Madagascar Wuhan Iron And Steel Corporation

Ny Madagascar Wuhan Iron & Steel Co (WISCO) dia orinasa mpitrandraka harena an-kibon' ny tany miasa eto Madagasikara amin' ny fitrandrahana vy ao Soalala, Faritra Boeny, izay nokasaina haharitra 30 taona.

Nanomboka ny fitrandrahana vy tany amin' ny faritr' i Soalala ity orinasa ity tamin' ny taona 2011. Izy no orinasa fahatelo lehibe indrindra mpamokara tsỳ any Sina. Nandoa 100 tapitrisa dôlara amerikana tamin' ny fanjakana malagasy ny WISCO hananany ny fahazoan-dàlana hitrandraka eo amin' ny tany mirefy mirefy 430 000 ha tamin' ny taona 2010 fony teo ambanin' ny fitondrana tetezamita i Madagasikara. Maro ny fikambanana niahiahy ny voka-dratsin' ilay fitrandrahana izay hanapotika an' ilay faritra izay sady miavaka no marefo ny zavamaniry sy ny biby ao aminy.

Ny asa fanomanana

Nisy ny fikasana hanorina seranan-tsambo sy seranam-piaramanidina. Nisy koa ny fikasana hanamboatra fotodrafitrasa momba ny fitaterana: lalana, lalamby, lalan-drano, lakandrano ary fantsoben-drano.

Ankoatry ny fandoavana ny vola mitentina 600 tapitrisa dôlara dia nisy koa ny fandoavana 228 tapitrisa dôlara amerikana amin' ny governemanta malagasy sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Ny tombontsoa ho azon' ny Malagasy dia ny famoronana asa ho an' ny olona miisa 100 000, ny fanorenana seranan-tsambo iraisam-pirenena any Soalala izay ho ny lehibe indrindra eto Madagasikara (mahazaka 150 000 taonina); ny famatsiana angovo mahazaka 300-400 megawatts ao an-tanàna.

Fanoherana sy tsikera

Ahiahy

Maro ny fikambanana mpiaro ny tontolo iainana izay tena niahiahy satria ny WISCO dia nahazo ny zo hikaroka sy hitrandraka harena ankibon' ny tany amin' ny faritra izay sady miavaka no marefo ny zavamaniry sy ny biby ao aminy. Raha ny marina, i Soalala dia akaikin' ny valan-javaboarin' ny helodranon' i Baly (Baly Bay National Park). Ny helodranon' i Baly no hany fonenan' ny sokatra tsy manam-paharoa atao hoe angonoka (Astrochelys yniphora), izay tsy mivoaka ny sisin-tanin' i Soalala. Ity orinasa ity koa dia nikasa ny hamindra toerana ny vahoaka ao amin' io faritra io, izay mpamboly sy mpiompy ary mpihaza, miisa eo anelanelan' ny 10 000 sy 20 000.

Atahoran' ny mpanohitra an' ity tetikasa ity ny hisian' ny fahalotoan' ny rano na fahapotehan' ny tany, ny fahalotoan' ny rivotra, ny fahalany tamingan' ny zavamananaina anaty ala (biby, zavamaniry), ny fahasimban' ny endriky zavaboary, ny faharipahan' ny ala sy fahapotehan' ny zavamaniry, ny fahalotoan' ny rano, ny fahapotehan' ny tontolo iainana; ny fanjavonan' ny karazam-biby atahorana ho lany tamingana izay tsy misy afa-tsy amin' ity toerana ity, ny tsy fahampian-tsakafo, ny fahaverezan' ny fanao sy kolontsaina nentin-drazana, ary ny fifindrà-monina.

Fanoherana

Noho izany rehetra izany dia nisy ny fanoharena ny fitohizan' ny asan' ity orinasa ity. Ireto avy ny sokajin' olona sy ny fikambanana tsy mankasitraka ilay tetikasa: ny mponina eo an-toerana sy ny manodidina, ny olom-pirenena maro eto Madagasikara, ny mpampiasa ilay toerana ho fialamboly, ny manam-pahaizana, ny fikambaana mpikarakara ny fiarovana ny zavaboary (Durell Wildlife and Madagascar National Parks), ny  antoko pôlitika (ny TIM sy ny GTT), ny Tour operators ao amin' ny faritry ny National Park.

Tamin' ny volana Septambra 2013 dia tonga tao Antananarivo ny solontenan' ny mponina sy ny olom-boafidy avy any Ambohipaky sy Ankasakasa nitaraina noho ny tsy rariny mahazo azy ireo any amin' ny faritra misy azy noho ny afitsok' ilay tetikasa.

Ny fikambanana TANY dia manohitra ny famidrana ny mponin' i Soalala, nangataka tamin' ny governemanta malagasy mba hanazava ny fomba nandaniana ny vola 100 tapitrisa dôlara, nangataka tamin' ny orinasa sinoa WISCO mba hamaritana raha toa ka ho an' ny Malagasy avokoa ireo toerana 100 000 nampanantenainy ireo.

Jereo koa

Fanovozan-kevitra

Tags:

Madagascar Wuhan Iron And Steel Corporation Ny asa fanomananaMadagascar Wuhan Iron And Steel Corporation Fanoherana sy tsikeraMadagascar Wuhan Iron And Steel Corporation Jereo koaMadagascar Wuhan Iron And Steel Corporation Fanovozan-kevitraMadagascar Wuhan Iron And Steel CorporationFaritra BoenyMadagasikaraRepoblika Entim-Bahoakan' i SinaSoalalaTsỳVy

🔥 Trending searches on Wiki Malagasy:

WikipediaPentateokaJôbaTendrontany(105416) 2000 QY161SaonjoFiteny soedoàAbu Mansur al-BaghdadiPneomatôlôjiaEmirata Arabo MitambatraSugar Land, TexasFiarakodiaLambamenaBernard Renau d'EliçagarayMpisolo manontany1870MenalambaFiteny rosianaHabakabakaAleksandra LehibeFahaleovantenaApôkalipsy voalohan' i Jakôba19 AogositraFiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara29 SeptambraEorôpa AndrefanaArabia SaoditaTovana (fitsipiteny)Chauvac-Laux-MontauxWikiTantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i KôngôRadama VoalohanyToetanin-jana-pehin-tanyVolana (fotoana)Vavaka dimy fanao isan' andro (silamo)Fampielezam-peo FMDistrika eto MadagasikaraFifohazam-panahy lehibeDavida (mpanjaka)OlombelonaNy Sôfian' i Jesoa KristyZanak' OlonaFatranaFamoronana (finoana sy fedrà)AlikaRanavalona IIFIndôneziaWikibolanaVolahavana GermaineRy Tanindrazanay malala ôZafimaniryQaemiyehBôliviaHossein SadaghianiMosavy (finoana malagasy)Litorjia2005MadagasikaraVirjiniaMaleziaAsorotanyJakarta1971OmbyOndryTendrombohitra roa ambin' ny folon' ImerinaAdaoroRio de Janeiro (tanàna)Lisitry ny gazety ao MadagasikaraAdy Mangatsiaka🡆 More