Kelimalaza

I Kelimalaza na Ikelimalaza dia iray amin'ireo sampy roa ambin'ny folon'ny mpanjaka merina izay notehirizina tao Ambohimanambola hatramin'ny andron-Ralambo (faran'ny taonjato faha-16).

Tapa-kazo roa natambatra hanana endrika V sady napetaka amin'ny tapa-dambamena sy nofonosina lambalandy ary nohidiana anaty vata i Kelimalaza. Izany rehetra izany dia napetraka eo ambony vola sy firavaka volafotsy.

Novalàna ilay sampy ka maro ny fady momba azy sy ny toerana misy azy. Tsy azo nampidirana Vazaha na soavaly na basy na kisoa na osy ny ao Ambohimanambola. Raha tsy voatandrina izany dia natahorana ny hisian'ny aretina sy ny tsy fahavokaran'ny fambolena ary ny loza samihafa. Anaovana sorona sy fanatitra i Kelimalaza mba hahasitranan'ny aretina sy hananana anaka ary hampahavokatra ny tany.

Nodoran-dRanavalona II i Kelimalaza tamin'ny nampidirany ny fivavahana kristiana ho fivavaham-panjakana tao amin'ny lapan'ny mpanjaka merina tamin'ny taona 1869.

Jereo koa:

Tags:

AmbohimanambolaRalamboSampy (fivavahan-drazana malagasy)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

AratraTantaran' ny kristianismaAnaranaVondrona EorôpeanaAntananarivoAntesakaAziaAnanaKabaryZambiaAmontanaVolana (fotoana)AlarobiaGoaikaPoaceaeFotoanaKiantenyRoandaPaositra Malagasy31 MartsaMpisolo (fitsipiteny)Baiboly katôlikaFamadihanaFanandroana malagasyTendryBorondyMponina eto MadagasikaraVoronaRepoblikan' i Madagasikara (1992-2009)Mpampitohy (fitsipiteny)Le BouscatAntandroyFitiavanaMpampiankinaSydneyWilliam III an'i AngleteraFahababoana tany BabilônaTodyJohn DaltonSoratraDox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)Foko eto MadagasikaraNôvambraGovernemantaGaliaWikiTanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaFanalana faditraTantaran' i EtazoniaMerkioraSôlômônaAntenimieram-pirenenaFilôzôfiaFanjakan' i Israely (mitambatra)BaraVolanaJerosalemaLes PaulSolombavambahoakaTantaran'i MadagasikaraAdizaozaBaiboly amin' ny teny malagasyMediaWikiConstantin StanislavskiFanekem-pinoana apôstôlikaBenjamin DisraeliFanavakavahanaMalakia🡆 More