Boky Voalohan' Ny Tantara

Ny Boky voalohan'ny Tantara na Tantara voalohany dia boky ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly kristiana sady hita koa ao amin’ny Tanakh, boky masin'ny jodaisma.

Ampahany amin'ny boky izay nozaraina roa io boky io, dia ny Bokin'ny Tantara, ka ny tapany faharoa dia ny Boky faharoan'ny Tantara. Ireo boky ireo dia manazava ny ny tantaran'ny Fanjakan'i Israely sy ny Fanjakan'i Joda hatramin'ny famoronana an'i Adama izay asehony amin'ny fomba hafa raha ampitahaina amin'ny voalaza ao amin'ireo Bokin'i Samoela sy ireo Bokin'ny Mpanjaka na dia misy tantara izay hita fa naverin'ny mpanoratra tantaraina.

Boky Voalohan' Ny Tantara
I Rehoboama sy i Jeroboama, sary nataon'i Schnorr von Carolsfeld, ao amin'ny Bibel in Bildern, 1860

Ny mpanjaka Davida no olona resahina indrindra ao. Izy no nanao an'i Jerosalema ho ivontoeran'ny fivavahana amin'i Iahveh Andriamanitra. Deraina ho ilay mpanorina ny Tempoly izy na dia i Solomona zanany, raha ny marina, no tena nanatanteraka izany.

Ao amin’ny Boky voalohan'ny Tantara, i Davida dia aseho ho olona modely amin'ny fanompoana amim-pinoana sy fanajana an'Andriamanitra. Tamin'ny fotoana farany nanjakany dia nidera an’Andriamanitra izy teo anatrehan'i Israely manontolo ka nanao hoe :

"Isaorana anie Ianao, Jehovah ô, Andriamanitr’Isiraely razanay, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’izy rehetra. Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Ianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao". (1Tant. 29.10-12a, Ny Baiboly)

Ny anaran'ny boky sy ny nanoratana azy

Ny anaran'ny boky

Ao amin’ny kanona voalohan'ny Baiboly hebreo (na Tanakh) dia nitambatra ao amin’ny horonam-boky tokana atao hoe Bokin'ny Tantara ny Boky voalohan'ny Tantara sy ny Boky faharoan'ny Tantara. Ny anaran’io boky tokana io amin’ny fiteny hebreo dia דִּבְרֵי־הַיָּמִים / Diḇrê Ha-Yāmîm, izay midika hoe "ireo teny (na asa) niseho tao amin'ireo andro".

Ny anarana hoe Tantara dia fandikana ny teny anglisy hoe chronicles na ny teny frantsay hoe chroniques izay avy amin'ny teny latina hoe cronicon. Ao amin'ny heviteny amin'ny teny latina nataon'i Hieronimo (na Zerôma) avy any Stridona, ny lohaten'io boky io dia Cronicon totius divinae historiae, izany no nipoiran'ny anaran'io boky io amin'ny fiteny maro ao Eoropa (ohatra: latina: Libri Chronicorum; frantsay: Livres des Chroniques; anglisy: Books of Chronicles sns.). Ny teny grika hoe khronikon izay nahazoana ilay teny latina dia midika hoe "fanangonan-java-nitranga tantaraina araka ny fifanarakarahany ao ara-potoana nisehoany".

Ny anaran'io boky io ao amin’ny Septanta na Septoaginta (Baiboly jiosy amin'ny teny grika) dia hoe Παραλειπομένων / Paraleipomenon, izay midika hoe "zavatra navela". Nihevitra ireo mpandika teny tamin’izany fa nisy ny zavatra navela ka tsy voatantaran’ny Boky voalohany sy faharoan'i Samoela ary ny Boky voalohany sy faharoan'ny Mpanjaka izay hita ao amin'ny Bokin'ny Tantara.

Ny fanoratana ny boky

Ireo mpisorona tao amin'ireo Hebreo, tao Jerosalema, no nanoratra ny Bokin'ny Tantara tany amin’ny taonjato faha-4 tal. J.K. Araka ny lovantsofina jiosy dia i Ezra na Esdrasa no nanoratra ny Boky voalohan'ny Tantara.

Fizaràn'ny boky

Azo zaraina ho roa ny Boky voalohan'ny Tantara ka ny fizaràna voalohany (toko faha-1 – faha-9) dia ireo tetiarana na tetirazan'ny Zanak’i Israely nanomboka tamin'i Adama hatraty aorian'ny fahababoana, ary ny fizaràna faharoa (toko faha-10 – faha-29) dia ny tantaran'ny fanjakan'i Davida, ilay mpanorina ny fivavahana ao an-Tempoly. Azo atao koa ny mizara ny boky ho dimy araka izao :

Ireo tetiarana hatramin'i Adama (1 -- 9)

Ny ampahany be amin'ny Boky voalohan'ny Tantara dia miompana amin'ny fitanisana ireo taranak'i Adama hatramin'ny mpanjaka Saoly (1 – 9). Ireto ny fizaràna madinika anatin'izany :

