Anabatisma

Ny anabatisma dia firehana prôtestanta eo amin' ny fivavahana kristiana izay manandratra avo ny batisa an-tsitrapon' ny olona efa tonga saina.

Mihevi-tena ho nipoitra avy hatrany amin' ny Fiangonana voalohany fa tsy nikambana tamin' ny Fingonana katôlika ny Anabatista.

Anabatisma
Ekipa mpanao fiderana, The Meeting Place ao Winnipeg, Fihaonambe Kanadianan' ny Fiangonan' ny Mpirahalahy Menônita.

Fiforonan-teny

Ny teny hoe anabatista dia avy amin' ny teny grika hoe anabaptizein izay midika hoe "mamerina batisa" na "mamerina batemy", izany hoe mamerina manao batisa indray olona efa vita batisa avy amin' ny fiangonana hafa.

Fiitaran' ny fiheverany

Izany no hevitry ny Fanavaozana mahery vaika, nefa hita tao amin' ny Valdeana sy ny Bôgômila sy ny Paolisiana ary koa ny fiangonan' ny Kristiana apôstôlika tao Tesalônika tamin' ny taonjato faha-16 izany. Mihevi-tena ho nipoitra avy hatrany amin' ny Fiangonana voalohany fa tsy nikambana tamin' ny Fingonana katôlika ny Anabatista.

Lasa nanana heviny ara-pôlitika ny teny hoe anabatisma anelanelan' ny tantara satria nanohitra ny fahefana ara-pôlitika sy ara-pivavahana niorina tao Renania (dia ny teôkrasian' i Mônstera) sy tao amin' ny kantôn' i Bern tamin' ny taonjato faha-16 ny Anabatista.

Ny ankabeazan' ny Anabatista anefa tsy nanaraka ireo rahalahiny nampiasa herisetra, ka ankehitriny izy ireo dia mitambatra ao amin' ny vondrom-pivavahana mandala ny tsy fampiasana herisetra, ary koa ny tsy fanoherana amin' ny anaran' ny fitiavan' Andriamanitra sy noho ny Fanjakan' Andriamanitra tsy eto amin' izao tontolo izao. I Voltaire sy i Tolstoï dia manao tsiahy matetika ny tenin' ireo Anabatista ao amin' ny boky soratany .

Fiangonana na fikambanana anabatista na mifandray aminy

Maro ny fikambanana evanjelika mitonon-tena ho mpandova ny anabatisma, indrindra noho ny fitsipahany ny fanaovana batemin-jaza (frantsay: pédobaptisme).

Fiangonana na fikambanana anabatista

Ireto avy ireo Fiangonana na fikambanana anabatista ka ny betsaka aminy dia ny Menônita:

  • ny Amisy (alemàna: Amische; anglisy: Amish);
  • ny Hoterita (anglisy: Hutterites; alemàna: Hutterer);
  • ny Mpirahalahy ao amin' i Kristy (alemàna: Brüder in Christo; anglisy: Brethren in Christ);
  • ny Mpirahalahy Batista Jermanika  (anglisy: German Baptist Brethren; alemàna: Schwarzenauer Brüder);
  • ny Menônita Mpandala ny Rakitry ny Ela (anglisy: Conservative Mennonites);
  • ny Fikambanana Maneran-tanin' ny Menônita (anglisy: Mennonite World Conference);
  • ny Mpirahalahy Menônita (anglisy: Mennonite Brethren);
  • ny Vondrona Menônita Tranainy (alemàna: Altkolonier-Mennoniten; anglisy: Old Colony Mennonites);
  • ny Menônitan’ ny Holafitra Tranainy (alemàna: Mennoniten alter Ordnung; anglisy: Old Order Mennonites);
  • ny Menônita Rosiana (anglisy: Russian Mennonites; alemàna: Russlandmennoniten; rosiana: Меннониты в России / Mennonit'i v Rossii).

Fiangonana na fikambanana mifandray amin' ny anabatisma

  • ny Svenkfeldiana (anglisy: Schwenkfelders);
  • ny Fiangonana batista (anglisy: Baptists);
  • ny Pietisma (anglisy: Pietism);
  • ny Pietisma Mahery Vaika (anglisy: Radical Pietism);
  • ny Hernhotiana (anglisy: Herrnhuters);
  • ny Inspirasiônalista (anglisy: Inspirationalists);
  • ny Mpangovitra na Koakera (anglisy: Quakers).

Ny anabatisma ankehitriny

Anisan' ny fiangonana anabatista tany am-boalohany mbola misy ankehitriny ny ankamaroan' ny Amisy (Amish), ny Rahalahy Svarzenao (Schwarzenau Brethren), ny Hoterita (Hutterites) ary ny Menônita (Mennonites).

Tamin' ny taona 2018 dia nisy Anabatista vita batisa miisa 2,13 tapitrisa tany amin' ny firenena 86, fitomboana lehibe izany nanomboka tamin' ny taona 1990 izay nahitana mpikambana vita batisa niisa 860 000.

Jereo koa

Loharano

  1. Church of God Christ, mennonite, This is my Heritage, Gospel Publishers, 1995, 136 p. (pp. 54-80)
  2. Church of God Christ, Mennonite, This is my Heritage, Gospel Publishers, Church of God in Christ, 1995, 136 p., p.72.
  3. Philip Yancey, Ce Jésus que je ne connaissais pas, Editions Farel, 1er janvier 2001 (ISBN 9782863142530; azo vakina eto [tahiry])

This article uses material from the Wiki Malagasy article Anabatisma, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply. (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
#Wikipedia® is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.

Tags:

Fiforonan-teny Anabatisma

Fiitaran' ny fiheverany Anabatisma

Fiangonana na fikambanana anabatista na mifandray aminy Anabatisma

Batisa

Katôlisisma

Kristianisma

Prôtestantisma

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

WikipediaSarivongan' ny FahafahanaZavatraCorayGimatPort Alberni8 MeyGregory van der WielFandaharanaMarko AorelioFiteny koaniamaMorten Gamst PedersenLonguevalAlejandro GoicoecheaAbel KhaledPort-LaunayDavid Alan StevensonAlexander GorgonLe BignonServanchesLembangPaul MersonJona (mitovy fanoratra)Tantaran' i MadagasikaraJonaTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôMpandrindra milinaKabary famangianaZivaMadagasikaraKabary am-panambadianaCasinoFatidraWalterboro, South CarolinaTorkiaFanandroana malagasyMTetiandro malagasyFiraisana ara-nofoSTEPFiteny malagasyRAmbohimangaXTV plus MadagascarDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)KFiteny anglisyMatioFototenyAFilazantsara araka an' i MatioIUMalagasy (vahoaka)RomaniaKolontsaina malagasyEuroAdy Lehibe FaharoaListe des indicatifs téléphoniques internationaux par paysGQOFLalàmpanorenanaFahafatesanaLSakafo malagasyFory🡆 More