Inoana ho tamin'ny fotoanan'ny dinôzôro, 200 tapitrisa taona tany aloha tany no nisian'ny sokatra voalohany. Ady hevitra be ny momba ny tena razambeny marina.
Fiarovana
Ny ankabeazan'ny sokatra dia voaaro, koa amin'ny ankapobeny dia tsy azo atao araka izany ny miompy, mividy na mivarotra sokatra, ary indrindra indrindra ny manondrana azy ireny. Any andafy, dia azon'ny olona te hifandray akaiky amin'ny sokatra atao ny manatona ivon-toerana fiompiana sy fiarovana azy ireny ary mirotsaka ho mpanampy terem-panahy.
Misy fifanarahana CITES natao tany Washington mitanisa ny karazan-tsokatra tsy azo varotana. Sazy mafy no setrin'ny fandikana izany fitsipi-pifehezana izany.
Ny fahalotoan'ny tontolo iainana, ary singanina manokana amin'izany ny ateraky ny harona plastika, eo koa ny fampiasana harato ary ny fiovaovan'ny toetrandro no antony voalohany mahalany tamingana ny sokatra.
Sakafo
Maro samihafa ny sakafon'ny sokatra, arakaraky ny karazany. Ny sasany mihinana vilona, ny hafa mihinana hena, misy koa sady mihinana zavamaniry no mihinana nofom-biby.
Amin'ny ankapobeny dia mihinana zavamaniry ny sokatra an-tanety : ravinkazo na voankazo samihafa, mety hiampy sifotra koa indraindray. Tsy tokony homena hena, nofon-trondro, sakafon'alika na sakafon-tsaka, paty, vary, mofo na ronono izy ireny; hohaniny soa aman-tsara ireny kanefa tena mety hanimba ny fahasalamany (mampiova endrika ny carapace, mampihena ny fahelam-piainany...).
Nefa ny sokatra an-drano indray dia sady mihinana zavamaniry no mihinana henam-biby ihany koa. Matetika dia amin'ny fahatanorany izy no mihinan-kena ary manjary mizatra zavamaniry arakaraky ny handrosoan'ny taonany ...
Tomban-taona iainana
Marina fa ela velona ny sokatra, nefa vitsy ihany kosa ny maharitra taonjato iray. Ny salanisam-pahaveloman'ny sokatra dia eo amin'ny 50 taona eo ho eo. Anisan'ny voatahiry amin'ny fahela velon'ny sokatra ny an'i Harriet, sokatra mankadiry iray avy tany amin'ny nosy Galapagos.
lahy sa vavy
Mahatsikaiky ny mahalahy na mahavavy ny sokatra sasany : raha akotrika ao anaty fasika mangatsiatsiaka (20 °C) na mafana be (40 °C) hono ny atodiny dia miteraka sokatra vavy, nefa raha mari-pana antonontonony kosa dia manome sokatra lahy.
Afaka fantarina ihany koa ny sokatra efa lehibe hoe lahy na vavy. Ho an'ny lahy dia somary milentika ny kibony raha toa mivoitra kosa izany ho an'ny vavy. Sady manamora ny firaisana izany no manamora ny fanatodizana ihany koa. Ny hohon'ny sokatra lahy koa dia somary mibiloka sy lava, saingy mahitsy sy fohy kokoa kosa ny an'ny vavy. Fanampin'izay dia lehibe kokoa ny rambon'ny sokatra lahy raha miohatra amin'ny sokatra vavy.
Ny sokatra vao foy dia tsy fantatra na lahy na vavy. Mila miandry eo amin'ny 3 na 4 taona eo vao afaka inoana ny mahalahy na vavy azy.
Arribada
Amin'ny fotoana maha-iva indrindra ny ranomasina sy ny onja, dia miara-manatody ny sokatra eny amin'ny morontsiraka. Io no atao hoe arribada.
Foto-kevitra momba ny sokatra e
Amin'ny fisainana tatsinanana dia midika fahendrena, fahela velona, tsi-fahafatesana, ary ny Tany ny sokatra.
Herbert BeckerArchived Jiona 18, 2006 at the Wayback Machine - Fiompiana ny sokatra an-drano (Clemmys, Sternotherus, Heosemys, Mauremys, Emys et Cuora)
This article uses material from the Wikipedia Malagasy article Sokatra, which is released under the Creative Commons Attribution-ShareAlike 3.0 license ("CC BY-SA 3.0"); additional terms may apply (view authors). Mitondra ny lisansa CC BY-SA 4.0 ny votoatiny raha tsy misy zava-kafa ambara. Images, videos and audio are available under their respective licenses. ®Wikipedia is a registered trademark of the Wiki Foundation, Inc. Wiki Malagasy (DUHOCTRUNGQUOC.VN) is an independent company and has no affiliation with Wiki Foundation.