Valan-Javaboarin' Ny Helodranon' I Baly

Ny Valan-javaboarin' ny Helodranon' i Baly dia valan-javaboary any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Madagasikara izay noforonina tamin' ny taona 1997.

Mifameno ao ny vondron-jamananaina roa samy hafa: ny an-tanety andaniny sy ny an-dranomasina sy amorontsiraka ankilany. Ny helodranon' i Baly no hany fonenan' ny sokatra tsy manam-paharoa atao hoe angonoka, sokatra tsy miala amin' ny sisin-tanin' i Soalala, antsoina koa hoe Astrochelys yniphora, sokatra tsy fahita firy any amin' ny toeram-ponenany voajanahary, dia ny kirihitra ahitana Perrierbambos madagascariensis, izay tsy misy afa-tsy ao Soalala ihany koa. Ny farihy sy ny heniheny miparitaka etsy sy eroa ao amin' io valan-javaboary io dia miaro ny vorondrano lehibe mpifindra monina izay miaina anaty andiana sy ny sokatra an-dranomamy voasokajy ho "tandindomin-doza" toy ny Erymnochelys madagascariensis. Tamin' ny faramparan' ny volana Septembra 2022 dia may Ilay valan-javaboary ka betsaka ny biby maty tao.

Valan-Javaboarin' Ny Helodranon' I Baly
Sokatra angonoka

Jeôgrafia

Any amin' ny Faritra Boeny, 150 km miala an' i Mahajanga no misy ilay valan-javaboary. Ny kaominina manaraka dia i Soalala sy Ambohipaky. Ny sisiny atsimo dia ny renirano Kapiloza.

Ny biby sy ny zavamaniry

Ny angonoka na Astrochelys yniphora no biby famantarana indrindra ao amin' ny Helodranon' i Baly, satria tsy misy afa-tsy amin' io faritra io.

Jereo koa

Valan-javaboary

Valan-javaboarin' Andasibe-Mantadia • Valan-javaboarin' Andohahela • Valan-javaboarin' Andringitra • Valan-javaboarin' Ankarafantsika • Valan-javaboarin' ny Helodranon' i Baly • Valan-javaboarin' Isalo • Valan-javaboarin'i Kirindy Mitea • Valan-javaboarin'i Mananara-Avaratra • Valan-javaboarin'i Marojejy • Valan-javaboarin' i Masoala • Valan-javaboarin'i Midongy Atsimo • Valan-javaboarin'ny Tendrombohitra Ambre • Valan-javaboarin'i Namoroka • Valan-javaboarin'i Nosy Ve-Androka • Valan-javaboarin'i Ranomafana • Valan-javaboarin'i Tsimanampetsotse • Valan-javaboarin'i Tsingin'i Bemaraha • Valan-javaboarin'i Zahamena • Valan-javaboarin'i Zombitse-Vohibasia

Samihafa

Tags:

FarihyHelodranon' i BalyHenihenySoalalaSokatra

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

MatioMpisolo toerana (fitsipiteny)Ranavalona IIAziaVatohandrinaFasismaBibilavaFanahy Masina (kristianisma)LaîkaWikibolanaFiteny betsimisaraka avaratraKabary famangianaFiangonana Loterana MalagasyPoaceaeFiteny daryGabônaMistery masinaWashingtonÔliva (zavamaniry)Didy FoloBolokyFifanakalozan-kevitry ny MpamonjyApôkalipsy faharoan' i JakôbaRy Tanindrazanay malala ôSilamoBaibolyAsombolaTanindrazana, Fahafahana, FandrosoanaFaraoTsindrimandry (fivavahana)MulbagalOhabolanaTobilehibe FarihimenaKôrà (zanak' i Esao)Fifohazam-panahy lehibeJodaismaPaiso (voany)29 JanoaryMartioraWikimaniaQ8 MartsaJames Dewey WatsonAsidra dezôksiribôniokleikaBaiboly amin' ny teny malagasyJoroFiteny malaiô-pôlineziana andrefanaZanatsoratraMalakiaSelaFiteny afrikansaFitenim-paritra malagasyHaifisaina sy hetsi-poOndryKôntinentaWiki FoundationMahmoud TaleghaniRainay any an-danitraBefandriana-AvaratraValve CorporationQaemiyehNosy KanariaEorôpaAzerbaijàna IranianaEbrahim Hatamikia18871994BatisaFanatontoloanaVintana (finoan-drazana malagasy)Fiteny serba🡆 More