Batisma

Ny batisma dia firehana iray ao amin' ny fivavahana kristiana isan' ireo sampana ara-pilazantsara izay notarihina pastora roa tamin' ny taonjato faha-17, dia ilay Anglisy atao hoe John Smyth tao Hôlandy tamin' ny taona 1609, sy i Thomas Helwys tao Angletera tamin' ny taona 1612.

Sampan' ny prôtestantisma ny batisma.

Batisma
Batisan' ny mino natao tao Northolt Park Baptist Church, tany Greater London, Baptist Union of Great Britain, 2015.

Manome anjara toerana lehibe ny Baiboly ny Fingonana batista. Omeny lanja koa ny fahateraham-baovao, ny batisan' ny olon-dehibe, ny famitana iraka amin' ny fitoriana ny Filazantsara, ny fanoloran-tena ara-pitondrantena amin' ny fiainana. Mizaka tena ny fiangonana tsirairay isan-toerana, misaraka ny fahefan' ny Fiangonana sy ny Fanjakana, ny fitambaran' ny mpino rehetra no tompon' ny fahefana amin' ny fampandehanana ny fiangonana ka tsy miavaka loatra ny sokajin' olona atao hoe "mpitondra fiangonana". Izany no atao hoe "kôngregasiônalisma".

Batisma

Tantarany

Ny batisma dia natomboky ny pastora anglisy John Smyth, izay pretra anglikana taloha nefa naniry ny hiverina amin' ny finoana araka ny Baiboly . I Smyth dia natokana ho pretra anglikana tamin' ny taona 1594 tao Angletera. Fotoana fohy taty aorian' izany dia naniry ny hiverenan' ny finoan' ny Fiangonana tany am-piandohan' ny kristianisma izy.

Noho ny faharesen-dahany, izay itoviany amin' ireo Poritana sy Kôngregasiônalista, dia nisaraka tamin' ny Fiangonana anglikana izy ka nifindra tany Hôlandy tamin' ny taona 1607 niaraka tamina mpino sasany nitovy fiheverana ny Baiboly taminy. Tamin' ny taona 1609, taona heverina fa niorenan' ilay fihetsiketsehana batista,dia mpino 36 no natao batisa.

I Thomas Helwys dia nanorina ny fiangonana batista voalohany tany Angletera tao Spitalfields, ao atsinanan' i Lôndôna tamin' ny taona 1612. Tamin' io taona io no nanontana ny boky nosoratany atao hoe A Short Declaration of the Mistery of Iniquity ("Fanambaràna fohy ny amin' ny Zavamiafin' ny Fitanilana") izay nentiny nitsikera ny Brownisma sy ny Poritanisma ary ny fitondran' ny Papa. Io boky io dia iray amin' ireo lahateny fiarovana ny fahalalahana ara-pivavahana tao Angletera sy tao Kambria (anglisy: Wales; frantsay: Pays de Galles). Nandefasan' i Helwys amin' ilay boky ny mpanjaka James I (frantsay: Jacques I d'Angleterre; anglisy: James I) izay nampahatsiahiviny fa olona mety maty koa, "vovoka sy lavenona" sahala amin' ny olona rehetra, ka tsy manana fahefana amin' ny samy fanahy tsy mety maty an' ireo mpanompony. Tezitra noho izany ny mpanjaka ka nampiditra azy an-tranomaizina, ka tao i Helwys no maty tamin' ny taona 1616.

Ny fielezan' ny finoana batista

Mizara ho antokom-pinoana 27 ireo Fiangonana batista ireo. Tamin' ny taona 2010 dia niisa 100 000 000 ny mpino batista. Ny ankamaroan' izy ireo dia monina ao Etazonia ka ao izy manjaka tanteraka manoloana ny Fiangonana prôtestanta hafa rehetra (miisa 30 000 000 izy ireo tao tamin' ny fiantombohan' ny taona 1980). Ahitana fiagonana batista maro ihany koa i Birmania, i Britaina Lehibe, i Brezila, i India, i Kanada, i Nizeria, ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, ary i Romania.

Jereo koa

Loharano

Tags:

Batisma TantaranyBatisma Ny fielezan ny finoana batistaBatisma Jereo koaBatisma LoharanoBatismaAngleteraFiangonana ara-pilazantsaraHôlandyKristianismaPrôtestantisma

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Salehabad, IlamSikidy malagasyManambolo29 AprilyCurrent events1866Fanasan' ny TompoRanavalona IIAlahamadyTovona (fitsipiteny)Alan ArkinBokin' ny olon-kendryAntananarivoFiangonan' i Jesoa Kristy eto MadagasikaraZavakantoAsabotsyLôtaLombronTwitterX-SAMPAWasnes-au-BacGadsden, Alabama19731680GuiratingaAdy Lehibe FaharoaAntefasyChun Doo-hwanGuy HamiltonKabary am-panambadianaRoger B. ChaffeeKatsaka2011JôiakimaTimurAngovo azo havaozinaSaint-Pierre-de-MonsAlandurIndustry, Kalifornia7 JonaKabaryFiteny indô-eorôpeaninaAlakaraboOhabolanaAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaRSSDjalma SantosIsa voasainaBoky deoterokanonikaDadabe NoelyEsôterismaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraRatsiraka DidierAl GoreFivavahana eto MadagasikaraFiteny lemnianaArthur HenfreyMichel Angelo MorelliLisitry ny zavatra madinidinika 11001-12000Baiboly prôtestantaTantara26 MartsaArkady Ostashev1899Oscar García JunyentKilômetatra toradroaMahavavy AvaratraEvekaTsovasa (vahoaka)Mpisolo manondroCambon-et-SalverguesSiramamyRay aman-drenyJaulzyReneilwe LetsholonyaneHipôlito avy any Rôma🡆 More