Alin' Ny Lahatra

Ny Alin' ny Lahatra, amin' ny finoana silamo, dia ny alina izay inoan' ny Mozilmana fa ny Kor'any dia nampidinina voalohany avy any an-danitra ho an' ny olombelna ety an-tany ary io koa no alina nanambaràna ny andininy voalohany maromaro amin' ny Kor'any tamin' ny mpaminany silamo Mohamady; voalaza fa tsara noho ny fivavahana mandritra ny arivo volana izany alina izany.

Araka ny hadita isan-karazany dia tsy fantatra mazava ny daty marina, ny hany fantatra dia io no iray amin' ny alina amin' ny laharana tsy ankasa tamin' ny folo andro farany amin' ny Ramadany, iay volana fahasivy amin' ny tetiandro silamo. Amin' ny teny arabo izany andro izany dia atao hoe لیلة القدر / Laylat al-Qadr. Nanomboka tamin' izay fotoana izay, ny Mozilmana dia nihevitra ny alina folo farany amin' ny Ramadany ho voatahy manokana. Mino ny Mozilmana fa tonga indray isan-taona ny Alin' ny Lahatra, miaraka amin' ny fitahiana sy ny famindram-pon' Andriamanitra betsaka. Mino izy ireo fa voavela ny ota, ekena ny fitalahoana, ary ny didy isan-taona dia nambara tamin' ny anjely izay manatanteraka izany araka ny fahasoavan' Andriamanitra.

Alin' Ny Lahatra
Lava-bato ao Hirà izay nandraisan' i Mohamady ny Kor'any avy amin' ny anjely Gabriela nandritra ny Alin' ny Lahatra.

Ny Alin' ny Lahatra, izay ankalazaina isan-taona mandritra ny volana Ramadany, sady mampahatsiahy ny alin' ny fanambaràna voalohany amin' i Mohamady, tamin' ny volana Jolay na Aogositra 610, nandritra ny alina folo farany tamin' ny volana Ramadany, tamin' ny andro manana laharana tsy ankasa.

Alin' Ny Lahatra
Iraniana mankalaza ny Alin' ny Lahatra ao amin' ny Môskea Jamkaran

Amin' ny Sonita dia ankalazaina amin' ny alina faha-21, faha-23, faha-25, faha-27 na faha-29 izany; fa amin' ny Siita kosa dia ny alina faha-19, faha-21 na faha-23. Satria tsy fantatra ny daty marina, ny fotoam-pivavahana dia atao mandritra ny alina maromaro.

Araka ny sonisma, tamin' io alina io dia nanomboka nambara tamin' i Mohamady ny Kor'any tao amin' ny zohin' i Hira tamin' ny alalan' ny anjely Gabriela (Jibril na Jibrail). Ao amin' ny siisma kosa dia mifandray amin' ny fidinan' ny siansa amin' ny Imam izany. Heverin' ny Mozilmana ho voatahy ity alina ity, ka dia tsy maintsy anaovana fitokavana, vavaka, famakiana ny Kor'any ary fangatahana famelan-keloka amin' ny fahotana vita.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Tags:

Andriamanitra ao amin' ny silamoAnjely (araka ny silamo)FahotanaFiteny araboHaditaKor'anyMohamadyMozilmanaRamadanySilamoTetiandro mozilmana

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

31 MartsaASadoseoSiansa ara-tsôsialyGovernemantaFiteny kreôly haisianinaFiteny hebreoZanatsoratraMpisolo (fitsipiteny)FransiskaninaAziaKongona2022NôvambraEorôpaGnôstisismaTantaran'i MadagasikaraSoisaDagestànaFiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro FaranyWikipediaFivavahan-drazana malagasyGoaika20011840FahaterahanaDokuWikiApôkrifan' ny BaibolyGrisyTantaran' i MadagasikaraAljeriaFirenena MikambanaFiteny malagasyPaiso (voany)Fiteny kirondyIndôneziaGeorges AndriamanantenaEpistily nosoratan' i JakôbaLanitra (finoana)AsorotanyAlahamadyFihavanana2020IràkaAlahasatyFiteny araboNikôtininaTontolo iainanaAntananarivoMpampitohy tenyKanaana (faritra)KazakstànaSiansaRoandaAhidamboAdaloVatosoaBokin' i IsaiaMa Ying-jeouRégis Rajemisa RaolisonSydney849Didy FoloOlombelonaFitenim-paritra malagasyElliot ShevelArabia SaoditaTenerifeIndiaAostralia🡆 More