I Ozia na Oziasa izay atao hoe koa Azaria na Azariasa dia mpanjakan' i Jodà, zanak' i Amazia (na Amaziasa) tamin' i Jekôlia, izay nanjaka nandritra ny 52 taona teo antenantenan' ny taonjato faha-8 tal.
J.K. Ao amin' ny Baiboly dia voalaza fa mpitari-tafika sady mpanjaka nampiroborobo ny fanorenana izy sady nampandroso koa ny fambolena talohan' ny nahazoan' ny aretina habokana azy. Nitovitovy vaninandro iainana tamin' ny mpaminany Isaia (na Izaia) sy Hôsea (na Ôsea) ary i Amôsa (na Amôsy) izy.
Atao hoe עֻזִּיָּה /ʿUziyāh na עֲזַרְיָה /ʿAzaryāh na עֲזַרְיָהוּ /ʿAzaryāhû izy amin'ny teny hebreo fa ᾿Οζίας / Ozias na ᾿Αζαρίας / Azarias amin' ny teny grika ary Ozias na Azarias amin' ny teny latina. Ny dikan' ny anarana hebreo hoe עֻזִּיָּה (ʿUziyāh) dia "heriko i Iahveh" - fa ny hoe עֲזַרְיָה (ʿAzaryāh) na עֲזַרְיָהוּ (ʿAzaryāhû) dia "nanampy i Iahveh".
Mpanjakan' i Jodà
Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Rehôbôama (na Rôbôama) - Abiama (na Abia) - Asa - Jôsafata - Jehôrama (na Jôrama) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Atalia - Jôasy (na Jôasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jôtama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amôna - Jôsia (na Jôsiasa) - Jôahaza (na Jôakaza) -Jôiakima (na Jôakima) - Jôiakina (na Jôasina na Jekônia na Jekôniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Ozia, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses.
®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.