Sinagôga

Ny sinagôga dia trano fivavahan' ny Jiosy na ny Samaritana isan-toerana.

Ny tena niandohan' ny sinagôga, izany hoe ny toerana fivorian' ny mpino izay tafasaraka tamin' ny fivavahana ao amin' ny Tempoly, dia mety tamin' ny andron' ny mpaminany na tamin' ny andron' ny mpianatr' ireo mpaminany ireo (jereo ny ao amin' ny Bokin' i Isaia (Isa. 8.16 sy ny manaraka). Tamin' ny voalohany dia tsy noheverina ho masina ny sinagôga, nefa nihamasina niandalana izy. Teraka niaraka tamin' ny asan' i Ezra (na Esdrasa), amin' ny maha andrim-piarahamonina mampiavaka ny jodaisma azy, ny sinagôga. Noho izany dia nanana ny anjara toerany lehibe ny sinagôga ka nahatonga ny teny hoe Sinagôga hanondro am-panoharana ny rafitry ny jodaisma, izay mifanohitra amin' ny Fiangonana kristiana.

Sinagôga
Ny ao antin'ny Sinagoga Yohanan ben Zakkaï, iray amin' ny sinagôga efatra sefarada ao Jerosalema.

Amin' ny ankapobeny dia ahitana fitoerana masina ny sinagôga, izany hoe efitrano malalaka fanaovana fivavahana, izay mitahiry ny Bokin' ny Tôrah. Mety hahitana efitrano fanaovana lanonana iraisana koa ny sinagôga. Ahitana efitrano madinika natokana ho an' ny fandinihana (hebreo: בית מדרש / Beit midrash "trano fandinihana" na "trano fianarana"): na dia natokana ho an' ny fivavahana fotsiny aza ny sinagôga tamin' ny voalohany dia nanjary toerana misy ny Talmud Torah, izany hoe ny fampianarana ny lovantsofina sy ny fiteny hebreo, na ho an' ny zaza izany na ho an' ny olon-dehibe. Izany fanjakan' izany anjara asa vaovaon' ny sinagôga izany no nahatonga an' i Filo avy any Aleksandria sy ny Jiosy nonina tao Venitia (na Veniza) ary ny Jiosy any amin' ireo firenena askenazy miteny idisy izay manondro ny sinagôga amin' ny teny hoe didaskaleia na scuola na שול / shul, izany hoe "sekoly". Izany anarana izany dia ampiasaina mandrakariva mba hilazana ny sinagôga, nefa tsy amin' ny fomba ara-penitra, indrindra any amin' ireo faritra askenazy.

Mampiasa ny teny hoe προσευχή / proseukhê ("vavaka") na toeram-pivavahana i Filo avy any Aleksandria sy ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao (amin' ny teny grika).

Teny iantsoana ny sinagôga

Ny teny hoe sinagôga (misy koa ny manoratra hoe synagoga) dia fanagasiana ny teny grika hoe Συναγωγή / Sunagôgê izay midika hoe "fiangonana" "fivoriana", izay fandikana grika ny teny hebreo hoe בית כנסת / beit kneset izay midika hoe "trano fivoriana" na "trano fiangonana" na בית תפילה‬ / bet tefila "trano fivavahana". Amin' ny teny idisy dia atao hoe: שול / shul, fa amin'ny teny ladino dia אסנוגה / esnoga na קהל / kahal.

Ny sinagôga araka ny literatiora

Ao amin' ny Testamenta Taloha

Na ny teny na ny hevitry ny hoe sinagôga dia tsy hita ao amin' ny Pentateoka na Tôrah (na dia milaza ny lovantsofin' ny Raby sy i Filo avy any Aleksandria ary i Flavio Jôsefa fa ny sinagôga dia efa nisy tamin' ny andron' i Mosesy). Tsy voaresaka ao ihany koa ny amin' ny fiaraha-mivavaka, ka ny toeram-panaovana fanompoam-pivavahana voaresaka ao dia ny Tabernakely, izay fitoerana masina azo enti-mandehandeha sy mirakitra ny Fiaran' ny Fanekana ao amin' ny efitra atao hoe "masina indrindra". Io Fiaran' ny Fanekena io dia napetraka tao amin' ny Tempolin' i Sôlômôna koa izay namboarina hitehirizana azy maharitra.

Ny firesahana voalohany ny amin' ny fivoriam-pivavahana ivelan' ny Tempoly dia hita ao amin' ny Bokin' i Isaia (Is. 8.16): vondron' ny mpianatra nivory niaraka tamin' ny mpaminany Isaia mba hihaino ny tenin' Andriamanitra sy ny Tôrah. Izany koa no miseho ao amin' ny Bokin' i Ezekiela (Ezek. 8.1) izay ahitana ny loholona ao Jodà mivory ao an-tranon' i Ezekiela. Ny Salamo 74.8 izay angamba nosoratana tamin' ny fahababoana voalohany, dia milaza ny amin' ny ivotoerana atokana ho an' Andriamanitra ao amin' ny firenena.

