Magy Ao Amin' Ny Baiboly

Ny magy na majy dia ilazan' ny Filazantsara araka an' i Matio ireo mpivahiny izay notarihin' ny kintana iray avy any atsinanana ho any Israely mba hitsaoka an' i Jesoa vao teraka.

Magy Ao Amin' Ny Baiboly
Ny fitsaohan' ny Magy, sary nataon' i Albrecht Altdorfer,  tanelanelan' ny taona 1530-1535.

Ny Magy ao amin' ny Filazantsaran' i Matio

Tamin' ny fahatongavany tao Jerosalema dia nankao amin' ny lapan' i Herôda Lehibe izy ireo mba hamotopototra tsara ny amin' ny toerana misy an' ilay zaza vao teraka, dia i Jesoa. Namaly i Herôda fa tsy mahafantatra ny amin' izany. Taitra tamin' ny fanamafisana avy amin' ny soratry ny mpaminany ny mpanjaka. Nefa nanafatra an' ireo magy izy mba hiverina eo aminy hanambara aminy ny mombamomba an' ilay zaza. Nampiasa saina an' i Herôda ny nandrenesany an' izany. Notarihin' ilay kintana ireo magy ka tonga tao Betlehema tao amin' ny tranon' omby nandrian' ilay zaza ka nanome azy volamena sy zavamanitra ary miora.

Nahazo fampitandremana tamin' ny anjely tamin' ny alalan' ny nofy ireo magy ka tsy niverina intsony tany an-dapan' i Herôda. Nanapa-kevitra ny hamono ny zaza vao teraka rehetra ny mpanjaka.

Ny Magy araka ny lovantsofina

Araka ny lovantsofina izay tsy voarakitra ao amin' ny Filazantsara dia miisa telo ireo magy ka izao avy ny anarany: i Baltazara sy i Melkiora ary i Gaspara.

Jereo koa

Tags:

Filazantsara araka an' i MatioKintanaMagy ao amin'ny Baiboly

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

MatyMerkioraJesoaMpisolo (fitsipiteny)LTestamenta TalohaAmpongaFanambadianaÔseaniaFomban-drazanaGoaikaPoaceaeFaritra ItasyTambajotraMpampiankin-tenyFiangonana Loterana MalagasyWilliam III an'i AngleteraKolontsaina malagasyKanaana (faritra)Fokom-pirenen' i IsraelyHolatraFifohazana FarihimenaMpaminanySiddhartha GautamaEtazoniaMa Ying-jeouTobim-pifohazanaHabakabakaTondra-dranoMeivazyHabakokaBenjamin DisraeliMalakiaCurrent eventsDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)TsimihetyLambo diaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraSaint-Clément, AisneBokin' ny OhabolanaSôlômônaFahefana mpanatanterakaVolana (fotoana)Luciano SpallettiAntandroySakalavaFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaAndriamanitra (tokana)TendryTsinyAngatra (aretina)Havatsa-UPEMAnatôliaNazaretaZavaboaryBokin' ny mpaminany (Baiboly)GaliaFivavahan-drazana malagasyAljeriaRamevaVondrona EorôpeanaAdy Lehibe FaharoaEpistily ho an' ny RômanaBrexitFihavananaFirenena Mikambana🡆 More