Takodarambazaha

Ny takodarambazaha na tsakodarambazaha na takidarambazaha dia karazana vorona misy sanga, iray amin' ireo ao amin' ny fianakaviana Upupidae telo sy ao amin' ny vondron-karazana Upupa.

Atao hoe Upupa epops ny anarany ra-tsiansa. Ireo karazany roa hafa dia ny takodara afrikana (Upupa africana) sy ny takodaran' i Madagasikara (Upupa marginata), dia efa noheverina hatry ny ela fa zana-karazan' ny takodara. Ireo karazana ireo dia apetraky ny mpanoratra sasantsasany ao amin' ny filaharana manokana, ny Upupiformae.

Takodarambazaha
Takodarambazaha (upup epops)

Faritra misy azy

Takodarambazaha 
Fitsinjaràn' ny faritra misy ny takodara: Maitso antitra: faritra onenan' ny takodarambazaha maharitra, volomboasary: faritra fanamboarany ny tranony, manga: faritra andaniany ny ririnina. Maitso: faritra misy ny takodara afrikana. Maitso matroka: faritra misy ny takodaran' i Madagasikara

Ny takodarambazaha dia mipetraka any amin' ny faritra manana tioetany antonony sy mafana ao Afrika sy any Azia ary ao Eorôpa.

Amin' ny ankapobeny dia mifindra any Afrika trôpikaly ny takodara eorôpeana amin' ny fizaran-taona ratsin' ny ila-bolantany avaratra. Tsy fahita firy ary tsy nahy ny fitoerany mandritra ny ririnina any Frantsa; ny tranga tsy fahita firy voalaza dia mety mahakasika ny vorona maratra na malemy.

Any Frantsa, aloha ny fahatongavany, hita amin' ny faran' ny volana Febroary any atsimo, amin'ny Marsa na Avrily any amin' ny faritra avaratra kokoa. Miala amin' ireo laharam-pehintany ireo izy raha vao vita ny akany, amin' ny volana Aogositra ary mahalana kokoa amin' ny Septambra.

Jereo koa

Tags:

TakodaraTakodara afrikanaTakodaran' i MadagasikaraVorona

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

DagestànaRamevaAnaranaFaritanin' AntananarivoFanahy (kolontsaina malagasy)Holatra2022FanavakavahanaMatyTsikafonkafombazahaRadama IIAbidy Ara-drafipeo Iraisam-pirenenaZanatsoratraFanjakan' ImerinaRanavalona IIITetiandro malagasyRasoherinaISO 4217Fiteny taỳGaliaArabia SaoditaTantaran' ny kristianismaTsirinteny sara-droaGerd GanteförTolom-bahoaka tamin' ny 1947TambajotraKabary am-panambadianaJapànaFivavahana eto Madagasikara2006Fiteny tataraAsabotsyAndriamanitra (ankapobeny)FiarahamoninaAast, Pyrénées-AtlantiquesFihavananaTodyMeivazyAntanosyMpampitohy tenyRepoblika MalagasyApôkrifan' ny BaibolyAostraliaDarryl StarbirdIsraelySaint-Clément, AisneFanandroana malagasyLanitra (finoana)BorondyMpampiankinaFitsarana faranyTambintenyTendryFivavahana abrahamikavietnamyAnjara asa (fitsipiteny)Goaika\TsimihetyAsaTestamenta VaovaoBiôgrafiaHasina (hery tsy hita maso)NazaretaRoandaFanambadianaFiteny hindỳFitampohaSoisa🡆 More