Fokom-Pirenen' I Benjamina

Ny fokom-pirenen' i Benjamina na fokon' i Benjamina dia iray amin' ny fokom-pirenena roa ambin' ny folon' i Israely.

Ny anjara tanin' io fokom-pirenena io dia eo anelanelan' ny fokom-pirenen' i Efraima ao avaratra sy ny fokom-pirenen' i Jodà ao atsimo, ny fokom-pirenen' i Dana ao andrefana, ary ny ony Jordana ao antsinanana. Iray amin' ny fokom-pirenena tao amin' ny Fanjakan' i Jodà ny fokom-pirenen' i Benjamina.

Fokom-Pirenen' I Benjamina
Sarintanin'ny foko 12n'i Israely

I Benjamina

I Benjamina (hebreo: בנימין / Binyamin) dia zanaka faha-13 sady faralahin' i Jakoba. I Rahely no anaran-dreniny. I Jôsefa irery ihany no rahalahy iray reny aminy. Ireto ny zanany lahy: Bela, Bekera, Asbela, Gera, Naamana, Ehy, Rosa, Mopima, Hopima ary Arda (Genesisy 46:21).

Ny anjara tanin' ny fokom-pirenen' i Benjamina

Ny anjara tanin' io fokom-pirenena io dia eo anelanelan' ny fokom-pirenen' i Efraima ao avaratra sy ny fokom-pirenen' i Jodà ao atsimo, ny fokom-pirenen' i Dana ao andrefana, ary ny ony Jordana ao atsinanana.

I Jerosalema sy i Jerikô sy i Betela ary i Gibeona no tanàna malaza ao aminy. Tao Rama no teraka ny mpaminany sy mpitsara farany Samoela ka rehefa avy nobeazina tao Silô izy dia nonina tao Rama indray (1 Sam. 7:17) izay voalaza fa misy ny fasany (1Sam. 25:1).

Fokom-pirenena tao amin' ny Fanjakan' i Jodà

Taty aoriana dia iray amin' ny fokom-pirenena tao amin' ny Fanjakan' i Jodà ny fokom-pirenen' i Benjamina taorian' ny fisarahan' ny Fanjakan' i Samaria tamin' ny Fanjakan' i Jodà.

Olona isan' ny fokon' i Benjamina

Ny fokom-pirenen' i Benjamina no nipoiran' i Saoly (na Saola), mpanjaka voalohan' i Israely sy nodimbasan' i Davida. I Abidana no andriandahin' ny fokom-pirenen' i Benjamina.

Jereo koa

Tags:

Fokom-Pirenen' I Benjamina I BenjaminaFokom-Pirenen' I Benjamina Ny anjara tanin ny fokom-pirenen i BenjaminaFokom-Pirenen' I Benjamina Fokom-pirenena tao amin ny Fanjakan i JodàFokom-Pirenen' I Benjamina Olona isan ny fokon i BenjaminaFokom-Pirenen' I Benjamina Jereo koaFokom-Pirenen' I BenjaminaFanjakan' i JodàFokom-pirenen' i JodàFokom-pirenenaFokon' i DanaFokon' i EfraimaJordana (ony)

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

Faritany eto MadagasikaraJean-Joseph RabeariveloOniversiteFaritra AnosyAdimizanaFanjakan' ImerinaTsy feteza-matyFaritra DianaAndriamanitra (tokana)Bokin' i EzekielaFivavahan-drazana malagasyAfrikaLisitry ny gazety ao MadagasikaraAnjara asa (fitsipiteny)Asa (mpanjakan' i Jodà)Evan'ny zodiakaSokelaTwitterJShiqiMarshall LeffertsApôstôly roa ambin' ny foloRazana (finoana malagasy)GovernemantaBetsimisarakaMediaWikiRalaimongo JeanRepoblika MalagasyFilazantsara araka an' i MarkaSôlômônaFaritra eto MadagasikaraFady (malagasy)AntananarivoBaiboly amin' ny teny malagasyFanahy (kolontsaina malagasy)Fihafanan'ny tanyJapànaSiansaGoavy (zavamaniry)NtaoloAntalaotraBokin' i IsaiaWikipediaItaliaFilôzôfiaIndiaRakotozandry DanielAveloSakalavaTanzaniaTantaran' i Madagasikara1997TantaraRafitra fitantanana votoatinyFrantsaFiteny antemoroAbidy malagasyNizeriaApôkalipsy voalohan' i JakôbaPlotoAkohoDistrikan'i FianarantsoaReniranoFanonganam-panjakanaFisoronana sy fanalana vintanaEpikan' i GilgamesaFacebookVondrom-bokin' i Nag HammadiFiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 2014ForyWikia🡆 More