Jakôba Zanak' I Zebedeo

I Jakôba zanak' i Zebedeo na Jakôba zanak' i Zebedio na Jakôba zanak' i Zebede na Jakôba Zokiny dia iray amin' ny mpianatr' i Jesoa roa ambin' ny folo lahy.

Jiosy avy any Galilea (na Galilia) izy. Rahalahiny i Joany apôstôly.

Jakôba Zanak' I Zebedeo
I Jakoba Zokiny - nataon'i Guido Reni tanelanelan'ny taona 1636 sy 1638.

Ny anarana

Atao hoe koa Jakôba Zokiny (na Jakôba Lehibe) izy sady rahalahin' i Joany zanak' i Zebedeo. Ἰάκωβος / Iakôbos no fiantsoana azy amin' ny teny grika. יַעֲקֹב‬ /Yaʿqob no fiantsoana azy amin' ny teny hebreo. Izy roa lahy ireo dia antsoina koa hoe Boanergés izay midika hoe "zana-baratra". Tsy afangaro amin' i Jakôba zanak' i Alfeo i Jakôba zanak' i Zebedeo. Tsy nanoratra epistily i Jakôba zanak' i Zebedeo. Tsy izy no nanoratra ny Epistilin' i Jakôba.

I Jakôba zanak' i Zebedeo araka ny Baiboly

I Jakôba zanak' i Zebedio na Jakôba Zokiny dia voaresaka ao amin' ny Evanjely sinôptika (ohatra, ao amin' ny Marka 3.17; Matio 10.2; Lioka 6.14) sy ao amin' ny Asan' ny Apôstôly (Asa 1.13). Rahalahin' i Joany apôstôly izy ary izy roa dia samy atao hoe Boanergesy, izay midika hoe "zana-baratra" araka ny Evanjelin' i Marka (Mar. 3.17). Ity evanjely tranainy indrindra ity dia maneho azy roa ho mpanjono tao amin' ny Farihin' i Tiberiada (na Tiberiasy) nefa namela ny sambokeliny mba hanarahany an' i Jesoa, izany dia voatantara koa ao amin' ny Evanjelin' i Matio sy ny an' i Lioka.

Sahala amin' i Petera sy i Andrea, i Jakôba dia isan' ny mpianatra voantson' i Jesoa voalohany, ary iray amin' ny mpianatra akaiky azy indrindra izy. Ny lovantsofina sinôptika dia manao azy amin' izy telo lahy ho ny apôstôly manan-danja indrindra satria izy no nofidin' i Jesoa voalohany, niaraka tamin' i Petera sy i Joany, ho vavolombelon' ny zava-niseho lehibe toy ny nananganan-ko velona ny zanakavavin' ny lehiben' ny sinagôga, ny fiovan-tarehy teny an-tendrombohitra na ny vavak' i Jesoa tao amin' ny Tendrombohitra Ôliva. Nefa, sahala amin' ny apôstôly sisa rehetra dia namela an' i Jesoa ho voasambotra izy. Voatanisa miaraka amin' ireo mpianatra nitoetra tao amin' ny efitrano ambony i Jakôba tamin' ny nidinan' ny Fanahy Masina (Asa 1.13). Taterin' ny Testamenta Vaovao ny nahafatesany tamin' ny nisamborana an' i Petera (Asa 12.2).

Jereo koa

Loharano

Tags:

Jakôba Zanak' I Zebedeo Ny anaranaJakôba Zanak' I Zebedeo I Jakôba zanak i Zebedeo araka ny BaibolyJakôba Zanak' I Zebedeo Jereo koaJakôba Zanak' I Zebedeo LoharanoJakôba Zanak' I ZebedeoApôstôly roa ambin' ny foloGalilea (faritra)JiosyJoany apôstôly

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

QueenFiangonana Ôrtôdôksa Kôptan' i AleksandriaFaritry ny Farihy Lehibe (Afrika)26 SeptambraAntefasyAbdellatif Fellaini1938Ravoahangy-Andrianavalona JosephFizikaAlahasatyAndreas DorauIràkaTorkiaSakramenta ao amin' ny fiangonana katôlika25 MartsaMediaWikiTolom-bahoaka tamin' ny 1947SihanakaHoratio Herbert KitchenerEmpira Mpanjanaka FrantsayAlahamadyJoko WidodoTarikh al-TabariVassily KandinskyEmperora CixiMarko AorelioFizaràn-taonaJesoa araka ny silamoDiana, Andriambavin'i ValesaFanekem-pinoanaDavid FusterBaibolyXherdan ShaqiriGranges-sur-AubeSahih al-TirmidhiAfrika AfovoanyWikipediaNikaragoaMpisolo toerana (fitsipiteny)William KamkwambaStatistikaSina (lohateny mitovy anarana)BogotáFiteny litoanianinaAlexander HamiltonBatisaRajoelina AndryFisoronana sy fanalana vintanaHenryk KasperczakZanahary (finoan-drazana malagasy)AntemoroFiteny japôneyKerobima1391292BengkuluVirijiny (antokon-kintana)AraraquaraJesoaAnjelyVanin-tenyKilalakyGregor MendelFanekem-pinoana apôstôlikaLisitry ny zavatra madinidinika 28001-29000Kolontsaina malagasyGaldakaoSunan al-DaraqutniRSSAlakaraboDonald Trump🡆 More