Sifaka

Ny sifaka dia karazana gidro na amboanala mitovitovy endrika amin' ny maky, ao anatin' ny fianakaviana Indridae.

Karazana gidro mpivoaka antoandro izy ireo, manana volo matevina mandrakotra ny vatany, miova eo anelanelan' ny fotsy madio sy mainty arakaraka ny karazany, ary manana rambo lava kokoa noho ny vatany. Toy ny gidro rehetra, dia tsy misy afa-tsy eto Madagasikara izy ireo. Ny karazan-tsifaka rehetra dia mamorona sokajy atao hoe Propithecus.

Sifaka
Sifaka ao Berenty
Sifaka
Faritra misy ny karazan-tsifaka tsirairay eto Madagasikiara

Ny sifaka dia misy karazany sivy miavaka tsara noho ny lokon' ny volony sy ny toerana onenany. Ny sifaka amin' ny ala maina any andrefana (Propithecus verreauxi, Propithecus coquereli, Propithecus deckenii, Propithecus coronatus, Propithecus tattersalli) dia kely kokoa noho ny an' ny ala mando maitso lalandava any atsinanana (Propithecus diadema, Propithecus edwardsi, Propithecus candidus, Propithecus perrieri). Miaina ao anatin' ny vondrona itovian' ny isan' ny lahy sy vavy izy ireo, izay misy biby manodidina ny folo, ary mifandray amin' ny alalan' ny feo sy fihetsika hita maso ary ny fandefasana fofona. Ny vavy dia miteraka zanany tokana isan-taona, izay mifikitra amin' ny kibon-dreniny mandritra ny enim-bolana eo ho eo, avy eo amin' ny lamosiny. Na dia miaina eny ambony hazo aza ny sifaka amin' ny ankapobeny, ny karazana sifaka sasany dia afaka mandeha amin' ny tongotra roa amin' ny tany, ka toy ny mandihy ny famindrany amin' izany.

Atahorana mafy ny fiainany noho ny fanimbana ny toeram-ponenana ary, amin'ny ankapobeny, noho ny fihazana sy fisamborana azy ireo mba hamidy. Noho izany ny sifaka dia anompananan’ ny fandaharan' asa fiarovana maro. Nisakana ny faharinganan’ny sifaka ireo fadaharan' asa ireo, nefa tsy nahomby tamin' ny fisakanana ny fihenan'ny isan' ireo biby ireo, ary ny fahaveloman' ny sifaka, toy ny an'ny karazana gidro maro, dia miankina amin' ny ezaka fiarovana tokoy hatao amin' ny hoavy.

Noho fisian' ny ny angano maro momba azy ireo eo amin' ny kolontsaina malagasy, sy ny fientanentanan' ny mpitsidika ny Nosy amin' ny fahitana azy ireo, dia anisan' ny azo itarafana ny fahamaroana sy ny fahasamihafana misy eo amin' ny tontolo iainana eto Madagasikara ny sifaka.

Ny karazana sifaka sivy

Ireto avy ny karazana sifaka sivy misy eto Madagasikara, izay avondrona ho roa toy izao:

Vondrona P. verreauxi

Ireo no tena atsoinn' ny Malagasy hoe "sifaka". Kely kokoa izy ireo ary miaina any amin' ny faritra andrefana amin' i Madagasikara. Boribory kokoa sady tsy lehibe ny lohany.

Propithecus verreauxi

Sifaka 

Ny Propithecus verreauxi dia miely manerana ny faritra atsimon' ny Nosy, hatrany Tolagnaro ka hatrany Tsiribihina. Miaina indrindra any anaty kirihitra misy tsilo sy any anaty ala mazava sy amin' ny ala honko izy.

Matevina sy lava sy fotsy tanteraka ny volo mandrakotra ny vatany, afa-tsy ny "satroboninahitra" volo manja mainty eo an-tampon-dohany. Mainty ny tanany sy ny tongony ary ny tarehiny, ary ny volo kely eo amin'ny kibony dia mampiseho ny hoditra ary manome loko volondavenona ny kibony. Ny biby sasany anefa ahitana faritra matroka eo amin' ny tratrany sy eo amin' ny lamosiny ary ao anatin' ny rantsantanany. Mirefy 42 hatramin' ny 48 sm ny vatany, 50 hatramin' ny 60 sm ny rambony, fa ny lanjany kosa eo anelanelan' ny 3 sy 3,5 kg.

Propithecus coquereli

Sifaka 

Ny Propithecus coquereli dia miaina any amin' ny ala maina any andrefana, any Betsiboka ka hatrany amin' ny manodidina an' i Bealanana.