Araka ny Mishnah

Mety azo heverina ny nitomboan' ny sinagôga isa taorian' ny nandravana ny Tempoly Faharoa: araka ny lovantsofin' ny raby voarakitra ao amin' ny Mishnah (hebreo: משנה) (nangonina tamin' ny taona 200 eo ho eo, maherin' ny taonjato iray taorian' ny nandravana ny Tempoly faharoa), dia tsy maintsy ahitana batlanim folo farafahakeliny ny tanàn-dehibe iray, fa raha tsy izany dia tanàna madinika izy; ny batlan dia olona niala tamin' ny asa aman-draharahany mba hanokana ny androny amin' ny fivavahana. Ny Mishnah dia mampianatra fa misy sinagôga amin' ny toerana rehetra izay ahitana minyan izay afaka mivory na amin' ny fotoana inona na amin' ny fotoana inona mba hivavaka raha misy lehilahy folo fara-fahakeliny.

Ao amin' ny Testamenta Vaovao

Ny Asan' ny Apôstôly dia manambara koa fa ny sinagôga hita isan-tanàna dia efa nisy teo hatramin' ny taona maro (Asa 15.21), sady mitanisa sinagôga maro, ka ny sasany an' ireo olona afaka, ny sasany an' ny Kireniana ary ny hafa an' ireo Aleksandrina. Ny Talmud dia miresaka ny amin' ny sinagôga maro tany Mesôpôtamia, ka isan' izany ny tao Nehardea, ary sinagoga mihoatra ny 400 tao Jerosalema talohan' ny nandravana ny Tempoly faharoa, nefa ireo Evanjely dia miresaka ny amin' ny sinagôgan' i Nazareta (Matio 13.54; Marka 6.2; Lioka 4.16) sy ny an' i Kapernahoma (Marka 1.21; Lioka 7.5; Joany 6.59). Nitoriteny tao amin' ireo sinagôga tao Damaskôsy na Damasy (Asa 9.20) sy tao Salamina any Kiprôsy (Asa 13.5) sy tao Antiôkia (Asa 13.14) sns i Paoly.

Ny faharavan' ny Tempoly faharoa dia nampitombo ny lanjan' ny sinagôga, satria tao amin' izy ireo no nanohizana ny fomba fanao tao amin' ny Tempoly afa-tsy ny fanaovana sorona, ary tao koa no afaka mivory ny minyan izay ahitana lehilahy folo. Nihamaro noho izany ny sinagôga tany am-pielezana. Ny sinagôgan' i Aleksandria resahina ao amin' ny Talmud dia lehibe dia lehibe satria manoro ny mpiangona amin' ny alalan' ny fanofahofana lamba ny mpihira rehefa hampanonona ny "Amen".

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Sinagôga Teny iantsoana ny sinagôgaSinagôga Ny sinagôga araka ny literatioraSinagôga Jereo koaSinagôga Loharano sy fanamarihanaSinagôgaBokin' i IsaiaEzraJiosyJodaismaSamaritanaTempolin' i Jerosalema

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Bokin' i EzekielaEvanjelin' ny Roa ambin' ny foloMôlekiolaRavinalaISO 4217PoaceaeVaryIowaBokin' i HenôkaKofi AnnanApôkrifan' i JoanyJodaismaFiteny javaneyRepoblika Demokratika MalagasyWikiFiteny antemoroTanalaKhadija al-SalamiIndôneziaAndevo (teto Madagasikara)Tetiandro malagasyDidy Folo1997Vintana (finoan-drazana malagasy)Lalan-jazaEpikan' i GilgamesaBoky fahadimin' ny Makabeo1971Fihafanan'ny tanyAsa (mpanjakan' i Jodà)Fifohazana (kristianisma malagasy)Tontolo iainanaFanjanahantanyImanoelaFandikan-tenyFanagasianaRafitra fitantanana votoatinyZairaSakalavaApôkalipsin' i JoanyMediaWikiFanonganam-panjakanaFanjakana MitambatraFivarotana andevoSoratra MasinaSilamo eto MadagasikaraBordeauxRadama VoalohanyTany lemakaHasinaBaiboly Dikanteny Iombonana Eto MadagasikaraMisiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraKanadaBiôgrafiaMpampiankin-tenyZafisoroPaoly (apôstôly)Port-au-PrinceFanahin' ny vatanaPrôtektôrata Frantsain' i MadagasikaraFifohazana FarihimenaMadagasikaraDrônaInjenieriaAlakaraboBoky voalohan' ny MakabeoArintany mahazatraAlahamadyZhuge LiangAmbohimahasoa(28353) ChrisnielsenAristôty🡆 More