  • Hatramin'i Adama ka hatramin'i Isiraely (1.1 – 1.54)
  • Ny amin'i Joda manokana (2.1 – 2.55)
  • Ny taranak'i Davida (3.1 – 3.23)
  • Ireo foko tany atsimo (4.1 – 4.43)
  • Ireo foko tany atsinanan'i Jordana (5.1 – 5.26)
  • Ireo taranaka mpisorona (5.27 – 6.65)
  • Ireo foko tany avaratra (7.1 – 7.40)
  • Ireo taranak'i Benjamina sy i Jerosalema (8.1- 8.40)
  • Ny amin'i Jerosalema (9.1- 9.34)
  • Ny fianakavian'i Saoly (9.35 – 9.44)

Ny fanjakan'i Davida (10 – 12)

Boky Voalohan' Ny Tantara 
Mivavaka ny Mpanjaka Davida, nataon'i Pieter de Grebber, taona 1635-1640.

Ny toko faha-10 – faha-12 dia mitantara ny nahatonga an'i Davida ho mpanjaka ka nanao an'i Jerosalema ho renivohitry ny fanjakany. Mitantara ny zava-bitan'ireo miaramilan'i Davida koa ireo toko ireo. Ireto ny antsipiriany ny amin'izany :

  • Ny nahafatesan'i Saoly sy ny zanany (10.1 – 10.14)
  • Nohosorana ho mpanjaka i Davida avy eo naka an'i Jerosalema (11.1 – 11.9)
  • Ireo olo-maherin'i Davida (11.10 – 12.40)

Ny namindrana ny Fiaran'ny fanekena (13 – 16)

Ny toko faha-13 – faha-16 dia manoritsoritra ny namindran'i Davida ny Fiaran'ny fanekena ho any Jerosalema.

Ireo zava-nitranga nandritra ny nanjakan'i David (17 – 20)

Ny toko faha-17 – faha-20 dia mitantara zava-nitranga nandritra ny fotoana nanjakan'i Davida. Ireto ny fizaràna madinika anatin'izany :

  • I Solomona no hanamboatra ny Tempolin'i Iahveh (17.1 – 17.27)
  • Ny fandresen'ny tafik'i Davida (18.1 – 20.8)

Ny fanomanana ny fanorenana ny Tempoly (21 – 29)

Ny toko faha-21 – faha-29 dia miresaka ny nanomanana ny fanorenana ny Tempolin'Andriamanitra sy ireo toromarika nataon'i Davida tamin’i Solomona zanany momba ny fanompoana an'Andriamanitra. Ireto ny antsipiriany ny amin'izany:

Boky Voalohan' Ny Tantara 
Nohosorana ho Mpanjaka i Solomona, nataon'i Cornelis de Vos, taona 1630.
  • Fiomanan'i Davida hanamboatra ny Tempoly (21.1 – 28.21)
  • Nitondra fanatitra ho an'ny fanamboarana ny Tempoly ny vahoaka (29.1 – 29.20)
  • Nasandratra ho mpanjaka i Solomona (29.21 – 29.25)
  • Ny nahafatesan'i Davida (29.26 – 29.30)

Jereo koa:

Boky ara-tantara protokanonika:

Boky ara-tantara deoterokanonika:

Tags:

Boky Voalohan' Ny Tantara Ny anaranny boky sy ny nanoratana azyBoky Voalohan' Ny Tantara Fizarànny bokyBoky Voalohan' Ny Tantara Jereo koa:Boky Voalohan' Ny TantaraAdama (Baiboly)BaibolyBokin'i SamoelaBokin'ny MpanjakaBokin'ny TantaraBoky faharoan'ny TantaraFanjakan'i Israely (Samaria)Fanjakan'i JodaJodaismaTanakhTestamenta Taloha

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Fiteny tamilyKristianismaLahatra (finoana malagasy)Fifohazana (kristianisma malagasy)FiarahamoninaRameva1910Fiteny kreôly haisianinaFokom-pirenen' i IsraelyLitorjiaBokin' ny GenesisyTobilehibeRaki-pahalalanaAlarobiaFanjanahantanyFikambanana Skoto eto amin' ny Fiangonana Loterana MalagasyPaiso (voany)Asa AkiraGeorges AndriamanantenaApôkrifan' ny BaibolyMa Ying-jeouAterinetoCalifornia2020TendryEpistily ho an' ny RômanaFiteny kasmiryTondra-dranoKainaZambiaFiraisana ara-nofoAntankaranaFoko eto Madagasikara1968KolontsainaFady (malagasy)Modesto, KaliforniaLanitra (finoana)MadagasikaraAnthiyurAngleteraFanambaràna Iraisam-Pirenena momba ny Zon' OlombelonaKolontsaina malagasySiansa2022Roman PolanskiHasina (hery tsy hita maso)Ferenc AndrásAdy LehibeSôlômônaFirenena MikambanaAdaoroAnjara asa (fitsipiteny)Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (Madagasikara)Rajoelina AndryKor'anyFotoanaVolana (fotoana)Baiboly katôlikaAntesakaMark JerrumAostraliaFamadihanaEpistily nosoratan' i JakôbaAntananarivoFifandraisan-davitraSorona masinaVoahiranaFijy🡆 More