Roipitika

Ny roipitika na roipitiky na roindambo na roy dia anarana omen' ny Malagasy zavamaniry misy tsilo, anisan' ireo antsoiny hoe roy.

Hazo na hazo madinika mirefy 6 m hatramin' ny 7 m ny roipitika, misy sampana be tsilo, maro sy madini-dravina, miendrika bola sy miloko fotsy manopy mavo ny voniny. Any amin' ny faritra atsimo eto Madagasikara, manakaiky ny morontsiraka no ahitana azy betsaka. Maniry amin' ny ala maina sy amin' ny tany fasehana sy tany sira. Mahazaka ny rivotra maina sy ny rivo-dranomasina ny roipitika.

Misy karazany maro ny zavamaniry atao hoe roipitiky na roipitika izay antsoina amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Acacia bellula sy Mimosa grandidieri ary Acacia sakalava. Tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ity zavamaniry ity. Ao amin' ny fianakavian-javamaniry atao amin' ny anarana ara-tsiansa hoe Fabaceae ny roipitika.

Avy amin' io anarany fohy hoe roy amin' ny teny malagasy io ny anaran' ny faritra Androy sy ny anaran' ny foko Antandroy na Tandroy.

Atao sakafon' ny osy ny roipitika. Ny hodiny dia ampisaina koa hanaovana tady amin' ny fanamboarana trano, sns. Ampiasaina amin' ny afo kitay sy anamboarana arina koa izy any amin' ny faritra aniriany (faritra Mahafaly sy Antandroy). Ampiasaina amin' ny fitsaboana ny aretin-damosina sy ny hevo na ny lohamalemy (faritry ny lohan-jaza tsy mikatona taolana) ny ravina sy ny taho ary ny fakan' ny roy.

Jereo koa

Tahirin-kevitra

  • Anthony E. Orchard & Annette J. G. Wilson: Flora of Australia: Mimosaceae Acacia, Band 11, Teil 1: Mimosaceae, Acacia, Csiro Publishing, 2001, 673 Seiten ISBN 9780643057029
  • Clement, B.A., Goff, C.M., Forbes, T.D.A. Toxic Amines and Alkaloids from Acacia rigidula, Phytochem. 1998, 49(5), 1377.
  • Du Puy, D.J. et al., 2002 The Leguminosae of Madagascar. RBG Kew.
  • LaFleur, Marni. (2012). Ecology of Lemur catta at the Tsimanampetsotsa National Park, Madagascar: Implications for female dominance and the evolution of lemur traits.
  • Ratovonamana, R. Y., Rajeriarison, C., Roger, E. & Ganzhorn, J. U. 2011. Phenology of different vegetation types in Tsimanampetsotsa National Park, south-western Madagascar. Malagasy Nature, 5: 14-38

Rohy ivelany

Tags:

MadagasikaraMalagasy (vahoaka)Roy (zavamaniry)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Kor'anyEjiptaDroza1600Sora-tsikidy malagasyAntesakaSakramentan' ny fanambadiana1301AljeriaTerakaBlendecquesDoazonTandavan-tendrombohitra AlpaSteam (serivisy)Fifohazana SoatanànaWiki FoundationFaritanin' i FianarantsoaFiteny skôtsyEglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)AndriantsolyZavamaniryAdizaozaÔseaniaFaingo mihantonaAfrika AfovoanyFamadihanaEskatôlôjia silamoRanavalona IIIGrigori RaspoutineAkangaEpistily ho an' ny EfesianaVorombolaToetany1200Andro faranyLvivISO 3166-1Fiteny okrainiana31 AogositraTetiandro malagasyFitrandrahana harena an-kibon' ny tany eto MadagasikaraKings Beach, KaliforniaFiteny newariRavalomanana MarcShenzhenJeômetriaChadibeMartine OuelletPas-de-Calais426Taom-baovao malagasyMontigny-sur-AubeYelena TornikiduKroazada voalohanyDavida (mpanjaka)RuesnesBrexitValve CorporationHenanTodyGeorges AndriamanantenaPalaôSeiselySolesmes, NordFiraisan' ny Skotisma eto MadagasikaraJesoaLongueville, Pas-de-CalaisAdimizana1820Onitiana Realy🡆 More