Ny volo madrakotra ny vatany, amin' ny lamosina sy ny lohany ary ny rambony dia matevina sy fotsy. Rakotra takelaka volontany ny tratrany, ny ao anatin' ny rantsambatany, ny feny ary ny sorony. Ny tarehiny sy ny sofiny dia tsy misy volo sady mainty, afa-tsy ny volo fotsy miendrika mahitsioro manarona ny vavany. 42 hatramin' ny 50 sm ny halavan' ny vatany, 50 hatramin' ny 60 sm ny rambony, ary 3,7 hatramin' ny 4,3 kg ny lanjany.

Propithecus deckenii

Sifaka 

Ny Propithecus deckenii dia miaina any amin' ny ala maina any andrefana, any Manambolo ka hatrany Mahavavy Avaratra.

Ny volo mandrakotra ny vatany dia fohy kokoa noho ny an' ny Propithecus verreauxi, nefa fotsy tanteraka, mety milokom-bolamena na manja hatsatra indraindray eo amin' ny tendany, ny sorony, ny lamosiny ary ny tongony. Mainty ny molony, matetika rakotra volo fotsy. Mirefy 42 hatramin' ny 48 sm ny vatany, 50 hatramin' ny 60 sm ny rambony ary 3 hatramin' ny 4,5 kg ny lanjany.

Propithecus coronatus

Sifaka 

Ny Propithecus coronatus dia miaina any amin' ny ala maina any andrefana, any Mahavavy Avaratra ka hatrany Betsiboka.

Fotsy ny volo mandrakotra ny vatany ary mifanohitra tanteraka amin' ny loko volontakatra amin' ny lohany sy ny tendany. Indraindray voahodidin' ny andalam-bolo hatsatra ny molony izay fisaka sady mivohitra boribory. Ny lokon' ny tratrany, ny sorony ary ny sandriny dia miova avy amin' ny mavo ka hatramin' ny manja manopy volom-bolamena. Ny halavan' ny vatany dia eo anelanelan' ny 39 sy 45 sm, ny rambony 48 hatramin' ny 57sm, ary eo anelanelan' ny 3,5 sy 4,3 kg ny lanjany.

Propithecus tattersalli

Sifaka 

Any amin' ny ala trôpikaly avaratra maina, dia voafetra ny faritra iveloman' ny Propithecus tattersalli: faritra tena simba sy miparitaka manodidina ny tanànan' i Daraina, eo anelanelan' ny renirano Loky sy Manambato.

Ny volo mandrakotra ny vatany dia fotsy mavomavo amin' ny ankapobeny, manopy volom-boasary eo amin' ny sandriny sy ny feny. Misongadina ary manome endrika telozoro ho an' ny lohany ny sofiny izay mainty sy be volo. Mammpiavaka mazava tsara an' io karazana io amin' ny hafa rehetra ny "satroboninahitra" milokom-bolamena izay mandravaka ny tampon' ny lohany. Ny halavan' ny vatany dia 45 hatramin' ny 47 sm, 42 hatramin' ny 47 sm ny rambony, ary eo anelanelan' ny 3,4 sy 3,6 kg ny lanjany.

Vondrona P. diadema

Ireto indray dia ataon' ny Malagasy hoe "simpona". Lehibe kokoa izy ireo ary liaina any amin' ny faritra atsinanana amin' i Madagasikara. Mivelatra kokoa ny lohany.

Propithecus diadema

Sifaka 

Ny Propithecus diadema, izay karazan-tsifaka miely indrindra, dia hita ao amin' ny ala mando sy amin' ny tehezan-tendrombohitra atsinanana. Hatrany avaratra ka hatrany amin' ny reniranon' Antainambalana no nisy azy taloha, saingy tsy hita intsony any an-dafin' i Mananara Atsimo izy ankehitriny. Any amin' ny faritra atsimo dia miara-monina ary azo antoka fa mifanambady amin' ny Propithecus edwardsi eo amin' ny sisin' i Mangoro, izay mamaritra ny fetran' ny fizaran-tany eo amin' ireo karazana roa ireo.

Ny lokon' ny volo mandrakotra ny lamosiny dia miova avy any ambony mankay ambany, avy amin' ny volombatolalaka ka hatramin' ny manopy volom-blafotsy. Ny sisim-batany sy ny rambony dia volombatolalaka somary mazava na fotsy, ary ny rantsambatany dia mivolomboasary na mavo toy ny volamena. Mainty sady voahodidin' ny "diadema" vita amin' ny volo fotsy lava ny molony sy ny tarehiny, ka mifanohitra amin' ny volo mainty mandrakotra ny tampon-dohany ka hatrany amin' ny vozony. Ny santionany hita vao haingana tany amin' ny alan' i Tsinjoarivo dia mampiseho fiovana maro avy amin' io (anisan' izany fahitana karazany mainty manontolo) ary mety ho zana-karazana miavaka izany. Eo anelanelan' ny 50 sy 55 sm ny halavan' ny vatany, 44 hatramin' ny 50 sm ny rambony, ary 6 hatramin' ny 8,5 kg ny lanjany.

