Hôlandy

I Hôlandy dia faritra ara-jeôgrafia, faritany taloha tao amin' ny morontsiraka andrefana any Nederlandy izay nozaraina ho faritany roa miavaka tamin' ny taona 1840: dia i Hôlandy Avaratra sy i Hôlandy Atsimo.

Atao hoe Holland izy amin' ny teny neerlandey.

Hôlandy
I Hôlandy Avaratra sy i Hôlandy Atsimo (volom-boasary) miaraka amin' i Nederlandy manontolo

Ny anaran' io faritra manan-tantara io dia avy amin' ny teny nederlandey antenatenany hoe Holtland izay midika hoe "tany misy ala" (avy amin' ny hoe holt: "hazo, ala", sy land: "tany").

Noho ny maha zava-dehibe ara-tantara an' ity farany, ny teny hoe "Hôlandy" dia lasa ampiasaina, hanondroana an' i Nederlandy manontolo, na dia tsy ôfisialy aza io anarana io. Tamin' ny taona 1806, ny Repoblika Bataviana dia niova ho Fanjakan' i Hôlandy nankinina tamin' i Louis Bonaparte (printsy frantsay lasa mpanjakan' i Hôlandy); io no hany fotoana nampiasana ny teny hoe "Hôlandy" amin' ny fomba ôfisialy hanondroana an' i Nederlandy manontolo.

Tamin' ny alalan' ny fanapahan-kevitra noraisina tamin' ny Ôktôbra 2019, dia nanova ny anarana ampiasain' ny andrim-panjakana ny manampahefana neerlandey: nanomboka tamin' ny 1 Janoary 2020, ny ministera, ny masoivoho, ny oniversite, ny kôlejy na ny kaominina dia tsy misy marika misy soratra "Hôlandy" intsony fa ny hoe "Nederlandy"; ary ny fifandraisana iraisam-pirenena ao amin' ilay firenena dia mampiasa ny teny hoe Nederlandy nanomboka tamin' izay.

Hôlandey no iantsoana ny mponina ao.

Jereo koa

Tags:

Nederlandy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Ady MangatsiakaFanandroanaVanim-potoana kristianaZorofirarazanaFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto MadagasikaraFanahy MasinaFiteny slôvenaKolontsaina malagasyAdy Lehibe VoalohanyOnjam-peoLitoaniaTongotraJackson PollockWashingtonDavida (mpanjaka)BiôgrafiaFifanakalozan-kevitry ny MpamonjyZanamalataTranonkalaBootjack, KaliforniaMisiona Evanjelika Teratany eto MadagasikaraGovernemantaBôliviaDokuWikiFifohazana (kristianisma malagasy)Sôfia (gnôstisisma)JodasyFiteny soedoà1982AlahamadyRajoelina AndryAziaVatohandrinaSilamoJeanne MoreauVazimbaFady (malagasy)Abu Mansur al-Baghdadi1963Hypertext Markup LanguageVySalamo faha-371629Afrika AfovoanyNevadaArjentinaBaiboly amin' ny teny malagasyEndolzansyNFitiavanaMozika malagasyBokin' ny SalamoSaryBlaogyApôkalipsy faharoan' i Jakôba'''Huguette Monestier'''Zanadralambo1971Fiteny antefasyFanalan-jazaRanoJean-Joseph RabeariveloMosavy (finoana malagasy)Sakafo1524ÔseaniaKristianinaFoko eto MadagasikaraArkôntikaJesoa araka ny kristianisma🡆 More