Kristianisma Zanak' Andriamanitra

Ny andian-teny hoe Zanak' Andriamanitra dia anaram-boninahitra omena indrindra an' i Jesoa Kristy ao amin' ny Testamenta Vaovao.

Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia atao hoe "zanak' Andriamanitra" i Adama ary indrindra fa i Jesoa Kristy, eny fa na dia ireo mpanara-dia an' i Jesoa dia atao hoe "zanak' Andriamanitra". Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia ampiharina amin' i Jesoa matetika ny hoe "Zanak' Andriamanitra". Indroa no nambaran'ny feo avy any an-danitra ho ilay Zanak' Andriamanitra i Jesoa. Milaza ny tenany mivantana na ankolaka ho Zanak' Andriamanitra koa i Jesoa ary misy olona samihafa izay milaza an' i Jesoa ho Zanak' Andriamanitra . Ity fampiharana an' io anaram-boninahitra io amin' i Jesoa ity dia vokatry ny finoana ny anjara asa maha Mesia azy, ilay Mpanjaka voafidin' Andriamanitra.

Ny andian-teny hoe Zanak' Andriamanitra" dia tsy tokony hafangaro amin' ny hoe Andriamanitra Zanaka (grika: Θεός ὁ υἱός / Theos o Uios), dia ny persôna faharoan' ny Trinite ao amin'ny teôlôjia kristiana. Ny fotopampianarana momba ny Trinite dia manao an' i Jesoa ho Andriamanitra Zanaka, mitovy fiziana (na fomba na maha izy azy na sobstansa) nefa persôna miavaka amin' Andriamanitra Ray (persôna voalohany) sy amin'Andriamlanitra Fanahy Masina (persôna fahatelo).

Ny Kristiana tsy mino ny Trinite dia manaiky ny anaovana an' i Jesoa amin' ny andian-teny hoe "Zanak' Andriamanitra" satria hita ao amin' ny Testamenta Vavao io andian-teny io, fa tsy manaiky ny fiantsoana azy hoe "Andriamanitra Zanaka" izay tsy hita na aiza na aiza ao amin' ny Baiboly.

Tsy mitovy ny fandraisan' ny fiangonana kristina samihafa ny hevitry ny teny hoe "zanak' Andriamanitra" rehefa ampiharina amin' i Jesoa Kristy.

Ao amin' ny fivavahana kristana mino ny Trinite dia manambara ny satan' i Jesoa amin' ny maha zanaka naterak' Andriamanitra Ray azy ny hoe "zanak' Andriamanitra". Ao amin' ny ankamaroan' ny lovam-pampianarana teôlôjika kristiana mampianatra ny Trinite dia manondro ny fifandraisan' i Jesoa, noho ny maha Kristy azy, amin' Andriamanitra Ray ny andian-teny hoe "Zanak' Andriamanita". Vokatry ny fampiasana io andian-teny io ao amin' ny Testamenta Vaovao sy teo amin' ny teôlôjia kristiana voalohandohany izany.

Araka ny Testamenta Vaovao dia ireto avy ireo niantso an' i Jesoa ho Zanak' Andriamanitra:

  • ny olona samihafa, isan' izany ireo Evanjelista;
  • i Jesoa dia niantso ny tenany hoe "Zanak' Andriamanitra";
  • i Jesoa tenany dia nanao an' Andriamanitra ho Rainy;
  • Andriamanitra Ray dia nanao an' i Jesoa ho Zanany;
  • ny anjely niantso an' i Jesoa hoe "Zanak' Andriamanitra";
  • i Satana na ny demony dia niantso an' i Jesoa hoe "Zanak' Andriamanitra";
  • I Jesoa dia natsoina hoe "ny Zanaka";
  • Andriamanitra niantso hoe "Andriamanitra sady Rain' i Jesoa".

Jereo koa

Loharano

Tags:

AdamaJesoaMesiaTestamenta Vaovao

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

ZermaniômaSodànaInstagramCarl HoefkensMitra (andriamanitra)Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraMpisolo tena (fitsipiteny)Bokin' ny MpitsaraKabary famangianaDiederik SamsomLed ZeppelinFiteny persanaArkeôlôjiaCroutelleRoger FedererTanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaMariusz ŚrutwaTamba-nosyFirenena ao AziaDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)SheshtomadFilazantsara sinôptikaFinoanaAntananarivoDidy FoloMisoriaSiméon RajaonaFanjakan' ImerinaFilôzôfiaZaidismaTabernakelyNovak DjokovicLeawood, KansasFifadian-kaninaMérignac, GirondeTwitterTantaran' i MadagasikaraOhabolanaFilazantsara araka an' i LiokaGoogleHivokaRay aman-drenyMont-Saint-AignanJodaismaPéter GothárVarahinaOlombelonaEvanjelismaFiteny kiordaSektaCruzyCharles S. FairfaxTawratRamadanyTeddy TetzlaffNagapattinamFanjanahantanyAngovo azo havaozinaSambofiaran' i NôaMozilla FirefoxFitsarana faranyBokin' i IsaiaHerinandro MasinaHoronam-bokin' i AbrahamaFanekem-pinoanaMichał ZielińskiNikolai TrubetzkoyFiteny akadianaJean-Joseph RabeariveloAviavyAfrika AtsimoFanandroana malagasy🡆 More