Propithecus edwardsi

Sifaka 

Ny Propithecus edwardsi dia mipetraka any amin' ny ala mando sy ny ala an-tany iva any amin' ny faritra atsinanan' i Madagasikara.

Matevina ny volo mandrakotra ny lamosiny ary ny lokony dia miova avy amin' ny volontakatra ka hatramin' ny manja matroka. Ny sisim-batany dia mampiseho loko mazava kokoa, mamorona takelaka mitsivalana roa mihaona manandrify ny hazondamosiny indraindray. Miloko volondavenona na mainty ny tarehiny, toy ny sofiny izay matetika milentika ao amin' ny volony. Taloha, nisy mpanoratra nilaza ny fisian' ity karazana sifaka ity mainty manontolo, afa-tsy ny faritra manja matroka eo am-pototry ny rambony. Mirefy 42 hatramin' ny 52 sm ny halavan' ny vatany, 41 hatramin' ny 48 sm ny rambony, ary 5 hatramin' ny 6,5 kg ny lanjany.

Propithecus candidus

Sifaka 

Voafetra kokoa ny faritra onenan' ny Propithecus candidus ary mifantoka amin' ny ala trôpikaly manodidina ny Valan-javaboary Marojejy.

Lava sy maladilandy ary fotsy ny volo mandrakotra ny vatany. Amin' ny biby sasany dia mivolom-bolafotsy ny tongotra sy ny lamosina ary ny tampon-doha. Ny biby sasany tsy misy an' ilay loko mainty mahazatra amin' ny hoditry ny tarehiny fa fotsy. Noho izany dia misy ny santionany manana molotra mavokely, matetika misy pentina mainty. Toa ny biby efa lehibe no itrangan' izany, satria mazàna mainty ny zanany vao teraka. Mirefy 48 hatramin' ny 54 sm ny halavan' ny vatany, ny rambony kosa 45 hatramin' ny 51 sm, ary eo anelanelan' ny 5 sy 6 kg ny lanjany.

Propithecus perrieri

Sifaka 

Any amin' ny ala maina trôpikaly any avaratra, dia vao mainka voafetra ny faritry onenan' ny Propithecus perrieri: miompana amin' ny tangoron-tendrombohitra Analamerana sy Andrafiamena.

Ny volo mandrakotra ny vatany, izay matevina sady malandilandy, dia mainty tanteraka, ary toy izany koa ny hoditry ny tarehiny sy ny sofiny tsy misy volo. Mena manopy volom-boasary ny masony. Mirefy 43 hatramin' ny 47 sm ny halavan' ny vatany, ny rambony 42 hatramin' ny 45 sm, ary 4,3 hatramin' ny 5 kg ny lanjany.

Jereo koa

Tags:

Sifaka Ny karazana sifaka sivySifaka Jereo koaSifakaMaky

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiteny antankaranaVoalavo (zodiaka)FasikaSoratra MasinaEzekielaSampy (malagasy)Herbert KilpinFiangonana tsy hita masoZavakantoHarena an-kibon' ny tanyBazaltaVolaBoky voalohan' ny TantaraFiraisana ara-nofoFiangonana zandrinyMerinaBokin' i RotaKapveraCrespianA. Ernest FitzgeraldCornilleIndiaSão José da BarraAlfieri MaseratiFiangonana hita masoBetiravyFanagasianaMachielTrondro maina sy anamalaoEchaporãSolitanyTsindrimandry (fivavahana)VatosokayFifohazana (kristianisma malagasy)Ceredo, West VirginiaKabary tera-baoVomangaRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)Filazantsara araka an' i JoanyHasina (hery tsy hita maso)FanandroanaFeldspataFanahy MasinaTanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaVezoTorkiaJoany Mpanao BatisaLaôsyMangahazoFahefana Avon' ny TetezamitaAdy an-tranoFiteny betsileoFilazantsara araka an' i MatioAmbohimangaPrôtestantismaFanalana faditraTetiandro litorjikan'ny Fiangonana katolika siro-malabaraFehezankevitra (fitsipiteny)Yasser ArafatAntananarivoVint CerfBaibolyVelarantanyMesianismaFinoanaJesoa ara-tantaraMercureySodàna Atsimo🡆 More