamonjyOndryTobilehibeJeanne MoreauDemôkrasiaFirenenaForyEjiptaAndringitraSinôgramaErwin WurmBokin' i DanielaAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaTanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaMosavy (finoana malagasy)FiarahamoninaTaom-baovao malagasyFanavaozana prôtestantaVoninahitra (fivavahana)VietnamyWikiAkademia Malagasy(101120) 1998 RO53Fangitra ara-jeografiaMississipi (renirano)Kabary famangianaTendrontanyFiloham-pirenena sy mpanjakan'i MadagasikaraSoratra Masina1870AlarobiaFaritra SavaSokajin-tenyFokom-pirenen' i IsraelyKapveraEmirata Arabo MitambatraTongotraMediaWikiAndriamanitra RaySaryAurangzebHasina (hery tsy hita maso)Ranavalona IIHerinaratraThabo MbekiFoko eto Madagasikara1910A30 St Mary AxeVatohandrinaAbbas Ibn FirnasEvanjelin' ny Apôstôly Roa ambin' ny FoloFanahyKôrà (zanak' i Esao)PenguinNinheiraArabia SaoditaFiraisana ara-nofoTeôlôjiaJesoa araka ny kristianismaFilôzôfiaFiteny litoanianinaApôkalipsy kôptan' i PaolyPoopyFiteny bielôrosianaTeknôlôjiaKôngô-BrazzavilleSetianismaBokin' ny Salamo🡆 More