Lôndôna

Lôndôna (avy amin' ny fiteny anglisy London - ), any atsimo-atsinanan' ny Fanjakana Mitambatra, dia renivohitra ary tanàna ngeza indrindra any amin' ny Fanjakana Mitambatra.

Mandritry ny taonjato maro, io ny renivohitry ny Empira Britanika, empira ngeza indrindra nisy teto an-tany. Efa nisy roa arivo taona mahery izay io tanàna io no noforonin' ny Rômana. Amin' ny lafiny isam-pinina, efa betsaka ny isan' ny tanàna lehibe ngeza noho izy. Amin' ny maha ivo ara-pôlitika azy dia renivohitry ny Commonwealth ny tanànan' i Lôndôna, hery ara-piharian-karena lehibe, noho ny maha ivontoerana ara-bola voalohany azy.

Lôndôna
sainam-pirenena Fanjakana Mitambatra
Lôndôna
Lôndôna
Renirano Thames

Ny Lôndôna Lehibe (Greater London) dia manana mponina miisa 7 512 400, ny olona mipetraka ao Lôndôna dia atao oe Lôndônianina. Ilay tanàn-dehibe manotolo dia misy 8 278 251 mponina. Araka ny fepetra isan-karazany, mety eo anelanbelan' ny 12 sy 14 tapitrisa any ho any isan' ny mponina iharan'ny fomba fiainana ao Lôndôna. Any Eorôpa, ny tanànan' i Môskva, Paris sy Istanbul ihany no manana lanja ara-demôgrafia mitovy aminy.

Ny tanànan' i Lôndôna dia mihetsiketsika ary maro anisa amin' ny lafiny kolontsaina. Manana anjara lehibe izy ao amin' ny taozavatra sy ny lamaody. Tanàna be mpizaha tany koa izy. 27 tapitrisa ny isan' ny mpizaha tany mandalo ao isan-taona, ary misy toerana efatra voasokajy anatin' ny haren-tsaina maneran-tany ary misy zava-boaorina mijialajoala maromaro malaza eran-tany, toy ny lapan' i Westminster, ny Tower Bridge, ny Tower of London, ny Westminster Abbey, ny Lapan' i Buckingham, ny fikambanana toy ny British Museum na ny National Gallery.

Lôndôna
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Tags:

CommonwealthFanjakana Mitambatra

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Lisitry ny filohan' i MadagasikaraFifohazam-panahy lehibeMpamaritra (fitsipiteny)Fiteny litoanianinaAsombolaRosedale, MississippiAntemoroAndriamanitra RayAnjara (finoana)AndrianaSihanakaFiteny masikoroLembalemba IranianaÔliva (zavamaniry)Filaza mandidySinôgramaHasina (hery tsy hita maso)Norman BorlaugMartin CooperHiragasyAdy Lehibe FaharoaRaki-pahalalanaSabelioAdama sy EvaSetianismaRio de Janeiro (tanàna)Kanônan' ny BaibolyTobilehibe2005Fiteny estônianaFanonganam-panjakanaEvanjelin' ny Roa ambin' ny FoloAndriamanitra (tokana)1993PentateokaMir Alisher NavoïAmbohimangaHasina (fizarazaràna)Antananarivo1923SakalavaFrantsaFanjakan' i MenabeSela1971VorombolaBokin' i IsaiaApôkalipsy kôptan' i PaolyAbdellatif FellainiFiteny alemànaAostraliaAdijadyFiteny antesakaFlavio GiojaDesambraZanahary (finoan-drazana malagasy)Boky protokanonikaFiteny neerlandeyEsôterismaVoalavoKôrà (zanak' i Esao)IndôneziaSalamon' i SalômônaNosy KanariaVolahavana Germaine🡆 More